HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | MATIO 14-15
Olona Vitsy Manome Sakafo Olona Maro
Nanao fahagagana i Jesosy taloha kelin’ny Paska taona 32. Amin’ireo fahagagana rehetra nataony, dia io ihany no samy resahin’ny Filazantsara efatra.
Nanome modely i Jesosy tamin’izay ary mbola izay ihany no ataony hatramin’izao.
Nasain’i Jesosy nanome sakafo an’ilay vahoaka ny mpianany, na dia tsy nanana afa-tsy mofo dimy sy trondro roa aza izy ireo
Nalain’i Jesosy ireo mofo sy trondro, ary nomeny an’ireo mpianany rehefa avy nivavaka izy. Izy ireo indray avy eo no nizara izany tamin’ny vahoaka
Nahagaga fa tsy lany ilay izy. Nanome sakafo ho an’olona an’arivony i Jesosy tamin’ny alalan’ny mpianany vitsivitsy
Efa nilaza i Jesosy fa hanendry olona izy amin’ny andro farany, mba hanome ‘sakafo [ara-panahy] amin’ny fotoana mety.’—Mt 24:45
Nanendry rahalahy voahosotra vitsivitsy na ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy tamin’ny 1919, mba hikarakara an’ireo “mpanompo ao an-tranony”, na izay rehetra omena sakafo ara-panahy
Manahaka ny modely nomeny tamin’ny taonjato voalohany izy, rehefa mampiasa an’ireo rahalahy voahosotra vitsivitsy ireo
Misy antokon’olona ampiasain’i Jesosy hanome sakafo ara-panahy ho an’ny vahoakany. Ahoana no hampisehoako fa manaiky sy manaja azy ireo aho?