FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Septambra p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Fiakarana Amin’ny Elatra Tahaka ny Voromahery
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Voromahery
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Mason’ny Voromahery
    Mifohaza!—2004
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Septambra p. 31

Fanontanian’ny Mpamaky

Milaza ny Ohabolana 30:18, 19 hoe ‘tsy takatry ny saina ny ataon’ny lehilahy rehefa miaraka amin’ny tovovavy.’ Ahoana no tokony handraisantsika an’izany?

Betsaka no lasa saina hoe inona no tian’ireo andininy ireo holazaina. Na ny manam-pahaizana sasany aza very hevitra. Hoatr’izao ireo andininy ireo ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Ireto misy zavatra telo tsy takatry ny saiko [na: “mahagaga ahy loatra”, f.a.p.], eny, zavatra efatra tsy azoko: Ny lalan’ny voromahery manidina eny amin’ny lanitra, ny lalan’ny bibilava mandady eny ambony vatolampy, ny lalan’ny sambo mandeha eny afovoan-dranomasina, ary ny ataon’ny lehilahy rehefa miaraka amin’ny tovovavy.”​—Ohab. 30:18, 19.

Nihevitra isika taloha hoe manana heviny ratsy ilay hoe “ny ataon’ny lehilahy rehefa miaraka amin’ny tovovavy.” Ny teny manodidina mantsy miresaka zavatra ratsy, izay tsy miteny mihitsy hoe “aoka izay!” (Ohab. 30:15, 16) Ny andininy faha-20 koa miresaka momba ny “vehivavy mpanitsakitsa-bady” milaza fa tsy nanao ratsy mihitsy. Izany no nahatonga antsika nieritreritra hoe hoatran’ny voromahery manidina eny amin’ny lanitra, sy ny bibilava mandeha eny amin’ny vatolampy, ary ny sambo mandeha eny afovoan-dranomasina, ilay lehilahy resahina eo. Tsy mamela soritra eny amin’ny lalana alehany ireo zavatra ireo, dia hoatr’izany koa fa tsy misy mahalala ny zavatra nataon’ilay lehilahy. Nieritreritra àry isika hoe zavatra ratsy no resahin’ilay andininy, hoe misy lehilahy mametsifetsy tovovavy iray tsy misaina tsara mba hanaovany firaisana aminy. Tsy tonga saina akory ilay tovovavy hoe inona no nataon’ilay lehilahy taminy.

Azo raisina amin’ny heviny tsara ihany anefa ireo andininy ireo. Milaza ny zavatra mahavariana azy fotsiny ilay mpanoratra.

Asehon’ny sora-tanana hebreo fahiny koa hoe zavatra tsara no resahin’ilay andininy. Manazava an’ilay teny hebreo nadika hoe “tsy takatry ny saiko”, ao amin’ny Ohabolana 30:18, ny rakibolana iray manazava ny Soratra Hebreo. Hazavainy ao hoe “manondro zavatra mahavariana olona iray io teny io, na heveriny hoe tsy mampino, na tena mahagaga azy mihitsy.”

Milaza koa ny Profesora Crawford Toy, ao amin’ny Oniversiten’i Harvard any Etazonia, hoe tsy zavatra ratsy no resahin’ireo andininy ireo, fa hoe “mahavariana an’ilay mpanoratra daholo ny zavatra tononiny ao.”

Mety àry izao raha milaza isika hoe miresaka zavatra tena mahavariana sy tsy takatry ny saintsika mihitsy ny Ohabolana 30:18, 19. Mitovy amin’ny an’ilay mpanoratra Baiboly ihany no tsapantsika. Gaga koa isika rehefa mahita voromahery manidina ambony be, sy bibilava tsy manan-tongotra nefa afaka mitsoriaka eny ambony vatolampy, ary sambo ngezabe afaka mandeha eny ambony ranomasina. Mahagaga antsika koa ny hoe afaka ny hifankatia sy ho sambatra ny tovolahy sy tovovavy iray.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara