FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Oktobra p. 5
  • Ry Tanora, i Jehovah ve no Namanareo Akaiky Indrindra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ry Tanora, i Jehovah ve no Namanareo Akaiky Indrindra?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho Naman’i Jehovah Ianao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Tian’Andriamanitra ho Namany Ianao
    Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!
  • Tokony Handaza ny Namako ve Aho?
    Mifohaza!—2008
  • Nahoana no Nifindra Toerana ny Namana Tsy Foiko?
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Oktobra p. 5
Rahalahy tanora iray manao fianarana samirery ao an-tranony.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ry Tanora, i Jehovah ve no Namanareo Akaiky Indrindra?

Inona no toetra tianao hananan’ny namanao? Tianao angamba raha tsy mivadika aminao izy, tsara fanahy, ary tia manome. Manana an’ireo toetra rehetra ireo i Jehovah. (Ek 34:6; As 14:17) Mihaino izy rehefa mivavaka aminy ianao. Eo foana izy rehefa mila fanampiana ianao. (Sl 18:19, 35) Mamela ny fahadisoanao koa izy. (1Jn 1:9) Aiza indray ianao no hahita Namana tsara hoatr’izany?

Inona no azonao atao raha te ho naman’i Jehovah ianao? Vakio ny Teniny mba hahafantaranao azy. Resaho aminy izay ao am-ponao. (Sl 62:8; 142:2) Asehoy hoe zava-dehibe aminao izay zava-dehibe aminy, ohatra hoe ny Zanany, ilay Fanjakany, ary ny fampanantenany momba ny hoavy. Resaho amin’ny hafa ny momba azy. (De 32:3) Raha miezaka ny hifandray akaiky amin’i Jehovah ianao, dia ho Namanao mandrakizay izy.—Sl 73:25, 26, 28.

JEREO ILAY VIDEO HOE RY TANORA,“ANDRAMO KA JEREO FA TSARA I JEHOVAH.” VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy ao amin’ilay video hoe ‘Ry Tanora, Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah.’ Anabavy tanora iray mivavaka alohan’ny hanaovany fianarana samirery.

    Inona no azonao atao mba ho vonona hanokan-tena sy hatao batisa ianao?

  • Sary avy ao amin’ilay video hoe ‘Ry Tanora, Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah.’ Rahalahy mpisava lalana mitory amin’ny lehilahy iray, ary mamaky andinin-teny amin’ny teny karen (S’gaw).

    Inona no azon’ny hafa atao mba hanampiana anao hanompo an’i Jehovah?

  • Sary avy ao amin’ilay video hoe ‘Ry Tanora, Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah.’ Rahalahy tanora iray miaraka manompo amin’ny rahalahy be taona, satria tiany ny miaraka amin’ny zokiolona.

    Nahoana ny fanompoana no manampy anao hifandray kokoa amin’i Jehovah?

  • Sary avy ao amin’ilay video hoe ‘Ry Tanora, Andramo ka Jereo fa Tsara i Jehovah.’ Anabavy mampianatra Baiboly vehivavy marenina iray. Nanao dia an-tongotra adiny roa izy mba hahatongavana tany amin’ilay marenina.

    Afaka ny ho naman’i Jehovah mandrakizay ianao!

    Inona avy ny karazana fanompoana azonao atao?

  • Inona no tena itiavanao an’i Jehovah?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara