FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 1 p. 8-9
  • Nahoana no Tsy Misy Valiny ny Vavaka Sasany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Tsy Misy Valiny ny Vavaka Sasany?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Ny fomba hahitana fanampiana amin’ny alalan’ny vavaka
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Ny Vavaka Ataon’iza no Mahazo Valiny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 1 p. 8-9

Nahoana no Tsy Misy Valiny ny Vavaka Sasany?

Tian’i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra, ny mihaino ny vavaka avy amin’ny fo ataontsika. Misy antony anefa matoa izy tsy mamaly ny vavaka sasany. Inona izany, ary inona no tokony hotadidintsika rehefa mivavaka isika? Ireto misy torolalana vitsivitsy avy ao amin’ny Baiboly.

Olona any am-piangonana mamaky vavaka avy ao anaty bokim-bavaka.

“Rehefa mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina zavatra mitovy foana.”​—Matio 6:7.

Tsy tian’i Jehovah hanao vavaka tsianjery isika, na hamaky an’izany avy ao anaty bokim-bavaka. Tiany kosa raha izay tena ao am-pontsika no resahintsika aminy. Tsy ho sorena ve ianao raha zavatra mitovy foana no resahin’ny namanao aminao isan’andro? Mifamboraka ny ao am-po ny tena mpinamana. Raha izay tena tsapantsika koa no resahintsika amin’ilay Raintsika any an-danitra, dia asehontsika hoe tena namantsika izy.

Lehilahy iray mikiky karatra filokana sady miandrandra ny lanitra.

“Rehefa tena mangataka ianareo dia tsy mahazo, satria ratsy ny antony angatahanareo.”​—Jakoba 4:3.

Mazava ho azy fa tsy hamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra, raha zavatra andrarany na tsy tiany no angatahintsika. Ahoana, ohatra, raha miloka ny olona iray, dia mangataka fanampiana amin’Andriamanitra mba ho tsara vintana? Hamaly ny vavaka hoatr’izany ve i Jehovah? Tsia. Efa nilaza mantsy izy hoe tsy tokony ho tia vola isika, na hino zavatra tsy tena misy toy ny vintana. (Isaia 65:11; Lioka 12:15) Raha tiantsika hamaly ny vavaka ataontsika àry Andriamanitra, dia tokony hifanaraka amin’izay lazainy ao amin’ny Baiboly ny fangatahantsika.

Mpitondra fivavahana mivavaka ho an’ny miaramila vitsivitsy.

“Izay tsy mety mihaino ny lalàna, na ny vavaka ataony aza maharikoriko.”​—Ohabolana 28:9.

Tsy namaly ny vavaka nataon’ireo olona tsy nankatò ny lalàny Andriamanitra fahiny. (Isaia 1:15, 16) Mbola tsy niova izy. (Malakia 3:6) Raha tiantsika hamaly ny vavaka ataontsika izy, dia tsy maintsy miezaka mankatò ny lalàny isika. Ahoana anefa raha nanao zavatra tsy nety isika taloha? Hamela antsika i Jehovah raha miova isika ary miezaka mampifaly azy. Hihaino antsika indray izy amin’izay.​—Asan’ny Apostoly 3:19.

“Izay manatona [an’Andriamanitra] dia tsy maintsy mino hoe misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady mafy azy.”​—Hebreo 11:6.

Vehivavy iray mamaky Baiboly.

Tsy natao hanamaivanana antsika fotsiny ny vavaka rehefa miady saina isika. Fomba iray ampisehoantsika ny finoantsika izy io sady anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nilaza i Jakoba mpianatra fa tokony “hangataka amim-pinoana foana” isika, raha tsy izany dia “tsy tokony hanantena hahazo na inona na inona avy amin’i Jehovah.” (Jakoba 1:6, 7) Raha te hino an’Andriamanitra isika dia mila mianatra Baiboly. Hahafantatra azy isika amin’izay, hahalala ny sitrapony, ary hatoky hoe mihaino ny vavaka ataontsika izy.

AZA KIVY!

Na dia tsy mamaly ny vavaka sasany aza Andriamanitra, dia tena mihaino sy mamaly ny vavaka ataon’ny olona an-tapitrisany izy. Miresaka ny zavatra tokony hataonao ny Baiboly, raha tianao hampifaly an’Andriamanitra ny vavaka ataonao. Manazava an’izany ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara