FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Janoary p. 11
  • Miezaha Hahafantatra ny Fomba Fihevitr’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miezaha Hahafantatra ny Fomba Fihevitr’i Jehovah
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Ataovy Mampifaly An’i Jehovah ny Fanapahan-kevitrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Ho Hendry Ianao Raha Mamaky Baiboly Isan’andro
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Ry Ray Aman-dreny, Atoroy ny Zanakareo ny Fomba Hampifaliana An’i Jehovah
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Janoary p. 11
Sary avy amin’ilay video hoe “Tsy Maintsy ‘Mihazakazaka Amim-paharetana’ Isika: Mihinàna Sakafo Mahasalama.” Manao fikarohana i Rebekah dia mampiasa an’ilay bokikely hoe “Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina.”

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miezaha Hahafantatra ny Fomba Fihevitr’i Jehovah

Te hampifaly an’i Jehovah isika amin’izay rehetra ataontsika. (Oh 27:11) Rehefa mandray fanapahan-kevitra àry isika dia mila ampifanarahantsika amin’ny fomba fiheviny izany, na dia tsy misy lalàna mazava tsara aza. Inona no hanampy antsika?

Mianara Baiboly tsy tapaka. Hoatran’ny hoe miaraka amin’i Jehovah ianao isaky ny mamaky Baiboly. Ahoana no hahafantaranao ny fomba fiheviny? Diniho hoe ahoana no nifandraisany tamin’ny vahoakany. Ianaro koa ny tantaran’olona nanao zavatra tsara na ratsy teo imasony. Ny fanahy masina no hampahatsiahy anao izay lesona sy toro lalana sarobidy efa nianaranao tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, rehefa hanapa-kevitra ianao.​—Jn 14:26.

Manaova fikarohana. Rehefa hanapa-kevitra ianao dia eritrereto hoe: ‘Inona ny andinin-teny na tantara ao amin’ny Baiboly afaka manampy ahy hahatakatra ny fomba fihevitr’i Jehovah?’ Mivavaha mba hahazo ny fanampian’i Jehovah. Ampiasao koa ny fitaovana fanaovana fikarohana misy amin’ny fiteninao mba hanampy anao hahita sy hampihatra ny toro lalana mifandray amin’ilay fanapahan-kevitra.​—Sl 25:4.

JEREO ILAY VIDEO HOE TSY MAINTSY ‘MIHAZAKAZAKA AMIM-PAHARETANA’ ISIKA: MIHINÀNA SAKAFO MAHASALAMA. VALIO IRETO AVY EO:

  • Inona avy ny olana natrehin’ilay anabavy tanora?

  • Ahoana no azonao ampiasana ny fitaovana fanaovana fikarohana rehefa sendra olana mitovy amin’izany ianao?

  • Manokana fotoana hanaovana fikarohana sy hianarana samirery isika mba handraisana fanapahan-kevitra tsara. Nahoana no mahasoa antsika ny manao an’izany?​—He 5:13, 14

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara