FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Janoary p. 5
  • Arovy ny Tokantranonao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arovy ny Tokantranonao
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hananana Tokantrano Sambatra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Raha Madiva ho Rava ny Fanambadiana
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Ny fanambadiana: fanomezana mitondra fifaliana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Valin’ireo fanontaniana ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Janoary p. 5
Mpivady mipetraka amin’ny tany ary faly miara-manasa lamba.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Arovy ny Tokantranonao

Zava-dehibe amin’i Jehovah ny voadim-panambadiana, ka tsy tiany hisaraka mihitsy ny mpivady. (Mt 19:5, 6) Maro ny mpivady kristianina fakan-tahaka. Tsy misy fanambadiana tonga lafatra anefa. Na izany aza, dia tsy tokony hanahaka ny fanaon’ny olona isika, ka hoe hisintaka na hisaraka raha vao misy olana. Inona àry no azon’ny mpivady atao mba tsy ho rava ny tokantranony?

Ireto misy dingana dimy tena manampy:

  1. Arovy ny fonao, ka aza miadaladala amin’olon-kafa na manao fialam-boly misy fitondran-tena maloto. Manimba tokantrano izany.—Mt 5:28; 2Pe 2:14.

  2. Hatsarao ny fifandraisanao amin’Andriamanitra. Ataovy izay azonao atao mba hankasitrahany ny tokantranonao.—Sl 97:10.

  3. Tafio foana ny toetra vaovao. Manaova zavatra tsara madinidinika mba hampifaliana ny vadinao.—Kl 3:8-10, 12-14.

  4. Miezaha hifampiresaka tsara foana, ary hifanaja rehefa manao an’izany.—Kl 4:6.

  5. Miezaha haneho fitiavana rehefa manao ny adidy amin’ny vadinao.—1Ko 7:3, 4; 10:24.

Rehefa manaja ny fanambadiany ny Kristianina dia manome voninahitra an’i Jehovah, ilay namorona azy io.

JEREO ILAY VIDEO HOE TSY MAINTSY ‘MIHAZAKAZAKA AMIM-PAHARETANA’ ISIKA: ARAHO NY FITSIPI-DALAO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Tsy Maintsy ‘Mihazakazaka Amim-paharetana’ Isika: Araho ny Fitsipi-dalao.’ Rahalahy sy Ranabavy Rakoto ao amin’ny Efitrano Fanjakana, faly rehefa vita ny lahatenim-panambadian’izy ireo.

    Na dia milamina tsara aza ny tokantrano amin’ny voalohany, inona ny olana mety hitranga?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Tsy Maintsy ‘Mihazakazaka Amim-paharetana’ Isika: Araho ny Fitsipi-dalao.’ Rahalahy sy Ranabavy Rakoto, tony tsara miresaka ny olana atrehin’izy ireo. Misy Baiboly misokatra eo ambony latabatra.

    Mety hahatsapa ny mpivady hoe tsy mifankatia intsony. Nahoana anefa ny toro lalan’ny Baiboly no mety hanampy?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Tsy Maintsy ‘Mihazakazaka Amim-paharetana’ Isika: Araho ny Fitsipi-dalao.’ Rahalahy Rakoto mamaky an’ilay boky hoe ‘Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly’ ary mihaino ny vadiny sy ny zanany roa vavy kely.

    Ampiharo ny toro lalan’ny Baiboly dia ho sambatra ianareo

    Inona ny fitsipika napetrak’i Jehovah ho an’ny mpivady?

  • Inona no tsy maintsy ataon’ny mpivady, raha tiany ho sambatra ny tokantranony?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara