FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Septambra p. 7
  • Vonona Hahafoy ny Fotoananao sy ny Herinao ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona Hahafoy ny Fotoananao sy ny Herinao ve Ianao?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandray Anjara Amin’ny Fanorenana
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Lafiny Iray Lehibe Amin’ny Fanompoana Masina ny Fanorenana sy Fikojakojana ary Fa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • Zava-baovao eo amin’ny fanorenana iraisam-pirenena
    Mifohaza!—1992
  • Hafainganina ny Fanorenana Efitrano Fanjakana
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2016
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Septambra p. 7

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Vonona Hahafoy ny Fotoananao sy ny Herinao ve Ianao?

Rahalahy iray falifaly manapaka fantsona vy ao amin’ny toeram-panorenana.

Tena mandroso be izao ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminan’i Jehovah, ka hita hoe tanteraka ny faminanian’i Isaia. (Is 54:2) Tena ilaina àry ny manorina Efitrano Fanjakana, Efitrano Fivoriambe, ary tranon’ny sampana. Mila kojakojaina ireny trano ireny rehefa vita, ary tsy maintsy havaozina tanteraka ny sasany rehefa mandeha ny fotoana. Vonona hahafoy ny fotoananao sy ny herinao ve ianao, mba hanohanana an’ireo asa ireo? Inona no azonao atao?

  • Afaka manadio Efitrano Fanjakana ianao, rehefa anjaran’ny andia-mpitory misy anao ny manao an’izany

  • Miresaha amin’ny anti-panahy, raha tianao ny hahazo fampiofanana momba ny fikojakojana Efitrano Fanjakana

  • Afaka mameno Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo Manao Fanorenana eo An-toerana (DC-50) ianao. Amin’izay ianao afaka manampy rehefa misy fanorenana na fikojakojana atao eny amin’ny faritra misy anareo

  • Azo atao koa ny mameno Fangatahana ho Mpiasa An-tsitrapo (A-19), raha tianao ny hanao asa an-tsitrapo mandritra ny herinandro na mihoatra ao amin’ny Betela na any amin’ny trano hafa ampiasain’ny sampana

JEREO ILAY VIDEO HOE TRANO VAOVAO HAORINA—AMPAHANY. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona no porofo fa lasa nampiasaina be ny video nanomboka tamin’ny 2014?

  • Vao mainka hihabetsaka ny video havoakantsika amin’ny hoavy. Inona àry ny tetikasa eritreretin’ny fandaminana hatao, ary haharitra firy taona ilay izy?

  • Inona avy ny asa azon’ny mpiasa an-tsitrapo atao amin’io tetikasa io?

  • Tokony hameno fangatahana (DC-50) ianao ary handray anjara amin’ny tetikasa fanorenana ataon’ny Sampan-draharaha Misahana ny Fanorenana eo An-toerana (SFA), raha tianao ny handray anjara amin’ilay tetikasa any Ramapo. Nahoana izany no tena ilaina?

  • Inona no porofo fa i Jehovah no mitarika an’io tetikasa io?

  • Inona no azonao atao mba hanohanana an’io tetikasa io, raha tsy afaka mandray anjara amin’ilay izy ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara