FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Febroary p. 3
  • Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ireo Hira ao Amin’ny Tele JW?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ireo Hira ao Amin’ny Tele JW?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Hira Manampy Antsika ho Akaiky Kokoa An’Andriamanitra
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
  • Mihirà ho An’i Jehovah Amin’ny Fo Falifaly
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2018
  • Manampy Antsika ho Be Herim-po ny Hiran’ilay Fanjakana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Mba Andramo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Febroary p. 3
Rahalahy sy anabavy mitsangantsangana sady mihirahira, ary misy rahalahy iray mitendry gitara.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ireo Hira ao Amin’ny Tele JW?

Iza amin’ireo hira ao amin’ny Tele JW no tianao indrindra? Nahoana? Hitanao ve hoe mampiseho ny zavatra iainantsika isan’andro ny video amin’izy ireny? Miresaka zavatra samihafa ireny hira ireny, sady isan-karazany ny mozika amin’ilay izy. Mandray soa daholo àry isika tsirairay. Tsy natao hampiala voly fotsiny anefa izy ireny.

Mampianatra antsika lesona azo ampiharina eo amin’ny fiainana sy ny fanompoana ireny hira ireny. Ny sasany, ohatra, miresaka momba ny fahaizana mandray vahiny, firaisan-tsaina, namana, herim-po, fitiavana, na finoana. Ny hafa indray mampirisika antsika hiverina amin’i Jehovah, hamela heloka, tsy hivadika, ary hanatratra tanjona eo amin’ny fanompoana. Misy aza manampy antsika handanjalanja rehefa mampiasa telefaonina. Inona koa ny lesona hafa nianaranao?

JEREO ILAY VIDEO HOE EFA AO AMBADIKA AO, ARY VALIO IRETO:

  • Inona avy ny fitahiana nosaintsainin’ilay mpivady be taona?—Ge 12:3

  • Inona no hanampy antsika hatoky kokoa fa mahavita manatanteraka ny fampanantenany i Jehovah?

  • Afaka ny hihaona amin’iza indray isika tsy ho ela?

  • Nahoana isika no hahavita hiatrika olana, raha misaintsaina ny zavatra hataon’ilay Fanjakana?—Ro 8:25

AZO ATAO AMIN’NY FOTOAM-PIVAVAHAN’NY FIANAKAVIANA

Jereo ireto hira ireto, ary valio izao: Inona no lesona azo ianarana avy amin’ilay video? Ahoana no azoko ampiharana an’izany?

  • Atrakao ny Loha

  • Andao Hifamela

  • “Miezaha ho Tia Mandray Vahiny”

  • Andao fa Aza Tara!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara