Manatsara ny Fahaizantsika Mampianatra ny Sekolin’ny Fanompoana 2015
1 Hoy i Davida: “Enga anie ny tenin’ny vavako sy izay saintsainiko ato am-poko ka hankasitrahanao Jehovah ô, ry Vatolampiko sy Mpanavotra ahy!” (Sal. 19:14) Tiantsika koa raha ankasitrahan’i Jehovah ny zavatra lazaintsika. Manana tombontsoa hiresaka ny fahamarinana eo anivon’ny fiangonana sy eny amin’ny fanompoana mantsy isika, ary heverintsika ho zava-dehibe izany. Anisan’ny fomba ampiofanan’i Jehovah antsika hahavita ny fanompoantsika ny Sekolin’ny Fanompoana. Atao any amin’ny fiangonana 111 000 mahery eran-tany izy io isan-kerinandro. Nanampy ny rahalahy sy anabavy avy amin’ny kolontsaina samihafa izy io, mba hahafeno fepetra ho mpitory ny vaovao tsara. Lasa mahay mandresy lahatra sy mahay mandanjalanja ary sahy koa izy ireo rehefa mampianatra.—Asa. 19:8; Kol. 4:6.
2 Foto-kevitra avy ao amin’ireto no hohazavaina mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana 2015: Ilay bokikely hoe Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra, ny “Fanondroana Teny” ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Novana koa ny faharetan’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly sy ny Anjara No. 1. Horesahina eo amin’ny fehintsoratra manaraka izany fiovana izany sy ny fomba hanaovana ny anjara rehetra.
3 Hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly: Omena roa minitra ny rahalahy manao an’ity anjara ity, mba hanazavana hevitra iray mahaliana sy azo ampiharina tamin’ny famakiana Baiboly isan-kerinandro. Mila manomana tsara izy mba ho afaka hanazava hevitra iray tena ilain’ny fiangonana nefa tsy hihoatra ny fotoana. Omena enina minitra hoatran’ny mahazatra ihany avy eo ny mpanatrika, mba hiresahany an’izay hevitra nahaliana azy tamin’ny famakiana Baiboly. Tsy tokony hihoatra ny 30 segondra ny valin-teny tsirairay. Mila manomana tsara sy mifehy tena isika mba hanome valin-teny misy heviny ao anatin’ny 30 segondra. Anisan’ny fampiofanana antsika izany. Hanam-potoana hilazana izay zavatra hitany tamin’ny fikarohana nataony koa ny hafa amin’izay.
4 Anjara No. 1: Nahena ho telo minitra na latsaka ny faharetan’ny vakiteny ary nohafohezina ny zavatra vakina. Tokony hanao famerenana imbetsaka ilay rahalahy manao an’ity anjara ity, ka hamaky an’ilay izy amin’ny feo avo. Hianarany tsara koa ny fomba fanononana ny teny rehetra, ary hataony izay hampisosa tsara ny vakiteniny. Ho azon’ny olona tsara amin’izay ny zavatra vakiny. Tokony hiezaka hahay hamaky teny tsara ny vahoakan’i Jehovah rehetra, satria tena ilaina eo amin’ny fanompoana ny vakiteny. Mahafinaritra fa maro ny ankizy mahay mamaky teny tsara, ary deraina ny ray aman-dreny satria miezaka manampy ny zanany amin’io lafiny io.
5 Anjara No. 2: Rahalahy na anabavy no hanao azy ary dimy minitra no faharetany. Izay loha hevitra nomena no tokony hovelabelariny. Hiorina amin’ny bokikely Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra na ny boky Mpitory ity anjara ity. Raha anabavy no manao an’ilay anjara ary miorina amin’ny bokikely Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra ilay izy, dia hofidiny ao izay andinin-teny mifanaraka amin’ilay loha hevitra, ary izay hevitra azo ampiharina no horesahiny. Raha miorina amin’ny boky Mpitory ilay anjara ary anabavy no manao an’ilay izy, dia azo omena faritra izy na izy no hifidy avy ao amin’ilay lisitra ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 82. Azo atao ny mampiasa andinin-teny fanampiny mifandray amin’ilay loha hevitra. Raha miorina amin’ny boky Mpitory ilay anjara ary rahalahy no manao azy, dia tokony hatao toy ny lahateny ilay izy. Tokony ho rahalahy foana no tendrena hanao ny anjara misy kintana kely (*). Raha miorina amin’ny bokikely Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra ilay anjara, dia tokony hatao toy ny tena izy ilay famelabelarana, sady tokony ho azo ampiharina eny amin’ny faritany.
6 Anjara No. 3: Rahalahy na anabavy no hanao azy ary dimy minitra no faharetany. Ny toromarika ho an’ny Anjara No. 2 ihany no ampiharina amin’ny Anjara No. 3. Tokony ho rahalahy foana no tendrena hanao ny anjara misy kintana kely (*).
7 Zava-baovao amin’ny Anjara No. 2 ho an’ny rahalahy: Raha miorina amin’ny bokikely Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra ilay anjara, dia tokony hataony toy ny fianaram-pianakaviana ilay izy na fanompoana eny amin’ny saha. Ny mpiandraikitra ny sekoly matetika no hanendry ny mpanampy sy ny faritra. Iray amin’ny fianakavian’ilay mpianatra na rahalahy iray eo anivon’ny fiangonana ilay mpanampy. Azo atao ny mampiasa andinin-teny fanampiny mba hanasongadinana ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay loha hevitra. Anti-panahy indraindray no tendrena hanao an’ilay anjara, ary azony atao ny mifidy ny mpanampy azy sy ny faritra. Azo antoka fa hampahery ny fiangonana ny hahita anti-panahy hanao azy io miaraka amin’ny mpianakaviny iray na rahalahy iray, ka hanome modely amin’ny fahaiza-mampianatra.
Ekeo sy ampiharo ny torohevitra omena anao dia handroso ara-panahy ianao
8 Torohevitra: Rehefa vita ny anjara tsirairay, dia afaka manome teny fiderana sy torohevitra mahasoa avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana ny mpiandraikitra ny sekoly, mandritra ny roa minitra. Tsy hilaza ny zavatra tandreman’ny mpianatra izy, alohan’ilay anjara. Homeny teny fiderana mety tsara kosa ilay mpianatra rehefa vita ilay anjara, ary holazainy ny zavatra tandremany. Holazainy koa hoe nahoana ilay mpianatra no nahay tsara an’ilay izy, na hohazavainy amin-katsaram-panahy hoe nahoana no tsara raha miezaka bebe kokoa ilay mpianatra.
9 Ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana pejy 79-81 ny torohevitra ho an’ny mpianatra tsirairay. Hanisy fanamarihana ao amin’ny bokin’ilay mpianatra ny mpiandraikitra ny sekoly rehefa vita ny fivoriana, ary hanontany azy raha nataony ilay fanazaran-tena. Mbola mety hisy torohevitra mahasoa na teny fiderana homena mitokana aorian’ny fivoriana na amin’ny fotoana hafa. Tokony horaisintsika hoe fanampiana antsika handroso ara-panahy ireny torohevitra ireny.—1 Tim. 4:15.
10 Tokony hanome famantarana ny mpiandraikitra ny sekoly na ny mpanampy azy, raha mihoatra ny fotoana anaovan’ilay mpianatra ny anjarany. Afaka mipaipaika kely, ohatra, izy, nefa tsy tokony hatao mafy be izany. Tokony hofaranan’ilay mpianatra ny teniny ary hiala eny amin’ny lampihazo izy, raha vao mahare an’ilay famantarana.—Jereo ny boky Sekolin’ny Fanompoana pejy 282, fehintsoratra 4.
11 Ampirisihina hisoratra anarana amin’ny sekoly izay rehetra mahafeno fepetra. (Jereo ny boky Sekolin’ny Fanompoana pejy 282, fehintsoratra 6.) Inona ny soa azon’ny vahoakan’i Jehovah avy amin’ny Sekolin’ny Fanompoana? Lasa tsara fanahy izy ireo rehefa mitory sy mampianatra ny vaovao tsara, sady hita hoe tena mino ny zavatra lazainy. Misy lanjany koa ny hafatra torin’izy ireo satria hain’izy ireo tsara ny miresaka azy. Azo antoka fa faly i Jehovah rehefa midera azy izay rehetra mandray soa amin’ny fampiofanana omeny.—Sal. 148:12, 13; Isaia 50:4.