FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/14 p. 2-3
  • ‘Vorio ny olona’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Vorio ny olona’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Mihainoa ary Mianara
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Fotoana Hifaliana sy Handraisana Sakafo Ara-panahy
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Aoka isika ho tonga amin’ny fivoriamben’ny distrika 1990 “ny fiteny madio”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Fivoriamben’ny Distrika sy Iraisam-pirenena 1998 “Fomba Fiaina Araka An’Andriama
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 4/14 p. 2-3

‘Vorio ny Olona’

1. Inona no mampitovy ny fivoriamben’ny vondrom-paritra sy fivoriambe iraisam-pirenena amin’ilay fivoriambe nataon’ny Israelita fahiny?

1 Nasain’i Jehovah ‘nampivory ny olona’ teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy, taoriana kelin’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. Tiany handre ny teniny mantsy izy ireo mba hatahoran’izy ireo azy sy hampianarany ny zanany. (Deot. 4:10-13) Azo antoka fa tena nanatanjaka finoana iny fivoriambe iny. Hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra sy fivoriambe iraisam-pirenena koa ny vahoakan’i Jehovah mandritra an’ireo volana vitsivitsy ho avy mba hampianarin’i Jehovah. Inona no tsy maintsy ataontsika raha te handray soa feno avy amin’izany isika?

2. Inona no tsy maintsy ataontsika mba hiomanana ho amin’ny fivoriambe?

2 Miomàna: Nandidy ny Israelita i Jehovah mba ho “vonona” amin’ilay fivoriambe nanan-tantara teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. (Eks. 19:10, 11) Mila miomana tsara koa izay rehetra hanatrika fivoriambe, fa tsy hoe izay manana anjara ihany. Maro, ohatra, no mila maka andro tsy iasana. Mety hitovitovy amin’ny zavatra niainan’i Nehemia no iainanao. Mpandroso divain’i Artaksersesy Mpanjaka izy. Te hiala amin’ny asany izy, satria te ho any Jerosalema mba hanampy amin’ny fanorenana ny manda. Fantany anefa hoe mety tsy hanaiky an’izany ilay mpanjaka. Nivavaka izy ary sahy nilaza ny fangatahany avy eo. Navelan’ilay mpanjaka handeha izy, sady nampiany mihitsy aza mba hanao an’ilay fanorenana. (Neh. 2:1-9) Ankoatra ny firesahana amin’ny mpampiasa anao, efa nalaminao koa ve ny resaka fitaterana sy filasiana, raha ilaina izany? Ho faly hanampy anao amin’izany ny anti-panahy. Miezaha foana mba ho tonga alohan’ny hanombohan’ny fandaharana tsirairay, ary aoka ianao ho vonona hifantoka kokoa amin’izay ho renao any.—Heb. 2:1.

3. Inona no tokony hataontsika mba hanomanana ny fontsika?

3 Ho vonona koa isika raha manomana ny fontsika mba hihaino sy hiana-javatra. (Ezra 7:10) Hapetraka mialoha ao amin’ny jw.org ny fandaharan’ny fivoriambe. Ho hitanao ao ny lohatenin’ny lahateny tsirairay, miaraka amin’ny andinin-teny fototra iray na roa. Mety tsara ny handinihana an’io fandaharana io mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, amin’ireo herinandro alohan’ny fivoriambe. Misy mpitory manao pirinty an’ilay fandaharana, ary iny no ampiasainy handraisana naoty fohy mandritra ny fivoriambe.

4. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anararaotana ny fivoriambe mba hampianarana ny zanany?

4 ‘Ampianaro ny zanakao’: Anisan’ny tanjon’ilay fivoriambe teo amin’ny Tendrombohitra Sinay koa ny hoe mba ‘hampianatra ny zanany’ ny ray aman-dreny israelita. (Deot. 4:10) Afaka manao toy izany koa ny ray aman-dreny mandritra ny fivoriambe. Tokony hasain’izy ireo hipetraka eo akaikiny ny zanany ary hampiany hifantoka tsara. Azon’izy mianakavy atao ny mifampiresaka momba an’ilay fandaharana, isan’andro mandritra an’ilay fivoriambe, sy amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana.

5. Inona no soa horaisintsika raha manatrika fivoriambe isika?

5 Nanampy ny Israelita ilay fivoriambe teo amin’ny Tendrombohitra Sinay mba hahatsapa hoe manana tombontsoa manokana izy ireo satria vahoakan’Andriamanitra. (Deot. 4:7, 8) Natao hanampy antsika toy izany koa ny fivoriambe. Toy ny tany efitra mangadihady mantsy ny tontolon’i Satana iainantsika, nefa ho afaka hiala sasatra mandritra ny telo andro isika. Ho velombelona isika ary hifampahery ao amin’ny paradisa ara-panahy. (Isaia 35:7-9) Kely sisa dia ho tonga ny andron’i Jehovah. Enga anie àry isika tsy hahafoy an’io fotoana ahafahana mifampahery io.—Heb. 10:24, 25.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara