FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w21 Oktobra p. 29-31
  • 1921: Zato Taona Lasa Izay

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 1921: Zato Taona Lasa Izay
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • TSY NATAHOTRA NITORY RY ZAREO
  • FIANARANA SAMIRERY SY FIANARAM-PIANAKAVIANA
  • NISY BOKY VAOVAO NAVOAKA
  • MBOLA BETSAKA NY ASA NIANDRY
  • Tahin’i Jehovah Izay Manaiky ny Asa Ampanaoviny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • 1922: Zato Taona Lasa Izay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Mahaiza Mifidy dia ho Sambatra Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Fitoriana Ampahibemaso sy Isan-trano
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
w21 Oktobra p. 29-31

1921 Zato Taona Lasa Izay

IZAO no nanontaniana ny Mpianatra ny Baiboly tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1921: “Inona no asa miandry antsika amin’ity taona ity?” Nampahatsiahivina azy ireo fa manana andraikitra hitory ry zareo, araka ny Isaia 61:1, 2 hoe: ‘Nanosotra ahy hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra i Jehovah, [ary] hanambara ny taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana sy ny andro famalian’Andriamanitsika.’

TSY NATAHOTRA NITORY RY ZAREO

Tena nila herim-po ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy nirahina hilaza “vaovao tsara” amin’ny mpandefitra fotsiny mantsy ry zareo, fa nirahina hampitandrina ny ratsy fanahy koa hoe ho avy “ny andro famalian’Andriamanitsika.”

Sahy nitory ny rahalahy iray tany Kanada, na dia nisy nanohitra aza. J. Hoskin no anarany. Nihaona tamina mpitondra fivavahana metodista izy tamin’ny taona 1921. Hoatr’izao no nanombohany ny resaka: “Tokony hahafinaritra ny fiarahantsika midinika ny Soratra Masina, ary na misy tsy ifanarahana aza dia afaka samy mitazona ny heviny fa mpinamana foana ihany.” Hoy ihany anefa ny Rahalahy Hoskin: “Vao minitra vitsivitsy fotsiny izahay no niresaka, dia tezitra be izy sady nakaratony ny varavarana! Noheveriko fa hilatsaka mihitsy ilay fitaratra be tamin’ilay izy.”

Nivazavaza be ilay mpitondra fivavahana hoe: “Mandehana any amin’ireny tsy mpivavaka ireny!” Nifehy tena ny Rahalahy Hoskin dia tsy namaly. Sady niala anefa izy no nieritreritra hoe: ‘Ianao aza hoatran’ny tsy mpivavaka mihitsy!’

Mbola nanaratsy azy ihany ilay mpitondra fivavahana ny ampitson’iny rehefa nanao toriteny. Hoy i Hoskin: “Nampitandrina ny mpivavaka tao aminy izy hoe mbola tsy nisy mpamitaka hoatr’ahy mihitsy, hono, tao amin’ilay tanàna dia tokony hovonoina ho faty aho.” Tsy nampihontsina ny Rahalahy Hoskin anefa izany. Nitory foana izy sady nahita vokatra tsara. Hoy izy: “Mbola tsy nahafinaritra ahy hoatr’izany mihitsy ny nitory tao. Misy olona sasany aza nilaza hoe: ‘Fantatro fa olon’Andriamanitra ianao!’ Niteny koa ry zareo hoe sao dia misy azony anampiana ahy, amin’izay izaho mba tsy ory na inona na inona.”

FIANARANA SAMIRERY SY FIANARAM-PIANAKAVIANA

Nisy lahatsoratra fianarana Baiboly navoaka tao amin’ny gazety Fotoam-pahasambaranaa mba hanampiana ny olona liana handroso. Anisan’izany ilay hoe Fianarana Baiboly ho An’ny Tanora. Natao hodinihin’ny ray aman-dreny miaraka amin’ny zanany izy io. Nampirisihina ry zareo mba hamaky ny fanontaniana amin’ny zanany, ary hanampy azy ireo hahita ny valiny ao amin’ny Baiboly. Natao hanampiana ny tanora hahafantatra zavatra tsotsotra ny fanontaniana sasany, ohatra hoe: “Firy ny boky ao amin’ny Baiboly?” Misy indray natao hanampiana azy ireo ho sahy hitory, ohatra hoe: “Ny tena Kristianina rehetra ve no tokony hanampo hoe henjehina?”

Misy lahatsoratra hafa natao ho an’izay efa nahay Baiboly kokoa. Nandrisika ny mpamaky hisaintsaina ny fanontaniana tao amin’izy ireny, ary tao amin’ny boky voalohany tamin’ilay hoe Fianarana ny Soratra Masina (anglisy) ny valiny. An’arivony no nandray soa tamin’ireny lahatsoratra ireny. Nilaza anefa ny gazety Fotoam-pahasambarana 21 Desambra 1921 hoe tsy hisy intsony ireo lahatsoratra roa ireo. Inona no nahatonga an’izany fiovana tampoka izany?

NISY BOKY VAOVAO NAVOAKA

Ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra

Fanamarihana pejy misy ny vakiteny tokony hatao

Karta kely misy fanontaniana

Hitan’ireo nitarika ny fandaminana hoe tokony hirindra kokoa ny fomba fianarana ny fahamarinana fototra. Navoaka tamin’ny Novambra 1921 àry ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra (frantsay). Nandefasana fomba fianarana Baiboly samirery izay olona liana nandray azy io. Nanampy azy ireo izany mba hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra hoe hanampy ny olona hiaina mandrakizay.

Nomena karta kely iray ny olona nandray an’ilay boky. Voasoratra tao amin’ilay izy hoe pejy fahafiry no tokony hovakiny. Nomena karta kely hafa izy ny herinandro manaraka, dia fanontaniana momba an’izay novakiny no nisoratra tao. Voasoratra tamin’ny faran’iny karta iny hoe pejy fahafiry indray no tokony hovakiny aorian’izay.

Nahazo karta vaovao foana ilay olona isan-kerinandro, nandritra ny telo volana. Ny fiangonana teo akaiky teo no nandefa an’ilay izy tamin’ny paositra. Ny mpitory be taona na tsy afaka nivoaka ny trano matetika no nikarakara an’ireny karta ireny. Nandray soa tamin’izany i Thayle, rahavavin’i Anna Gardner, anabavy avy any Millvale, any Etazonia. Tsy dia afaka nandeha an-tongotra firy mantsy i Thayle. Nitantara i Anna hoe: “Lasa afaka nanompo bebe kokoa ny rahavaviko rehefa nivoaka ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra. Nikarakara an’ireny karta kely nisy fanontaniana ireny mantsy izy.” Rehefa vita hatramin’ny farany ilay fianarana, dia nisy mpitory nitsidika an’ilay olona mba hanampy azy hianatra bebe kokoa momba ny Baiboly.

Thayle Gardner, eo ambonin’ny seza misy kodiarana

MBOLA BETSAKA NY ASA NIANDRY

Nanoratra ho an’ny fiangonana rehetra ny Rahalahy J. Rutherford rehefa nifarana ny taona. Izao no nosoratany: “Tena betsaka ny fitoriana vitantsika sy ny vokatra tsara azontsika tamin’ity taona ity, ary mihoatra noho ny hatramin’izay izany.” Hoy koa anefa izy: “Mbola betsaka ny asa miandry antsika! Ampirisiho ny hafa mba hanampy antsika amin’io asa mahafinaritra be io.” Hita hoe nanaraka ny teniny ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy natahotra nitory momba an’ilay Fanjakana ry zareo, ka tena niavaka ny zava-bitany tamin’ny 1922.

Namana Be Herim-po!

Tena nifankatia ny Mpianatra ny Baiboly. Nifanampy foana mantsy ry zareo. Namana be herim-po sady “natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana” ry zareo, araka ny ho hitantsika amin’ity tantara ity.​—Ohab. 17:17.

Nisy vonoan’olona nahatsiravina tany Oklahoma, any Etazonia, tamin’ny talata 31 Mey 1921. Tao amin’ny tanànan’i Tulsa ilay izy no nitranga. Nisy lehilahy mainty hoditra nogadraina tamin’izay satria voampanga ho nikasi-tanana vehivavy fotsy hoditra. Taorian’izay dia nisy lehilahy fotsy hoditra 1000 mahery niady tamin’ny lehilahy mainty hoditra vitsivitsy. Niitatra ilay izy ary tonga hatrany Greenwood, tanànan’ny mainty hoditra. Trano sy fivarotana 1400 mahery no norobaina sy nodorana tao amin’io tanàna io. An-jatony angamba no maty tamin’izay, fa 36 no voalazan’ny tatitra ofisialy.

Nipetraka tao Greenwood ny rahalahy mainty hoditra atao hoe Richard Hill. Hoy izy: “Tany am-pivoriana izahay tamin’io hariva nisy rotaka io. Naheno an-kitifitifitra be izahay rehefa nirava. Tany afovoan-tanàna ilay izy. Mbola naheno an’izany izahay na dia rehefa hatory aza.” Niharatsy foana ny tantara. Nisy olona tonga tao amin-dry Rahalahy Hill ny alarobia 1 Jona tamin’ny maraina. Hoy ihany izy: “Niteny taminay ilay olona hoe tokony hankany amin’ny tranom-pokonolona haingana izahay raha te ho voaro.” Nankany amin’ny tranom-pokonolona tao Tulsa àry izy sy ny vadiny ary ny zanany dimy mianadahy. Nisy lehilahy sy vehivavy 3000 teo ho eo tao. Nisy miaramila koa tao nirahin’ny fanjakana hiaro an-dry zareo sy hampitsahatra an’ilay rotaka.

Tena be herim-po ny rahalahy fotsy hoditra atao hoe Arthur Claus. Hoy izy: “Henoko hoe nisy rotaka tany Greenwood, ary betsaka ny olona nandroba sy nandoro trano. Nankany àry aho satria tiako ho fantatra hoe tsy maninona ve ny Rahalahy Hill.” Mpinamana mantsy ry zareo.

Nampianatra ankizy 14 tamin’ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra i Arthur Claus

Nahita lehilahy fotsy hoditra nitondra basy izy rehefa tonga tany amin’ny tranon’ny Rahalahy Hill. Mpiray tanàna tamin-dry Hill izy io sady namany. Noheverin’ilay lehilahy fa mpirotaka anefa i Arthur, dia nitabataba be izy hoe: “Inona no ataonao eo an-tokotanin’olona eo?”

Namaly i Arthur hoe naman’ny Rahalahy Hill izy ary efa imbetsaka no nitsidika azy tao an-tranony. Hoy koa izy: “Soa ihany fa nahafa-po azy ny valin-teniko, fa raha tsy izay angamba aho efa voatifitra!” Nahavita niaro ny tranon’ny Rahalahy Hill izy roa lahy, dia tsy nisy nandroba tao.

Tsy ela taorian’izay dia henon’i Arthur hoe hay tany amin’ny tranom-pokonolona ry Rahalahy Hill. Nilazana i Arthur hoe tsy mahazo miala ao ny mainty hoditra, raha tsy mahazo taratasy avy any amin’ny Jeneraly Barrett. Izy mantsy no niandraikitra an’ilay toerana. Hoy i Arthur: “Sarotra be vao tafaresaka tamin’ilay jeneraly! Rehefa tafahaona izahay, dia nangataka taminy aho mba havela hiala ao amin’ny tranom-pokonolona ry Rahalahy Hill. Izao no navaliny ahy: ‘Ianao izany no hiaro an’io fianakaviana io sy hikarakara an’izay ilainy?’ Mazava ho azy fa nanaiky aho!”

Nentin’i Arthur haingana nankany amin’ny tranom-pokonolona ilay taratasy efa vita sonia, dia nomeny ny tompon’andraikitra. Izao no nolazain’io lehilahy io: “Gaga indray aho hoe ny jeneraly mihitsy no nanao sonia an’ity! Ianao izao no voalohany mamoaka olona avy ato.” Vetivety dia hita ny nisy an-dry Rahalahy Hill. Nisisika tao anatin’ny aotomobilin’i Arthur ry zareo avy eo, dia lasa nody.

“Tsy misy amintsika mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa”

Nentin’i Arthur tany amin’ny toerana azo antoka izy mianakavy. Be fitiavana sy be herim-po izy, ary nisy vokany tsara tamin’ny olon-kafa izany. Izao no notantarainy: “Lasa nanaja kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah ilay mpiray tanàna tamin’ny Rahalahy Hill. Nisy olona maromaro koa lasa liana tamin’ny fahamarinana, rehefa hitany hoe tsy manavakava-bolon-koditra isika ary tsy misy amintsika mihevitra ny tenany ho ambony noho ny hafa.”

a Novana hoe Fampiononana (frantsay) ny anaran’io gazety io tamin’ny 1937, ary lasa hoe Mifohaza! tamin’ny 1946.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara