FOTO-KEVITRA HO AN’NY VOLANA: “TORIO NY TENY, ARY ATAOVY TSY MISY HATAKA ANDRO IZANY.”—2 TIM. 4:2.
Hazavao Amin’ny Olona ny Momba ny 1914
Ampirisihin’ny Soratra Masina isika mba ‘ho vonona hilaza ny fiarovan-tenantsika’ momba ny zavatra inoantsika. Tokony hatao “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina” izany. (1 Pet. 3:15) Mety ho sarotra amintsika anefa ny hanazava an’ireo fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly. Anisan’izany ny hoe ahoana no ahalalantsika fa nanomboka nanjaka tamin’ny 1914 ny Fanjakan’Andriamanitra. Mba hanampiana antsika, dia nisy andian-dahatsoratra roa nomanina, mitondra ny lohateny hoe “Resadresaka Mahaliana: Oviana no Nanomboka Nanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra?” Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana apetratsika amin’ny Oktobra sy Novambra no misy azy ireo. Rehefa mamaky an’ireo lahatsoratra ireo ianao, dia diniho ireto fanontaniana mahakasika ny fomba fampianatr’i Solofo ireto:
Ahoana no...
niderany an’ilay olona mba hisian’ny marimaritra iraisana?—Asa. 17:22.
nanehoany fanetren-tena rehefa nanazava ny zavatra inoany izy? —Asa. 14:15.
Inona no naha tsara ny hoe...
nofintininy aloha ny hevitra teo aloha vao niresaka hevitra vaovao izy?
niato matetika izy ary nanontany raha azon’ilay olona ny zavatra nohazavainy?
tsy niezaka nanazava zavatra be dia be izy?—Jaona 16:12.
Mankasitraka an’i Jehovah, ilay “Mpampianatra Be Voninahitra” antsika, isika satria ampianariny hahay hanazava ny fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly amin’ny olona mangetaheta an’izany.—Isaia 30:20.