FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb21 Mey p. 13
  • Miezaha Foana Haneho Fitiavana ao An-tokantrano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Foana Haneho Fitiavana ao An-tokantrano
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka ny ho Sambatra ny Fianakavianao
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Ahoana no Hahasambatra ny Fianakavianao?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Fiainam-pianakaviana Tian’Andriamanitra
    Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
  • Fanalahidy Roa ho An’ny Fanambadiana Maharitra
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
mwb21 Mey p. 13
Fianakaviana iray miara-mihira mandritra ny fivoriana.

NY FIANANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha Foana Haneho Fitiavana ao An-tokantrano

Ny fitiavana no mampifandray tsara ny mpianakavy. Lasa sarotra amin’izy ireo ny miray saina sy miara-miasa foana, raha tsy eo ny fitiavana. Ahoana no azon’ny mpivady sy ny ray aman-dreny anehoana fitiavana ao an-tokantrano?

Raha be fitiavana ny lehilahy iray, dia ho zava-dehibe aminy ny zavatra ilain’ny vadiny sy ny heviny ary ny fihetseham-pony. (Ef 5:28, 29) Hanome izay ilain’ny fianakaviany eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ara-panahy izy, anisan’izany ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana tsy tapaka. (1Ti 5:8) Raha be fitiavana ny vehivavy iray, dia hanaiky ny fahefan’ny vadiny izy sady “hanaja fatratra” azy. (Ef 5:22, 33; 1Pe 3:1-6) Tokony ho vonona hifamela heloka koa izy mivady. (Ef 4:32) Raha be fitiavana ny ray aman-dreny, dia hiahy ny zanany tsirairay sady hampianatra azy ho tia an’i Jehovah. (De 6:6, 7; Ef 6:4) Inona, ohatra, ny olana atrehiny any am-pianarana? Ahoana no iatrehany ny fitaoman’ny namana? Raha mifankatia ny mpianakavy, dia hahatsiaro ho voaro sy tsy hanana ahiahy izy ireo.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA FOANA HANEHO FITIAVANA AO AN-TOKANTRANO. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Miezaha Foana Haneho Fitiavana ao An-tokantrano.’ Mpivady avy nivory ary miara-mandinika andinin-teny iray.

    Raha be fitiavana ny lehilahy iray, ahoana no ampisehoany hoe manome izay ilain’ny vadiny izy sady tena tia azy?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Miezaha Foana Haneho Fitiavana ao An-tokantrano.’ Anabavy iray avy nivory. Mihaino tsara an’ilay vadiny tsy Vavolombelona izy sady manome toky azy.

    Raha be fitiavana ny vehivavy iray, ahoana no ampisehoany hoe manaja fatratra ny vadiny izy?

  • Sary avy amin’ilay video hoe ‘Miezaha Foana Haneho Fitiavana ao An-tokantrano.’ Fianakaviana miresaka ny hevitra nahafinaritra azy tany am-pivoriana, mandritra ny sakafo hariva.

    Raha be fitiavana ny ray aman-dreny, inona no azon’izy ireo atao mba hilentika tsikelikely ao an-tsain’ny zanany ny Tenin’Andriamanitra?

MITANDREMA REHEFA MAMPIASA FITAOVANA ELEKTRONIKA

Mety haka ny fotoana tokony hiarahan’ny mpianakavy ny fitaovana elektronika. Azon’ny ray aman-dreny ferana hoe adiny firy izy ireo sy ny zanany no hampiasa fitaovana elektronika. Tokony hofaritan’izy ireo koa raha afaka mifandray amin’olona ao amin’ny Internet ny zanany na tsia, ary iza no azony ifandraisana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara