FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb23 Mey p. 5
  • Vonona ve Ianao Raha Misy Krizy Ara-toe-karena?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona ve Ianao Raha Misy Krizy Ara-toe-karena?
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Mitovitovy Aminy
  • Vonona ve Ianao?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Miezaha ho Vonona Foana Mandritra ny Tapany Farany Amin’ny “Andro Farany”
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2021
  • Josafata
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
mwb23 Mey p. 5

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Vonona ve Ianao Raha Misy Krizy Ara-toe-karena?

Miteraka korontana ara-toe-karena eran-tany ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Tsy mahagaga antsika anefa izany. Fa nahoana? Satria miaina amin’ny tapany farany amin’ny andro farany isika, ary efa nampitandrina antsika ny Baiboly mba tsy hatoky ny “harena tsy azo antoka.” (1Ti 6:17; 2Ti 3:1) Nahoana ny tantaran’i Josafata Mpanjaka no hanampy antsika hiatrika krizy ara-toe-karena?

Nitoky tamin’i Jehovah i Josafata Mpanjaka rehefa nandrahona an-dry zareo ny firenena manodidina. (2Ta 20:9-12) Niomana mialoha koa izy. Nohamafisiny ny tanàna ary nasiany toby miaramila. (2Ta 17:1, 2, 12, 13) Tokony hanao hoatran’i Josafata koa isika, ka hatoky an’i Jehovah sy hanao zavatra mba ho vonona hiatrika zava-tsarotra.

INONA NO AZONTSIKA ATAO MBA HO VONONA REHEFA MISY KRIZY ARA-TOE-KARENA?

Hatanjaho ny fifandraisanao amin’i Jehovah: Mifalia amin’izay anananao, dia miezaha hatoky kokoa hoe ho vitan’i Jehovah ny hanome an’izay zavatra ilainao isan’andro. (Mt 6:26; 1Ti 6:8) Aza manaiky handika ny toro lalan’ny Baiboly mihitsy rehefa miezaka hahazo an’ireo zavatra ireo ianao. (Ro 2:21) Eritrereto hoe ahoana no fomba hahazoanao sakafo ara-panahy raha tapaka ny jiro na ny Internet. Mifidiana boky sy gazety vita pirinty, dia tehirizo ilay izy. Raha azo atao koa, dia alaivo mialoha amin’ny endrika elektronika ny boky sy gazety.

Fiomanana hafa: Ahenao ny trosa sy ny fividianana zavatra tsy dia ilaina, dieny mbola tsisy ny krizy. (Oh 22:7) Raha mety, dia manangòna sakafo araka ny antonony sy zavatra hafa tena ilaina. Mety hisy hanapa-kevitra hoe hamboly legioma mba hitsitsiana vola.

JEREO ILAY VIDEO HOE VONONA VE IANAO RAHA MISY LOZA MITRANGA? VALIO IRETO AVY EO:

Sary avy amin’ilay video hoe “Vonona ve Ianao Raha Misy Loza Mitranga?” Sarina Baiboly, telefaonina sy kitapo misy an’izay ilaina, ary mpanao fanorenana.
  • Inona no azonao atao mba ho vonona rehefa misy loza mitranga?

Sary avy amin’ilay video hoe “Vonona ve Ianao Raha Misy Loza Mitranga?” Rahalahy manampy tra-boina: Misy manao fanorenana, dia misy mibata entana avy ao anaty kamiao.
  • Inona no azonao atao mba ho vonona hanampy ny hafa?

TANJONA

Avereno dinihina ilay Mifohaza! No. 1 2022, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana. Resadresaho koa ny zavatra hafa azonareo atao mba ho vonona rehefa mitranga ny loza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara