HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | SALAMO 135-141
Mahatalanjona ny Fomba Nanaovana Antsika
Nisaintsaina ny toetran’Andriamanitra i Davida rehefa nandinika ny zavaboary. Lasa natoky an’i Jehovah izy ka nanompo azy nandritra ny androm-piainany.
Nidera an’i Jehovah i Davida rehefa avy nisaintsaina momba ny zavaboary:
“Hidera anao aho, satria mahagaga sy mahatalanjona ny fomba nanaovanao ahy”
“Tsy niafina taminao ny taolako, tamin’izaho noforoninao tao amin’ny miafina, sy notenominao tao amin’ny faritra lalina indrindra amin’ny tany”
“Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako”