FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Jolay p. 8-13
  • Ahoana no Hanomezana Torohevitra Tsara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Hanomezana Torohevitra Tsara?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • REHEFA MISY MANGATAKA TOROHEVITRA
  • RAHA TSY NANGATAKA TOROHEVITRA ILAY OLONA
  • ATAOVY METY TSARA NY FOTOANA SY NY FOMBA ANOMEZANAO TOROHEVITRA
  • MIEZAHA FOANA HANOME SY HANDRAY TOROHEVITRA
  • Ahoana no Atao Rehefa Mitady Torohevitra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • ‘Antsoy ny Anti-panahy’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • “Mahatonga ny Fo ho Falifaly” ve ny Torohevitra Omenao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • “Henoy ny Tenin’ny Hendry”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Jolay p. 8-13

LAHATSORATRA FIANARANA 29

HIRA 87 Andao Haka Fampaherezana

Ahoana no Hanomezana Torohevitra Tsara?

“Hanoro hevitra anao aho ary hitsinjo anao ny masoko.”​—SAL. 32:8.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no atao raha te hahay hanome torohevitra tsara?

1. Iza no mila manome torohevitra? Hazavao.

AHOANA no fahitanao an’ilay hoe manome torohevitra? Tia manome torohevitra ny olona sasany, fa ny hafa kosa matahotra sady tsy mahazo aina rehefa hanao an’izany. Na ahoana na ahoana, dia misy fotoana isika tsy maintsy hanome torohevitra daholo. Fa maninona? Satria izany no ampisehoantsika hoe tiantsika ny rahalahy sy anabavintsika. Nilaza i Jesosy hoe ny fitiavana no ahafantarana ny tena mpanara-dia azy. (Jaona 13:35) Milaza koa ny Tenin’Andriamanitra hoe lasa “namana mahafinaritra” ny olona iray rehefa “manoro hevitra amim-pahatsorana.”​—Ohab. 27:9.

2. Inona no mila hain’ny anti-panahy, ary nahoana? (Jereo koa ilay hoe “Torohevitra Amin’ny Fivoriana Andavanandro.”)

2 Ny anti-panahy no tena mila mahay manome torohevitra. Notendren’i Jehovah sy Jesosy hikarakara ny ondry ao amin’ny fiangonana mantsy ry zareo. (1 Pet. 5:2, 3) Manao an’izany, ohatra, ny anti-panahy rehefa manao lahateny ka manome torohevitra ara-baiboly ho an’ny fiangonana. Tsy maintsy manome torohevitra ny ondry tsirairay koa ry zareo, anisan’izany ireo niala tamin’ny andiany. Ahoana àry no hanomezan’ny anti-panahy torohevitra tsara, ary ahoana koa no hanaovantsika an’izany?

Mpitari-draharaha amin’ny fivoriana andavanandro mampiasa an’ilay bokikely hoe “Miezaha Hahay Hamaky Teny sy Hampianatra”, rehefa midera sy manome torohevitra mpianatra.

Torohevitra Amin’ny Fivoriana Andavanandro

Manome torohevitra an’ireo manana anjara ny mpitari-draharaha amin’ny fivoriana andavanandro. Jereny hoe ahoana no ampiharan’ilay mpianatra ny lesona takina aminy, mandritra an’ilay anjara.

Manao teny fiderana avy amin’ny fo ilay mpitari-draharaha rehefa vita ilay anjara. Manome torohevitra voafaritra tsara koa izy rehefa ilaina, ary tsara fanahy izy milaza amin’ilay mpianatra hoe inona no mbola tokony hohatsarainy. Tsy ny mpianatra ihany no mandray soa avy amin’ny torohevitra hoatr’izany fa ny fiangonana manontolo koa.​—Ohab. 27:17.

3. a) Inona no hanampy antsika hahay hanome torohevitra? (Isaia 9:6; jereo koa ilay hoe “Tahafo i Jesosy Rehefa Manome Torohevitra.”) b) Inona no hodinihintsika ato?

3 Afaka mianatra avy amin’ny olona sasany resahin’ny Baiboly isika raha te hahay hanome torohevitra. Anisan’ny miavaka amin’izany i Jesosy. Izy izao antsoina hoe “Mpanolo-tsaina Mahagaga.” (Vakio ny Isaia 9:6.) Hodinihintsika ato izay azontsika atao rehefa misy mangataka torohevitra amintsika, sy izay azo atao raha mila manoro hevitra olona isika nefa tsy nangataka an’izany izy. Ho hitantsika koa hoe zava-dehibe ny manome torohevitra amin’ny fotoana mety sy amin’ny fomba mety tsara.

Tahafo i Jesosy Rehefa Manome Torohevitra

Inona avy no mahatonga an’i Jesosy antsoina hoe “Mpanolo-tsaina Mahagaga”, ary ahoana no hanahafantsika azy?

  • Fantatr’i Jesosy izay tokony holazaina. Hainy foana hoe inona no tokony hotenenina, satria niantehitra tamin’ny fahendren’i Jehovah izy rehefa nanome torohevitra fa tsy tamin’ny fahendreny. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy ny hevitro fotsiny no lazaiko aminareo.”​—Jaona 14:10.

    Lesona: Na dia ampy traikefa sy manana fahendrena aza isika, dia tsy maintsy ataontsika azo antoka hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny torohevitra omentsika fa tsy izay ao an-tsaintsika fotsiny.

  • Fantatr’i Jesosy hoe rahoviana izy no tokony hanome torohevitra. Tsy tonga dia indray nolazainy ny mpianany daholo izay nila fantatr’izy ireo. Niandry fotoana mety kosa izy vao nanome torohevitra, ary izay zakan-dry zareo ihany no noteneniny.​—Jaona 16:12.

    Lesona: Rehefa hanoro hevitra isika dia mila miandry ny fotoana mety tsara hitenenana. (Mpito. 3:7) Raha totofantsika fanazavana ilay olona dia mety hikorontan-tsaina sy ho kivy izy. Tsara àry raha izay tena ilainy mba hiatrehany an’ilay olana ihany no lazaintsika aminy.

  • Fantatr’i Jesosy ny fomba tsara hanomezana torohevitra. Imbetsaka i Jesosy no tsy maintsy nanoro hevitra ny apostoliny mba hanetry tena. Tsara fanahy sy nanaja foana anefa izy isaky ny nanao an’izany.​—Mat. 18:1-5.

    Lesona: Na dia tsy maintsy averimberinao amin’ilay olona aza ny torohevitra efa nomenao azy, dia handaitra kokoa ilay izy raha tsara fanahy sy manaja foana ianao.

REHEFA MISY MANGATAKA TOROHEVITRA

4-5. Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika rehefa misy mangataka torohevitra amintsika? Manomeza ohatra.

4 Inona no tokony hataontsika voalohany rehefa misy mangataka torohevitra amintsika? Mety ho faly isika dia tonga dia te hanampy an’ilay olona. Tokony hieritreritra anefa aloha isika hoe: ‘Izaho ve no tsara toerana hanome torohevitra momba an’izany?’ Ny tsara indrindra indraindray dia ny hoe tsy manoro hevitra azy, fa mitady olon-kafa tena afaka manao an’izany.

5 Eritrereto hoe marary mafy ny namanao akaiky. Milaza izy hoe efa nikaroka an’izay fitsaboana azo atao, dia avy eo ianao anontaniany hoe iza no tsara kokoa. Mety hisy fitsaboana tonga dia maharesy lahatra anao. Ianao anefa amin’io tsy hoe dokotera na nianatra momba an’ilay aretina. Dia ahoana izany no ataonao? Ampio izy hitady olona tena afaka manoro hevitra azy. Izany no fomba tsara indrindra anampianao azy.

6. Nahoana no tsara ny miandry kely alohan’ny hanomezana torohevitra?

6 Na mieritreritra aza isika hoe tsara toerana hanome torohevitra olona iray, dia mety hoe mila miandry fotoana kely ihany isika vao mamaly azy. Milaza mantsy ny Ohabolana 15:28 hoe “mieritreritra tsara ny olo-marina vao mamaly.” Ary ahoana raha efa hainao ny valiny? Mila manokana fotoana ihany angamba ianao mba hanaovana fikarohana sy hivavahana ary hisaintsainana. Ho azonao antoka kokoa amin’izay hoe mifanaraka amin’ny fomba fihevitr’i Jehovah ny valin-teninao. Diniho ny ohatr’i Natana mpaminany.

7. Inona no ianaranao avy amin’i Natana mpaminany?

7 Nilaza tamin’i Natana mpaminany i Davida Mpanjaka hoe te hanorina tempoly ho an’i Jehovah izy. Tonga dia nampirisika azy hanao an’ilay izy i Natana. Tokony ho nanontany an’i Jehovah anefa aloha io mpaminany io. Nahoana? Satria tsy i Davida no tian’i Jehovah hanorina an’ilay tempoly. (1 Tan. 17:1-4) Hita avy amin’izany hoe hendry isika raha ‘tsy maimaika hiteny’ rehefa misy mangataka torohevitra amintsika.​—Jak. 1:19.

8. Nahoana koa isika no tokony hitandrina rehefa manome torohevitra?

8 Nahoana koa isika no tokony hitandrina rehefa manome torohevitra? Satria mety ho tompon’andraikitra koa isika raha ratsy ny vokatry ny fanapahan-kevitr’ilay olona, noho ny torohevitra nomentsika. Tena mila mandinika tsara àry isika alohan’ny hanomezana torohevitra.

RAHA TSY NANGATAKA TOROHEVITRA ILAY OLONA

9. Inona no tsy maintsy ataon’ny anti-panahy azo antoka, alohan’ny hanomezany torohevitra? (Galatianina 6:1)

9 Tsy maintsy manoro hevitra ny anti-panahy indraindray rehefa misy mpiara-manompo “manao zavatra tsy mety.” (Vakio ny Galatianina 6:1.) Diso lalana ny olona hoatr’izany dia atahorana hanao fahotana lehibe. Ny hanampy azy handeha foana amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay no tanjon’ny anti-panahy. (Jak. 5:19, 20) Raha tian-dry zareo handaitra anefa ny torohevitra omeny dia mila ataony azo antoka aloha hoe tena nanao zavatra tsy nety tokoa ilay olona. Tsy voatery hoe tsy mety tsinona ny fanapahan-kevitra raisiny, satria fotsiny hoe tsy mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretan’ny anti-panahy. (Rom. 14:1-4) Ahoana anefa raha nanao zavatra tsy nety tokoa ny rahalahy iray, dia hitan’ny anti-panahy hoe tsy maintsy manoro hevitra azy ry zareo?

10-12. Inona no tokony hataon’ny anti-panahy rehefa tsy maintsy manome torohevitra olona iray nefa tsy nangataka an’izany izy? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)

10 Tsy mora ho an’ny anti-panahy ilay hoe manome torohevitra olona iray nefa tsy nangataka an’izany izy. Mety tsy ho fantatr’ilay olona akory mantsy hoe nanao zavatra tsy nety izy, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. Tokony hampian’ny anti-panahy àry aloha ilay olona mba ho vonona handray torohevitra.

11 Azo ampitovina amin’ny hoe miezaka mamboly eo amin’ny tany mafy ilay hoe manome torohevitra olona nefa tsy nangataka an’izany izy. Karakarain’ny mpamboly tsara aloha ilay tany, alohan’ny hamafazany masomboly. Lasa malemy ilay tany dia afaka mamboly amin’izay izy. Tondrahany avy eo ilay voa mba haniry. Tsara koa ny anti-panahy raha mikarakara an’ilay tany an’ohatra, alohan’ny hanomezany torohevitra. Ahoana izany? Miandry fotoana mety tsara, ohatra, izy vao miresaka, dia omeny toky ilay olona hoe tena mitady an’izay hahasoa azy izy. Ho mora kokoa amin’ny hafa ny handray torohevitra avy amin’ny olona malaza hoe be fitiavana sy tsara fanahy.

12 Ataon’ilay anti-panahy izay hampahalemy an’ilay tany rehefa mandeha eo ny resaka. Miaiky izy hoe manao diso daholo isika dia samy mila torohevitra indraindray. (Rom. 3:23) Mampiasa ny Soratra Masina izy mba hampisehoana mazava tsara amin’ilay olona hoe inona no tsy nety nataony. Malefaka sy manaja tsara izy rehefa manao an’izany. Rehefa miaiky ilay olona hoe nanao fahadisoana, dia afaka “mamboly” amin’izay ilay anti-panahy. Hazavainy aminy amin’ny fomba tsotra izay tokony hataony mba hanitsiany an’izay tsy mety. Hoatran’ny hoe “manondraka” an’ilay voa ilay anti-panahy, amin’ny farany, rehefa midera an’ilay olona sy miara-mivavaka aminy.​—Jak. 5:15.

Sary ahitana anti-panahy manome torohevitra rahalahy iray ampitahaina amin’ny tantsaha mamboly eo amin’ny tany mafy. 1) Mikarakara an’ilay tany: Miasa an’ilay tany ilay tantsaha, dia ilay anti-panahy miresaka amin’ilay rahalahy sady tsara fanahy. 2) Mamboly: Mamafy masomboly ilay tantsaha, dia ilay anti-panahy mampiasa Baiboly mba hampisaintsainana an’ilay rahalahy. 3) Manondraka: Manondraka an’ilay voa ilay tantsaha, dia ilay anti-panahy mivavaka miaraka amin’ilay rahalahy.

Mila fitiavana sy fahaizana ilay hoe manome torohevitra olona iray nefa tsy nangataka an’izany izy (Fehintsoratra 10-12)


13. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba ho azo antoka hoe mazava amin’ilay olona ny torohevitra nomena azy?

13 Hafa indraindray ny zavatra lazain’ilay manome torohevitra, nefa hafa no fandraisan’ilay omena torohevitra an’ilay izy. Ahoana no ataon’ny anti-panahy mba tsy hitranga izany? Afaka mametraka fanontaniana mety tsara ry zareo sady manaja, mba ho azo antoka hoe mazava amin’ilay olona ny torohevitra nomena azy.​—Mpito. 12:11.

ATAOVY METY TSARA NY FOTOANA SY NY FOMBA ANOMEZANAO TOROHEVITRA

14. Tokony hanome torohevitra ve isika rehefa tezitra? Hazavao.

14 Tsy lavorary daholo isika dia mety hanao na hilaza zavatra mampalahelo ny hafa. (Kol. 3:13) Milaza ny Baiboly hoe mety hampahatezitra antsika koa ny hafa indraindray. (Efes. 4:26) Tsy tokony hanome torohevitra anefa isika rehefa tezitra. Nahoana? Satria “lasa tsy manao ny marina eo imason’Andriamanitra ny olona rehefa tezitra.” (Jak. 1:20) Azo inoana hoe hitatra ilay olana raha ilay isika tezitra iny no manome torohevitra. Tsy midika anefa izany hoe tsy tokony hoteneninao an’ilay olona nampahatezitra anao mihitsy izay any an-tsainao sy any am-ponao. Hahay hiresaka kokoa anefa ianao raha miandry ho tony aloha. Mariho ny modelin’i Eliho, ilay nanoro hevitra an’i Joba.

15. Inona no ianarantsika avy amin’i Eliho? (Jereo koa ny sary.)

15 Nandritra ny andro maromaro i Eliho no nihaino an’i Joba, tamin’izy niaro ny tenany. Nendrikendrehin’ny mpampionona sandoka mantsy i Joba. Nalahelo an’i Joba i Eliho tamin’izay. Lasa tezitra anefa izy satria nilaza zavatra tsy marina momba an’i Jehovah i Joba sady nifantoka be loatra tamin’ny tenany. Na izany aza dia niandry ny anjarany i Eliho vao niteny. Tsara fanahy sy tena nanaja izy rehefa nanoro hevitra an’i Joba. (Joba 32:2; 33:1-7) Inona ny lesona lehibe ianarantsika avy amin’i Eliho? Hoe tokony ho amin’ny fotoana mety tsara isika no manome torohevitra ary ataontsika amin’ny fomba mety tsara ilay izy, izany hoe manaja sy tia an’ilay olona isika.​—Mpito. 3:1, 7.

Eliho mihaino tsara an’i Joba sady mangoraka azy. Rakotra fery ny vatan’i Joba.

Na dia tezitra be aza i Eliho tamin’ny voalohany, dia tsara fanahy sy tena nanaja izy rehefa nanome torohevitra (Fehintsoratra 15)


MIEZAHA FOANA HANOME SY HANDRAY TOROHEVITRA

16. Inona no ianaranao avy amin’ny Salamo 32:8?

16 Milaza ny andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity hoe ‘manoro hevitra antsika i Jehovah ary mitsinjo antsika ny masony.’ (Vakio ny Salamo 32:8.) Manohana antsika foana izany i Jehovah. Tsy hoe manome torohevitra fotsiny izy fa manampy antsika hampihatra an’ilay izy koa. Tena modely ho antsika izy! Enga anie isika hanahaka azy rehefa manana tombontsoa hanome torohevitra. Mitsinjo an’ilay olona isika dia manampy azy hampihatra an’ilay torohevitra.

17. Azo oharina amin’ny inona ny anti-panahy manome torohevitra voafaritra tsara avy ao amin’ny Baiboly? (Isaia 32:1, 2)

17 Amin’izao mihitsy isika no tena mila manome torohevitra tsara sy vonona handray an’izany. (2 Tim. 3:1) “Toy ny rano mikoriana any amin’ny tany karakaina” ny anti-panahy manome torohevitra voafaritra tsara avy ao amin’ny Baiboly. (Vakio ny Isaia 32:1, 2.) Hoatran’ny “paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra” ny torohevitra omen’ny namana tsy mijery arina an-tava. (Ohab. 25:11) Fantany mantsy izay tiantsika ho heno, nefa izay ilaintsika no lazainy. Enga anie isika rehetra hiezaka foana hanana ny fahendrena ilaina mba hahafahantsika hanome sy handray torohevitra tsara!

INONA NO TSY MAINTSY TADIDINTSIKA REHEFA...

  • misy mangataka torohevitra amintsika?

  • tsy maintsy manoro hevitra olona iray nefa tsy nangataka an’izany izy?

  • tezitra isika?

HIRA 109 Mifankatiava Amin’ny Fo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara