Tahafo Ireo Mpaminany: Hosea
1. Inona ny fanontaniana mety ho efa noeritreretinao?
1 Mety ho efa nanontany tena toy izao ianao, rehefa nisaintsaina ny hatsaram-panahin’i Jehovah sy ny famindram-pony: ‘Vonona hamoy inona ho an’i Jehovah aho?’ (Sal. 103:2-4; 116:12) Nanaiky an-tsitrapo an’izay nasain’i Jehovah nataony i Hosea, na dia namoizany zavatra aza izany. Ahoana no azontsika anahafana azy?
2. Niaritra foana i Hosea teo amin’ny fanompoany. Ahoana no hanahafantsika azy?
2 Mitoria na amin’ny fotoan-tsarotra aza: Tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely no tena nitorian’i Hosea. Zara raha nanaraka ny fivavahana marina ny olona tao. I Jeroboama II no mpanjaka tamin’izay. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy ary nanohy an’ilay fivavahana tamin’ny zanak’omby, izay natombok’i Jeroboama I. (2 Mpanj. 14:23, 24) Tsy nisy nampirisika ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely mba hivavaka tamin’i Jehovah koa ireo mpanjaka hafa tatỳ aoriana, ka noravan’i Jehovah ny tanànany tamin’ny 740 T.K. Na dia nanjaka aza anefa ny fivavahan-diso, dia tsy nivadika i Hosea fa naminany nandritra ny 59 taona, fara fahakeliny. Hanahaka an’i Hosea ve ianao ka ho tapa-kevitra ny hitory isan-taona, na misy aza ny tsy tia sy ny mpanohitra?—2 Tim. 4:2.
3. Inona tamin’ny zavatra nataon’i Hosea no nampiseho ny famindram-pon’i Jehovah?
3 Tadidio hoe mamindra fo i Jehovah: Nasain’i Jehovah naka “vady izay hijangajanga” i Hosea. (Hosea 1:2) Nanambady an’i Gomera izy. Na dia nitera-dahy taminy aza i Gomera, dia toa tsy zanany ireo zaza roa naterak’io vehivavy io tatỳ aoriana. Vonona hamela ny vadiny anefa i Hosea. Nampiseho ny famindram-pon’i Jehovah tamin’ny Israelita nivadika izany rehefa nibebaka izy ireo. (Hosea 3:1; Rom. 9:22-26) Vonona hampandefitra ny zavatra tianao koa ve ianao mba hampahafantarana ny olona rehetra hoe mamindra fo i Jehovah?—1 Kor. 9:19-23.
4. Inona ny zavatra mety hafointsika noho ny amin’i Jehovah?
4 Nahafoy asa be karama ny mpanompon’i Jehovah sasany mba hahafahana manompo bebe kokoa. Ny sasany kosa tsy manambady na tsy miteraka, mba ho tombontsoan’ilay Fanjakana. Mety hieritreritra angamba ianao hoe tsy hahavita ny vitan’i Hosea mihitsy. Toa an’i Hosea anefa, dia mety hampiasain’i Jehovah amin’ny fomba tsy ampoizinao mihitsy ianao. Hanao an’izany izy raha mankasitraka kokoa ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa ianao sady miantehitra amin’ny fanahiny masina.—Mat. 19:26; Fil. 2:13.