HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 12-13
Fanoharana Momba ny Vary sy ny Tsimparifary
Nampiasa an’ilay fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe ahoana no hifidianany sy hanangonany ny Kristianina voahosotra rehetra, izay toy ny vary, ary rahoviana izy no hanao izany.
Nisy “lehilahy iray namafy voa tsara teny an-tanimbariny”
Mpamafy: Jesosy Kristy
Afafy ny voa tsara: Hosorana amin’ny fanahy masina ny mpianatr’i Jesosy
Tanimbary: Izao tontolo izao
“Raha mbola natory ny olona, dia tonga ny fahavalony namafy tsimparifary”
Fahavalo: Ny Devoly
Natory ny olona: Maty ireo apostoly
‘Avelao hiara-maniry izy roa tonta mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana’
Vary: Kristianina voahosotra
Tsimparifary: Kristianina sandoka
‘Angony aloha ny tsimparifary vao ny vary’
Mpanompo/mpijinja: Anjely
Angonina ny tsimparifary: Avahana amin’ny Kristianina voahosotra ny Kristianina sandoka
Angonina ao amin’ny trano fitehirizam-bokatra: Angonina ho anisan’ny fiangonan’ny tena Kristianina ny voahosotra
Inona no nampiavaka ny tena Kristianina tamin’ireo Kristianina sandoka rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana?
Inona ny soa azoko rehefa nazava tsara tamiko ny dikan’io fanoharana io?