FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Aogositra p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Mitovitovy Aminy
  • Handringana ny Fahavalony Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Vaovao Tsara ny Hara-magedona!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Inona no Fantatsika Momba ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ny Hoavy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Aza Mivadika Mihitsy Mandritra ny “Fahoriana Lehibe”!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Aogositra p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Rahoviana no ho vita ny asa fitoriana?

Nilaza i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Mat. 24:14) Ilay teny grika hoe teʹlos no nadika hoe “farany” eo amin’io andininy io sy eo amin’ny andininy faha-6 sy faha-13. Ny faran’ny tontolon’i Satana amin’ny Aramagedona no tiana holazaina amin’izy io. (Apok. 16:14, 16) Aloha kelin’ny Aramagedona àry no ho vita ny asa fitoriana. Manitsy ny fahazoantsika azy teo aloha izany.

Nieritreritra isika taloha hoe tsy hitory ny vaovao tsara intsony rehefa manomboka ny fandravana an’i Babylona Lehibe, izany hoe rehefa manomboka ny fahoriana lehibe. (Apok. 17:3, 5, 15, 16) Nino isika fa amin’izay no tapitra ny “taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana.” (Isaia 61:2) Nieritreritra koa isika hoe ny olona efa nanaporofo hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah no ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Noharintsika tamin’ny Jiosy tafavoaka velona tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 607 T.K. izy ireo. Efa talohan’izay ry zareo no voaisy marika hoe ho voavonjy satria nanompo an’i Jehovah sady nankahala ny ratsy. (Ezek. 5:11; 9:4) Tsy mifanaraka amin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 anefa izany fampitahana izany. Asehon’io andininy io hoe mbola afaka mandray ny vaovao tsara ny olona mandra-pahatongan’ny farany, izany hoe aloha kelin’ny Aramagedona.

Rehefa nihanazava tamintsika ilay Matio 24:14 dia lasa niova koa ny fahazoantsika an’ilay hafatra toy ny havandra vaventy ao amin’ny Apokalypsy 16:21. Hita hoe mifameno ireo andininy ireo rehefa nodinihina bebe kokoa. Nahoana isika no milaza an’izany? Diniho ny fihetsiky ny olona rehefa hitoriana ny hafatra momba an’ilay Fanjakana. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe vaovao tsara izany ho an’ireo “hovonjena” ka toy ny “hanitry ny fiainana.” Vaovao ratsy kosa izany ho an’ny fahavalon’Andriamanitra ka toy ny “fofona fahafatesana.” (2 Kor. 2:15, 16) Halan-dry zareo ny hafatra momba an’ilay Fanjakana satria mampiharihary hoe ratsy ilay tontolo tian-dry zareo sady fehezin’i Satana, ary ho ringana.​—Jaona 7:7; 1 Jaona 2:17; 5:19.

Mariho koa fa “lehibe loatra” ilay havandra an’ohatra. Mety hidika izany hoe hivantana kokoa ny asa fitoriana mandritra ny fahoriana lehibe, ka ho betsaka noho ny hatramin’izay no hahafantatra ny anaran’i Jehovah. (Ezek. 39:7) Mety mbola hisy ho liana amin’ilay hafatra ve, ka hihevitra azy io ho toy ny hanitra mamerovero amin’izany fotoana izany, izany hoe rehefa ringana i Babylona Lehibe? Mety hitombina izany. Mety ho fantatr’izy ireo, amin’izay, na koa hoe hotadidiny fa efa an-taonany maro ny Vavolombelon’i Jehovah no nitory fa horinganina ny fivavahan-diso.

Mitovitovy amin’izany izay nitranga tany Ejipta fahiny, taorian’ny loza folo. Nisy ‘olona maro avy tamin’ny firenen-kafa’ niaraka tamin’ny Israelita rehefa avy ‘nampihatra didim-pitsarana tamin’ny andriamanitr’i Ejipta rehetra’ i Jehovah. (Eks. 12:12, 37, 38) Lasa nino an’i Jehovah angamba ireo vahiny ireo rehefa hitany hoe tanteraka ny fampitandreman’i Mosesy momba ny loza folo.

Izay miandany amin’i Jehovah aorian’ny handravana an’i Babylona Lehibe, dia hanana tombontsoa hanao soa amin’ny rahalahin’i Kristy mbola eto an-tany. (Mat. 25:34-36, 40) Amin’ny Aramagedona ny sisa voahosotra no hahazo ny valisoany any an-danitra. Aloha kelin’izay àry ny olona no manana fahafahana farany ho lasa ondry.

Asehon’io fanazavana vaovao io fa tena be fitiavana sy be famindram-po i Jehovah. Hita mihitsy hoe “tsy tiany hisy ho ringana ny olona fa tiany hibebaka daholo.”​—2 Pet. 3:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara