FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/14 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao? Fizarana 2
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Tezao mba ho tia an’i Jehovah ny zanakao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Manorena Fianakaviana Matanjaka Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 5/14 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Inona no tsy maintsy ampianarina ny ankizy mba hahatonga azy ireo ho matotra ara-panahy?

Miezaka mafy ny ray aman-dreny kristianina mba hitaizana ny zanany “araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah.” (Efes. 6:4) Hitan’izy ireo, ohatra, fa mahasoa ny manao teny vakina miaraka amin’ny zanany isa-maraina. Misy koa miara-mijery video an’ny fandaminana sy miresadresaka momba an’ilay izy, mandinika lahatsoratra avy ao amin’ny Manontany ny Tanora, milalao an’ireo tantara ao amin’ny Baiboly, na manao fanazaran-tena. Tsy maintsy ampianarina an’ireo fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly anefa ny ankizy mba “handroso haingana ho amin’ny fahamatorana.”—Heb. 6:1.

Jereo hoe inona no ampianarintsika ny olona eny amin’ny faritany. Manomboka fampianarana amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? isika rehefa mitory na miverina mitsidika. Rehefa vita io boky io, dia ny “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra” no ampiasaintsika. Manazava ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ny boky Ampianarina. Manampy an’ilay mpianatra hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainany kosa ny boky “Fitiavan’Andriamanitra.” “Hamaka tsara” ao amin’i Kristy sy “tsy ho voahozongozona amin’ny finoana” izy ireo rehefa mianatra an’ireo boky ireo. (Kol. 2:6, 7) Tsy ilain’ny zanatsika koa ve izany? Tokony hampianarina momba ny vidim-panavotana sy ny Fanjakan’Andriamanitra ary ny maty izy ireo. Mila fantany koa hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana, ary ahoana no amantarana fa andro farany izao. Tokony ho resy lahatra izy ireo fa ny Vavolombelon’i Jehovah no manana ny fahamarinana. Mila mahazo ny toro lalan’ny Baiboly sy mahay mampiasa ny ‘fahaizany misaina’ koa izy ireo. (Heb. 5:14) Mazava ho azy fa mila jeren’ny ray aman-dreny ny taonan’ny zanany sy ny fahaizany. Ankizy maro anefa no afaka mianatra ny fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly na dia mbola kely aza.—Lioka 2:42, 46, 47.

Hisy zavatra vaovao hampidirina ao amin’ny jw.org, miorina amin’ny boky Ampianarina, mba hanampiana ny ray aman-dreny. Ho hita ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA izany. Hisy hafa koa, miorina amin’ny boky “Fitiavan’Andriamanitra”, amin’ny hoavy. Ampirisihina ny fiangonana mba hanendry rahalahy iray haka azy ireo any amin’ny cybercafé sy hanao pirinty vitsivitsy ary hizara izany amin’ny rehetra. Azon’ny fiangonana ifampizarana ny saran’ny pirinty. Azo ampiasaina koa ireo boky ireo vita pirinty. Anjaran’ny ray aman-dreny ny mifidy hoe hampiasa an’ilay izy mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakaviana ve izy ireo, sa rehefa mampianatra ny zanany tsirairay, sa rehefa mampiofana ny zanany hianatra samirery.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara