FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w20 Mey p. 8-11
  • Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’ny Fotoanan’ny Farany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Mampahafantatra “ny Zavatra Hitranga Tsy ho Ela” i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Iza no “Mpanjakan’ny Avaratra” Amin’izao Andro Izao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Fizarana 8: Madiva hifarana ny fitanjozotran’ireo herim-panjakana naharitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
w20 Mey p. 8-11

Mpanjaka Roa Miady Mandritra ny Fotoanan’ny Farany

Mitovy ny fotoana itrangan’ny faminaniana sasany voaresaka ato. Asehon’ireo faminaniana rehetra ireo hoe miaina amin’ny “fotoanan’ny farany” isika.—Dan. 12:4.

Tabilao mampiseho hoe iza no mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo nanomboka tamin’ny 1870 ka hatramin’izao.
  • Tabilao voalohany: Mampiseho faminaniana miara-tanteraka mandritra ny fotoanan’ny farany, nanomboka tamin’ny 1870 teo ho eo ka hatramin’ny 1918. Nanomboka tamin’ny 1914 ny fotoanan’ny farany. Faminaniana voalohany: Misy bibidia manana loha fito mipoitra alohan’ilay daty voalohany eo amin’ilay tabilao. Naratra ny loha fahafiton’io bibidia io nandritra ny Ady Lehibe 1. Sitrana ilay loha fahafito nanomboka tamin’ny 1917, dia lasa natanjaka indray ilay bibidia. Faminaniana faha-2: Lasa nisy mpanjakan’ny avaratra sy mpanjakan’ny atsimo indray nanomboka tamin’ny 1870. Tamin’ny 1871 no nipoitra indray ny mpanjakan’ny avaratra, ary i Alemaina izy io. I Grande-Bretagne no mpanjakan’ny atsimo tamin’ny voalohany. Lasa ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina indray izy io nanomboka tamin’ny 1917. Faminaniana faha-3: Lasa fantatra hoe i Russell sy ny namany no ‘iraka hikarakara ny lalana’, nanomboka tamin’ny 1870. Nampirisika ny mpamaky hitory ny vaovao tsara ‘Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona’ (anglisy) nanomboka tamin’ny 1881. Faminaniana faha-4: Nanomboka tamin’ny 1914 ny fotoam-pijinjana. Avahana ny tsimparifary sy ny vary. Faminaniana faha-5: Nipoitra ny tongotra vy sy tanimanga nanomboka tamin’ny 1917. Hita eo amin’ny sary koa ireto: Zava-nitranga eran-tany nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918: Ady Lehibe I. Zava-nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah: Nigadra ny Mpianatra ny Baiboly tany Grande-Bretagne sy Alemaina nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1918. Nigadra koa ny rahalahy sasany tany amin’ny foibe tany Etazonia tamin’ny 1918.
    Faminaniana voalohany.

    Andinin-teny: Apok. 11:7; 12:13, 17; 13:1-8, 12

    Faminaniana: Mifehy ny olona eran-tany mandritra ny an’arivony taona ilay “bibidia.” Maratra ny loha fahafiton’izy io mandritra ny fotoanan’ny farany. Sitrana anefa ilay izy tatỳ aoriana, dia manaraka an’ilay bibidia “ny tany manontolo.” Mampiasa an’ilay bibidia i Satana mba hiadiana amin’ny sisa amin’ny taranak’ilay vehivavy.

    Fahatanterahany: Lasa nisy fitondram-panjakana nanohitra an’i Jehovah taorian’ny Safodrano. Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nipoitra ny fitondram-panjakan’i Grande-Bretagne. Nahery be izy io, nefa nihena ny heriny nandritra ny Ady Lehibe I. Lasa natanjaka indray anefa izy rehefa nitambatra taminy i Etazonia. Mampiasa ny fitondram-panjakana rehetra eran-tany i Satana mba hanenjehana ny vahoakan’Andriamanitra, indrindra amin’ny fotoanan’ny farany.

  • Faminaniana faha-2.

    Andinin-teny: Dan. 11:25-45

    Faminaniana: Mifaninana mba hahazo fahefana ny mpanjakan’ny avaratra sy ny mpanjakan’ny atsimo.

    Fahatanterahany: Miady amin’i Grande-Bretagne sy Etazonia i Alemaina. Ny Firaisana Sovietika sy ny mpanohana azy no lasa mpanjakan’ny avaratra tamin’ny 1945. Rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991, ka i Rosia sy ny mpanohana azy no lasa mpanjakan’ny avaratra tatỳ aoriana.

  • Faminaniana faha-3.

    Andinin-teny: Isaia 61:1; Mal. 3:1; Lioka 4:18

    Faminaniana: Handefa ‘iraka’ i Jehovah mba “hikarakara ny lalana”, alohan’ny hiorenan’ny Fanjakan’ny Mesia. Hanomboka “hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra” io iraka io.

    Fahatanterahany: Niezaka mafy i Russell sy ny namany nanomboka tamin’ny 1870 mba hanazava ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Nohamafisin’izy ireo nanomboka tamin’ny 1881 hoe tena mila mitory ny mpanompon’Andriamanitra. Namoaka lahatsoratra momba an’izany ry zareo, ohatra hoe “Mitady Mpitory 1000” sy hoe “Voahosotra Hitory.”

  • Faminaniana faha-4.

    Andinin-teny: Mat. 13:24-30, 36-43

    Faminaniana: Mamafy voa eny amin’ny tanimbariny ny lehilahy iray. Misy fahavalo mamafy tsimparifary koa anefa ao. Avela hiaraka haniry ny vary sy ny tsimparifary, dia rakotry ny tsimparifary ny vary. Avahana izy ireo rehefa tonga ny fijinjana.

    Fahatanterahany: Lasa niharihary tsikelikely hoe iza no tena Kristianina nanomboka tamin’ny 1870. Mandritra ny fotoanan’ny farany, dia angonina ry zareo ary avahana amin’ny Kristianina sandoka.

  • Faminaniana faha-5.

    Andinin-teny: Dan. 2:31-33, 41-43

    Faminaniana: Manana tongotra vy sy tanimanga ny sarivongana lehibe iray vita amin’ny metaly samihafa.

    Fahatanterahany: Olon-tsotra eo ambany fahefan’i Grande-Bretagne sy Etazonia ilay hoe tanimanga, saingy manohitra ny fitondrana izy ireo. Tsy matanjaka hoatran’ny vy i Grande-Bretagne sy Etazonia, noho ny ataon’ireo olona ireo.

  • Tabilao faha-2: Mampiseho faminaniana miara-tanteraka mandritra ny fotoanan’ny farany, nanomboka tamin’ny 1919 teo ho eo ka hatramin’ny 1945. I Alemaina no mpanjakan’ny avaratra hatramin’ny 1945. Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no mpanjakan’ny atsimo. Faminaniana faha-6: Nangonina ho anisan’ny fiangonan’ny tena Kristianina ny voahosotra, tamin’ny 1919. Vao mainka nazoto nitory ny mpanompon’i Jehovah nanomboka tamin’ny 1919. Faminaniana faha-7: Naorina ny Fikambanam-pirenena tamin’ny 1920, ary rava rehefa nanomboka ny Ady Lehibe II. Hita eo amin’ny sary koa ireto: Ilay bibidia manana loha fito tao amin’ilay faminaniana voalohany. Ny tongotra vy sy tanimanga tao amin’ilay faminaniana faha-5. Zava-nitranga eran-tany nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945: Ady Lehibe II. Zava-nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah: Vavolombelon’i Jehovah 11 000 mahery no nigadra tany Alemaina, nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945. Efa ho 1 600 ny Vavolombelon’i Jehovah nigadra tany Grande-Bretagne nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1945. In-2 500 mahery ny Vavolombelona tany Etazonia no notafihin’ny vahoaka tezitra be, nanomboka tamin’ny 1940 ka hatramin’ny 1944.
    Faminaniana faha-6.

    Andinin-teny: Mat. 13:30; 24:14, 45; 28:19, 20

    Faminaniana: Angonina ho ao amin’ny ‘trano fitehirizana vokatra’ ny “vary”, ary voatendry hikarakara ny ‘mpanompo ao an-trano’ ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Manomboka torina ‘maneran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.’

    Fahatanterahany: Voatendry hikarakara ny vahoakan’Andriamanitra ilay mpanompo mendri-pitokisana, tamin’ny 1919. Vao mainka nazoto nitory ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka tamin’izay. Mitory any amin’ny tany 200 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah izao, ary mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 1000 mahery.

  • Faminaniana faha-7.

    Andinin-teny: Dan. 12:11; Apok. 13:11, 14, 15

    Faminaniana: Misy bibidia manana tandroka roa mitaona ny olona hanao “sarin’ilay bibidia” manana loha fito. Omen’ilay bibidia “fofonaina” ilay sary.

    Fahatanterahany: Natsangana ny Fikambanam-pirenena, ary nandray anjara betsaka tamin’izany ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Nanohana an’ilay fikambanana koa ny firenena hafa. Niditra ho anisan’izy io ny mpanjakan’ny avaratra, saingy tamin’ny 1926 ka hatramin’ny 1933 ihany. Nantenain’ny olona hampisy fandriampahalemana ilay fikambanana, nefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hahavita an’izany. Izany koa no antenain’ny olona hoe hataon’ny Firenena Mikambana (ONU).

  • Tabilao faha-3: Mampiseho faminaniana miara-tanteraka mandritra ny fotoanan’ny farany, nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1991. Ny Firaisana Sovietika sy ny mpanohana azy no lasa mpanjakan’ny avaratra hatramin’ny 1991, dia avy eo i Rosia sy ny mpanohana azy. Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no mpanjakan’ny atsimo. Faminaniana faha-8: Setroka avy amin’ny baomba ataomika, mampiseho hoe nandravarava be ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Faminaniana faha-9: Naorina ny Firenena Mikambana tamin’ny 1945, ary izy io no lasa solon’ny Fikambanam-pirenena. Hita eo amin’ny sary koa ireto: Ilay bibidia manana loha fito tao amin’ilay faminaniana voalohany. Ny tongotra vy sy tanimanga tao amin’ilay faminaniana faha-5. Mifandray amin’ny faminaniana faha-6: Nisy mpitory 156 000 mahery tamin’ny 1945, ary maherin’ny 4 278 000 ny mpitory tamin’ny 1991. Zava-nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah: Vavolombelona an’arivony tany amin’ny Firaisana Sovietika no natao sesitany tany Siberia nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’ny 1951.
    Faminaniana faha-8.

    Andinin-teny: Dan. 8:23, 24

    Faminaniana: “Hahatonga faharavana tanteraka” ny mpanjaka iray masiaka endrika.

    Fahatanterahany: Nandravarava sy namono olona be dia be ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina. Nanjera baomba ataomika roa tany amin’ny firenena iray, ohatra, i Etazonia nandritra ny Ady Lehibe II, ary voa mafy tsy nisy hoatr’izany ilay firenena. Fahavalon’i Etazonia sy Grande-Bretagne izy io.

  • Faminaniana faha-9.

    Andinin-teny: Dan. 11:31; Apok. 17:3, 7-11

    Faminaniana: Misy “bibidia mena midorehitra” manana tandroka folo mivoaka avy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka. Antsoina hoe mpanjaka laharana fahavalo koa izy io, fa “zava-maharikoriko mahatonga faharavana” kosa no iantsoana azy ao amin’ny bokin’i Daniela.

    Fahatanterahany: Tsy nanao na inona na inona ny Fikambanam-pirenena nandritra ny Ady Lehibe II. ‘Natsangana’ anefa ny ONU taorian’ny ady. Hoatran’ny tamin’ny Fikambanam-pirenena ihany, dia manantena ny olona hoe hampisy fandriampahalemana ny ONU, nefa ny Fanjakan’Andriamanitra no hahavita an’izany. Hanafika ny fivavahana ny ONU.

  • Tabilao faha-4: Mampiseho faminaniana miara-tanteraka mandritra ny fotoanan’ny farany, manomboka amin’izao andro izao ka hatramin’ny Hara-magedona. I Rosia sy ny mpanohana azy no mpanjakan’ny avaratra. Ny Firenena Matanjaka Anglisy-Amerikanina no mpanjakan’ny atsimo. Faminaniana faha-10: Hilaza ny mpitondra fanjakana hoe ‘fandriampahalemana sy filaminana’, dia hanomboka ny fahoriana lehibe avy eo. Faminaniana faha-11: Hanafika ny fivavahan-diso ireo firenena. Faminaniana faha-12: Hanafika ny vahoakan’i Jehovah ny fitondram-panjakana eran-tany. Hangonina ho any an-danitra ireo voahosotra mbola eto an-tany. Faminaniana faha-13: Hara-magedona. Mamita ny fandreseny ilay mitaingina soavaly fotsy. Ringana ilay bibidia manana loha fito, ary nisy vato namely an’ilay sarivongana teo amin’ny tongony vy sy tanimanga. Hita eo amin’ny sary koa ireto: Eo foana ilay bibidia manana loha fito tao amin’ilay faminaniana voalohany, hatramin’ny Hara-magedona. Eo foana ny tongotra vy sy tanimanga tao amin’ilay faminaniana faha-5, hatramin’ny Hara-magedona. Mifandray amin’ny faminaniana faha-6: Maherin’ny 8 680 000 ny mpitory amin’izao. Zava-nitranga tamin’ny mpanompon’i Jehovah: Nogadrain’ny manam-pahefana rosianina ny Vavolombelona sasany ary nalainy ny tranon’ny sampana, tamin’ny 2017.
    Faminaniana faha-10 sy faha-11.

    Andinin-teny: 1 Tes. 5:3; Apok. 17:16

    Faminaniana: Hilaza hoe “fandriampahalemana sy filaminana” ireo firenena. Hanafika an’ilay “mpivaro-tena” ireo “tandroka folo” sy ilay “bibidia”, ka handringana azy. Ho ringana daholo ireo firenena aorian’izay.

    Fahatanterahany: Hilaza ireo firenena hoe nahavita nampisy fandriampahalemana sy filaminana izy ireo. Handringana ny fivavahan-diso ny firenena manohana ny ONU avy eo. Izay no ho fiandohan’ny fahoriana lehibe. Horinganina daholo ity tontolo ity amin’ny Hara-magedona, ary izay no hamarana ny fahoriana lehibe.

  • Faminaniana faha-12.

    Andinin-teny: Ezek. 38:11, 14-17; Mat. 24:31

    Faminaniana: Hamely ny tany misy ny vahoakan’Andriamanitra i Goga, dia hanangona ny ‘olom-boafidy’ ny anjely.

    Fahatanterahany: Hanafika ny vahoakan’Andriamanitra ny mpanjakan’ny avaratra sy ny fitondram-panjakana hafa eran-tany. Hangonina ho any an-danitra ny voahosotra mbola eto an-tany, aorian’ny fanombohan’io fanafihana io.

  • Faminaniana faha-13.

    Andinin-teny: Ezek. 38:18-23; Dan. 2:34, 35, 44, 45; Apok. 6:2; 16:14, 16; 17:14; 19:20

    Faminaniana: Hamita ‘ny fandreseny ilay mitaingina soavaly fotsy’, rehefa handringana an’i Goga sy ny tafiny. ‘Hatsipy any amin’ny farihy afo ilay bibidia’, ary hopotehina ilay sarivongana lehibe.

    Fahatanterahany: Hanavotra ny vahoakan’Andriamanitra i Jesosy, ilay Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Handringana an’ireo firenena rehetra manafika ny vahoakan’Andriamanitra i Jesosy sy ireo 144 000 ary ny tafik’anjely. Ho foana tanteraka ny tontolon’i Satana amin’izay.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara