FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb22 Janoary p. 13
  • Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ny Fiainan’i Samoela?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ny Fiainan’i Samoela?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Samoela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nampandroso ny Fivavahana Marina i Samoela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • “Nihalehibe teo Anatrehan’i Jehovah” Izy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Nanompo An’i Jehovah Foana Izy
    Tahafo ny Finoan’izy Ireo
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2022
mwb22 Janoary p. 13
Sary natambatra: Sary avy amin’ilay video hoe “Mianara Amin’izy Ireo: Samoela.” 1. Nomena. 2. Samoela kely.

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Inona no Azonao Ianarana avy Amin’ny Fiainan’i Samoela?

Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Samoela nandritra ny androm-piainany. Tsy mba ratsy toetra hoatran’i Hofinia sy Finehasa zanak’i Ely izy tamin’ny mbola kely. (1Sa 2:22-26) Nanampy an’i Samoela foana i Jehovah rehefa nihalehibe izy. (1Sa 3:19) Mbola nanompo an’i Jehovah foana izy rehefa antitra, na dia tsy mba nanao hoatr’azy aza ny zanany lahy.—1Sa 8:1-5.

Inona no ianarantsika avy amin’i Samoela? Raha tanora ianao, dia matokia hoe fantatr’i Jehovah ny olana atrehinao sy ny fihetseham-ponao. Afaka manampy anao ho be herim-po izy. (Is 41:10, 13) Raha ray na reny ianao ary niala tamin’i Jehovah ny zanakao dia hampahery anao ny tantaran’i Samoela. Tadidio hoe tsy afaka nanery ny zanany efa lehibe mba hanaraka ny fitsipik’i Jehovah izy. Napetrany tamin’i Jehovah ilay olana, dia niezaka ny tsy hivadika mihitsy izy sady nampifaly an’i Jehovah, ilay Rainy any an-danitra. Mety hiverina amin’i Jehovah ihany ny zanakao raha tsy mivadika mihitsy ianao.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIANARA AMIN’IZY IREO: SAMOELA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mianara Amin’izy Ireo: Samoela.” Mitondra kitay eo an-tokotanin’ny tranolay masina i Samoela kely.

    Ahoana no nampisehoan’i Samoela hoe be herim-po izy tamin’izy mbola kely?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mianara Amin’izy Ireo: Samoela.” Miresaka amin’ny zokiny lahy i Nomena satria mody hendry fotsiny ilay zokiny.

    Ahoana no nampisehoan’i Nomena hoe be herim-po izy?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mianara Amin’izy Ireo: Samoela.” Samoela mpaminany tamin’izy efa antitra.

    Nahoana i Samoela no modely tsara tamin’izy efa antitra?

  • Sary avy amin’ilay video hoe “Mianara Amin’izy Ireo: Samoela.” Dada sy maman’i Nomena avy nanao fampirantiana niaraka tamin’i Nomena.

    Ampian’i Jehovah izay miezaka manao ny tsara foana

    Nahoana ny ray aman-drenin’i Nomena no modely tsara?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara