FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Desambra p. 3
  • Be Fitiavana Isika Raha Manohana ny Famaizan’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Be Fitiavana Isika Raha Manohana ny Famaizan’i Jehovah
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • “Izay Tian’i Jehovah no Faiziny”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Ny fifehezana izay mitondra vokatra hiadanana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Nahoana no Porofon’ny Fitiavana ny Fandroahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Misy Olona Tianao Niala Tamin’i Jehovah Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Desambra p. 3

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Be Fitiavana Isika Raha Manohana ny Famaizan’i Jehovah

Fomba iray anafaizana ny mpanao ratsy ny fandroahana, sady miaro ny fiangonana. (1Ko 5:6, 11) Rehefa misy olona voaroaka dia maro no malahelo, anisan’izany ny havany sy ireo anisan’ny komity mpitsara. Be fitiavana anefa isika raha manohana an’io fandaharana avy amin’i Jehovah io. Nahoana?

Asehontsika hoe tiantsika i Jehovah, ka te hiaro ny lazany sy ny fahamasinany isika. Izany no zava-dehibe indrindra. (1Pe 1:14-16) Ho hita koa hoe tiantsika ilay olona voaroaka. Na mafy aza mantsy ny fandroahana, dia ‘hitondra vokatra hiadanana izany, ary ny fahamarinana izany vokatra izany.’ (He 12:5, 6, 11) Misakana ny famaizan’i Jehovah isika, raha mifanerasera amin’ny olona voaroaka na niala an-tsitrapo. Tadidio fa “araka ny antonony” ny famaizan’i Jehovah. (Je 30:11) Manantena foana isika hoe mbola hiverina amin’ilay Raintsika be famindram-po izy. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia hanohana an’ilay fandaharan’i Jehovah foana isika, ary hanao zavatra ara-panahy tsy tapaka.—Is 1:16-18; 55:7.

JEREO ILAY VIDEO HOE AZA MIVADIKA FA MANOMPOA AMIN’NY FO MANONTOLO, ARY VALIO IRETO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo.’ Malahelo i Malala sy Njaka rehefa avy namaky ny taratasy nosoratan’ilay zanany lahy. Tsy hiara-mipetraka amin’izy ireo intsony izy io.

    Inona no tsapan’ny ray aman-dreny rehefa miala amin’i Jehovah ny zanany?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo.’ Mampahery an’i Malala sy Njaka ny mpiara-mivory, taorian’ny fivoriana.

    Inona no azon’ny fiangonana atao mba hampaherezana ny fianakavian’ilay voaroaka?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo.’ Malala misaintsaina ny tantaran’i Kora tamin’izy nikomy.

    Inona ny tantara ao amin’ny Baiboly manamarina fa ny tsy fivadihana amin’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe kokoa amintsika?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Aza Mivadika fa Manompoa Amin’ny Fo Manontolo.’ Malala miresaka amin’i Njaka an’ilay hafatra nalefan’ilay zanany.

    Ahoana no ampisehoantsika hoe ny tsy fivadihana amin’i Jehovah no zava-dehibe kokoa amintsika noho ny tsy fivadihana amin’ny fianakaviantsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara