FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb18 Martsa p. 6
  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ampianaro Hanomana ny Mpianatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hatsarao ny Fanompoanao: Ampianaro Hanomana ny Mpianatra
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Ampio Ireo Mpianatra ny Baiboly Hiomana ho Amin’ny Fianaran’izy Ireo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Fizarana 4—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
mwb18 Martsa p. 6

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Hatsarao ny Fanompoanao: Ampianaro Hanomana ny Mpianatra

NAHOANA IZANY NO TENA ILAINA? Mora mahatakatra sy mahatadidy kokoa an’izay ampianarina azy ny mpianatra Baiboly, rehefa manomana. Arakaraka ny zavatra takany sy tadidiny no hampandroso azy haingana na tsia. Mbola mila manomana fivoriana sy fanompoana izy ireo, na efa vita batisa aza. Hanampy azy ‘hiambina hatrany’ izany. (Mt 25:13) Handray soa izy mandritra ny androm-piainany, raha zatra mianatra sady fantany tsara izay tokony hatao rehefa mianatra. Dieny eo am-boalohany izy, dia tokony hozarina hanomana ny fianarany.

AHOANA NO HANAOVANA AZY?

  • Rahalahy iray manomana ny fianaran’ny mpianany sady mieritreritra an’ilay olona

    Omeo modely izy. (Ro 2:21) Eritrereto ilay mpianatra rehefa manomana ny fampianarana tsirairay. (km 11/15 3) Ataovy hitany hoe voatsipika ny bokinao

  • Rahalahy iray mampiseho ny bokiny efa voaomana amin’ny mpianany

    Ampirisiho izy hanomana. Vao manaiky hianatra izy, dia lazao azy fa mila manomana izy satria anisan’ilay fandaharana fampianarana Baiboly izany. Hazavao aminy koa ny soa ho azony rehefa manao izany. Omeo soso-kevitra izy mba hahitany fotoana hanomanana. Ampindramin’ny mpitory sasany an’ilay mpianatra ny bokiny efa voatsipika, mandritra ny fianarana. Hitany amin’izay hoe tena tsara ny manomana. Derao izy rehefa manomana

  • Atoroy azy ny fomba fanomanana. Dieny eo am-boalohany, dia aleon’ny mpitory sasany atoro an’ilay mpianatra mihitsy aloha ny fomba fanomanana ny lesona iray, fa amin’ny manaraka izy ireo vao mianatra

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara