Aiza no Ahitana Tari-dalana Azo Ianteherana Amin’izao?
Miova haingana be ny tontolo misy antsika, dia ahoana no ahazoanao antoka hoe hety tsara ny safidy ataonao? Ahoana koa no ahazoanao antoka fa tsy heverina hoe tsy mety indray rahampitso, ny zavatra noeritreretina hoe mety androany?
Afaka manampy anao handray fanapahan-kevitra tsy hanenenanao mihitsy ny Baiboly. Ahoana no hetezan’izany? Avy amin’ilay Mpamorona antsika izy io, dia fantany hoe inona no tena hahasambatra antsika sy hahatonga antsika tsy hanana ahiahy.
“Efa nolazainy taminao izay tsara.”—Mika 6:8.
Afaka matoky ny fahendrena ao amin’ny Baiboly isika. Azo ampiharina izy io, sady “azo ianteherana foana ..., amin’izao ka hatrany amin’ny mandrakizay.”—Salamo 111:8.
Nahoana raha ianao mihitsy no mandinika hoe ahoana no azon’ny Baiboly anampiana anao eto amin’izao tontolo miovaova izao?