Valin’ny Fanontanianareo
◼ Tokony hampiasa Internet ve ny mpitory, mba hitoriana na hampianarana olona any an-tany hafa?
Misy mpitory mampiasa Internet mba hahazoana mpianatra Baiboly any amin’ny tany andrarana ny asantsika na vitsy mpitory. Ahitana vokany tsara ihany izany indraindray. Mety hahita loza anefa ny mpitory iray raha mifandefa e-mail na mifampiresaka amin’olon-tsy fantatra ao amin’ny Internet. (Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jolay 2007, p. 3.) Marina fa ny hiresaka ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny olona tso-po no tanjona amin’izany. Mety hahatonga ny rahalahy na anabavy iray hifandray amin’ny olon-dratsy anefa izany, ohatra hoe ny mpivadi-pinoana. (1 Kor. 1:19-25; Kol. 2:8) Mety hanara-maso ny hafatra ifandefasan’ny olona koa ny manam-pahefana any amin’ny tany andrarana ny asantsika, ka mety hampidi-doza an’ireo rahalahy sy anabavy mipetraka any izany. Tsy tokony hikarokaroka ao amin’ny Internet àry ny mpitory, mba hitadiavana olona hitoriana any an-tany hafa.
Mety hitory tsy ara-potoana amin’ny vahiny mandalo anefa isika. Raha mody any amin’ny taniny izy avy eo, dia aleo tsy manohy an’ilay resaka amin’ny alalan’ny Internet, raha tsy hoe nanome alalana angaha ny biraon’ny sampana any amin’ny taniny. Aleo kosa aseho azy fotsiny ny fomba fampiasa ny jw.org mba hahazoany fanazavana bebe kokoa. Azo lazaina aminy koa ny adiresin’ny biraon’ny sampana any amin-dry zareo. Asaivo mankany amin’ny Efitrano Fanjakana eny akaikin’ny tranony koa izy, raha misy efitrano any amin’ny taniny. Tokony hameno taratasy Tsidiho Azafady (S-43) avy hatrany isika, raha te hotsidihina ilay olona. Omeo ny mpitan-tsoratra ilay izy, ka izy indray no mandefa azy ao amin’ny jw.org. Ny biraon’ny sampana miandraikitra ny asa ao amin’ilay tany misy an’ilay olona no mahafantatra tsara ny zava-drehetra any, ka izy ireo no tena afaka manampy azy.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 2014 p. 7, sy Novambra 2011 p. 2.
Ary ahoana raha misy olona efa notsidihintsika nefa hifindra any an-tany hafa, na koa raha misy olona any an-tany hafa efa ampianarintsika Baiboly amin’ny alalan’ny Internet nefa mbola tsy nihaona tamintsika mihitsy? Tokony hanaraka an’ilay fanazavana voalaza etsy ambony foana isika. Azontsika tohizina ihany anefa ny fianaran’ilay olona, mandra-pahitana mpitory afaka manampy azy any amin’ilay tany. Ahoana kosa raha voarara ny asantsika any amin’io tany io? Tena mila mitandrina isika rehefa miresaka foto-kevitra ara-baiboly aminy, amin’ny alalan’ny taratasy na telefaonina na e-mail.—Mat. 10:16.