FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp21 No. 1 p. 14-15
  • Inona ny Soa Raisinao Rehefa Mivavaka Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona ny Soa Raisinao Rehefa Mivavaka Ianao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena Manampy Anao ve ny Vavaka?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Manatòna An’Andriamanitra Amin’ny Alalan’ny Vavaka
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Sambatra Isika fa Afaka Mivavaka
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Manampy Anao ho Akaiky An’Andriamanitra ny Vavaka
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2021
wp21 No. 1 p. 14-15

Inona ny Soa Raisinao Rehefa Mivavaka Ianao?

Narary mafy i Pamela, dia nanatona mpitsabo matihanina. Nivavaka tamin’Andriamanitra koa anefa izy, mba hahazo hery hiatrehana an’ilay izy. Nanampy azy ve ny vavaka?

Hoy i Pamela: “Voan’ny kansera aho, dia natahotra be rehefa niatrika an’ilay fitsaboana. Rehefa nivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra anefa aho, dia lasa tony sady tsy natahotra be intsony. Mbola manaintaina ny vatako, nefa manampy ahy hifantoka amin’ny zavatra tsara ny vavaka. Rehefa manontany ny fahasalamako ny olona, dia izao no avaliko: ‘Mbola marary aho, fa matanja-tsaina!’”

Tsy voatery hiandry hoe manana olana ngezabe isika vao hivavaka. Miatrika zava-tsarotra daholo isika, na kely ilay izy na lehibe, ary matetika isika no mahatsapa hoe mila fanampiana mba hiatrehana azy ireny. Afaka manampy ve ny vavaka?

Hoy ny Salamo 55:22: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa hanohana anao izy. Tsy havelany hianjera mihitsy ny olo-marina.” Tena mampahery izany e? Nahoana àry no manampy anao ny vavaka? Rehefa mivavaka amin’Andriamanitra araka ny sitrapony ianao, dia omeny anao izay ilainao mba hiatrehana ny olana mahazo anao. Jereo ilay efajoro hoe “Inona ny Soa ho Azonao Raha Mivavaka Ianao?”

Inona ny Soa ho Azonao Raha Mivavaka Ianao?

Hilamin-tsaina

Ilay mpandraharaha very asa tany aloha. Falifaly izy eny an-dalana ary mitraka tsara.

“Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo. ... Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra lavitra noho izay rehetra takatry ny sain’olombelona, no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” (Filipianina 4:6, 7) Hanampy anao Andriamanitra rehefa resahinao aminy ny zavatra mampanahy anao. Ho tony ianao na dia miady saina aza, ary tsy hanaonao foana.

Hahazo fahendrena

Ilay vehivavy namaky vavaka avy tao anaty bokim-bavaka, mamaky Baiboly ao an-tranony.

“Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, dia aoka izy hangataka an’izany foana amin’Andriamanitra, satria malala-tanana amin’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5) Tsy mahay manapa-kevitra isika matetika rehefa ao anatin’ny sarotra. Raha mangataka fahendrena amin’Andriamanitra anefa isika, dia hampahatsiahiviny antsika ireo torolalana mahasoa ao amin’ny Teniny, dia ny Baiboly.

Hahazo hery sy fampiononana

Ilay mpivady tany amin’ny hopitaly. Mitsangantsangana eny an-jaridaina ry zareo. Manampy an’ilay vadiny hamindra ilay lehilahy.

“Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Andriamanitra mahery indrindra i Jehovah, ka afaka manome hery anao na manohana anao rehefa tojo zava-tsarotra ianao. (Isaia 40:29) Milaza koa ny Baiboly hoe “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” i Jehovah. Afaka mampionona antsika amin’ny “fahoriana rehetra mahazo antsika” izy.​—2 Korintianina 1:3, 4.

TIANAO VE NY HANDRAY SOA?

Tsy manery anao hivavaka aminy i Jehovah. Manasa anao hanao an’izany kosa izy. (Jeremia 29:11, 12) Ahoana anefa raha efa nisy zavatra nangatahinao, nefa hoatran’ny hoe tsy namaly anao izy? Aza kivy. Diniho izao: Ahoana raha mangataka fanampiana amin’ny mpivady iray ny zanany? Mety tsy hifanaraka tanteraka amin’ny eritreritr’ilay zanany ny zavatra ataon’izy mivady, na tsy ataony amin’ny fotoana eritreretin’ilay zaza. Nahita hevitra tsara kokoa angamba izy ireo. Azo antoka anefa hoe manampy ny zanany ny ray aman-dreny be fitiavana.

Te hanampy anao koa i Jehovah Andriamanitra, ilay ray be fitiavana indrindra. Raha miezaka mampihatra ny torohevitra nomena tato ianao, dia hamaly ny vavaka ataonao izy, ary ny valim-bavaka tsara indrindra no homeny anao.​—Salamo 34:15; Matio 7:7-11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara