FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp22 No. 1 p. 8-9
  • 2 | Aza Mamaly Faty

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2 | Aza Mamaly Faty
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampianaran’ny Baiboly:
  • Inona no dikan’izany?
  • Inona no azonao atao?
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny hoe Mamaly Faty?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Mety ve ny Mamaly Faty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Tezi-dava Aho Sady Nahery Setra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Ratsy ve ny Mamaly Faty?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
wp22 No. 1 p. 8-9
Lehilahy roa mipetraka eo amin’ny sampan-kazo roa. Mifanatrika ry zareo sady tezitra be. Samy manatsofa an’ilay sampan-kazo ipetrahany ry zareo.

INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?

2 | Aza Mamaly Faty

Fampianaran’ny Baiboly:

“Aza mamaly ratsy ny ratsy na amin’iza na amin’iza. ... Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra. Aza mamaly faty ... Fa voasoratra hoe: ‘“Ahy ny famaliana, ary izaho no hamaly”, hoy i Jehovah.’”​—ROMANINA 12:17-19.

Inona no dikan’izany?

Ara-dalàna raha tezitra isika rehefa nisy nanao ratsy tamintsika. Na izany aza, dia tsy tian’Andriamanitra hamaly faty isika. Ampirisihiny hiandry azy kosa isika, satria tsy ho ela izy dia hanitsy ny tsy rariny rehetra.​—Salamo 37:7, 10.

Inona no azonao atao?

Rehefa mamaly faty ny olombelona tsy lavorary, dia vao mainka mifankahala ry zareo. Raha nisy olona nandratra ny fonao na nanao ratsy taminao àry, dia aza mamaly faty. Ezaho fehezina ny fihetseham-ponao, dia miezaha ho tony foana. Tsara kokoa aza raha tsy raharahiana fotsiny ilay izy indraindray. (Ohabolana 19:11) Mazava ho azy fa mila anaovana tatitra ny zavatra sasany. Raha niharan’ny heloka bevava, ohatra, ianao, dia mety ho tianao ny hitatitra an’ilay izy any amin’ny polisy na manam-pahefana hafa.

Hoatran’ny mandrora mitsilany ianao raha mamaly faty

Ahoana anefa raha hoatran’ny hoe tsy misy fomba hihavanana mihitsy? Na ahoana raha efa nanao izay rehetra azonao atao ianao mba hihavanana, nefa tsy mety mihitsy ilay izy? Aza mamaly faty, fa tsy hanatsara zavatra izany. Ataovy izay hahatonga anareo hifankatia. Miezaha hatoky hoe mety ny fomba andaminan’Andriamanitra an’ilay olana. “Miantehera aminy, dia hanampy anao izy.”​—Salamo 37:3-5.

Tantara Tena Nisy​—ADRIÁN

Tsy Te Hamaly Faty Intsony Izy

Adrián.

Ankizy nahery setra be i Adrián taloha. Nankahala olona izy sady te hamaly faty foana. Izao no nolazainy: “Nifampitifitra izahay matetika rehefa niady, ka imbetsaka aho no hitan’i Neny nihosin-dra teny an-dalana sady efa saika maty.”

Nanomboka nianatra Baiboly i Adrián tamin’izy 16 taona. Izao no nolazainy: “Rehefa nandeha teny ny fianarako Baiboly, dia tsapako hoe nila niova aho.” Nila niezaka izy mba tsy hankahala olona intsony sy tsy hahery setra intsony. Nianarany tao amin’ny Romanina 12:17-19 hoe tsy tokony hamaly faty isika, ary tena nahasoa azy izany. Izao no teniny: “Lasa nino aho fa hanitsy ny tsy rariny i Jehovah amin’ny fotoana mety aminy. Niova tsikelikely aho, ka nanjary tsy nahery setra intsony.”

Notafihin’ny andian-jatovo fahavalony taloha i Adrián, indray hariva izay. Izao no nolazain’ny lehiben’izy ireo: “Arovy leity ny tenan’ialahy a!” Niaiky i Adrián hoe: ‘Tena te hamely aho tamin’izay.’ Tsy namaly faty anefa izy, fa naleony nanao vavaka fohy tamin’i Jehovah, dia niala teo.

Nitantara koa i Adrián hoe: “Hitako indray ilay lehiben’izy ireo ny ampitson’iny. Sosotra be aho ary te hamaly faty. Nivavaka mangina indray anefa aho, mba hahaizako mifehy tena. Gaga aho fa nanatona ahy izy, ary niteny hoe: ‘Miala tsiny leisy tamin’ilay omaly a. Te ho lasa hoatran’ialahy aho, raha ny marina. Mba te hianatra Baiboly koa aho.’ Faly aho fa nahavita nifehy ny hatezerako, ka lasa nianatra Baiboly koa izy.”

Afaka mahita ny tantaran’i Adrián ianao, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana No. 5 2016, pejy 14-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara