FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb14 p. 100-101
  • Nantsoin’ny Olona hoe Brown “Baiboly” Izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nantsoin’ny Olona hoe Brown “Baiboly” Izy
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Volontsôkôlà
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fizarana 1: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • “Ny Fitiavana Tsy ho Levona Mandrakizay”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • 1923—Zato Taona Lasa Izay
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
yb14 p. 100-101

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Nantsoin’ny Olona hoe Brown “Baiboly” Izy

William Brown

  • TERAKA 1879

  • BATISA 1908

  • TANTARANY Nitarika ny asa fitoriana tany Afrika Andrefana.

NIASA tamin’ny fanamboarana ny Lakandranon’i Panama i William, tamin’ny 1907. Tamin’izany no nandrenesany lahateny teny an-joron-dalana, nataon’i Isaiah Richards, Mpianatra ny Baiboly. Ilay kisary hoe “Tabilaon’ireo Taona” no nampiasainy tamin’ny lahateniny mba hanazavana ny fikasan’Andriamanitra. Tsy ela i William dia nanaiky ny fahamarinana, ary nody tany Jamaika mba hitory tamin’ny reniny sy ny anabaviny. Lasa Mpianatra ny Baiboly koa izy ireo.

Nanompo tao an-drenivohitr’i Panama ny Rahalahy Brown. Tao no nihaonany tamin’i Evander Coward. Solontenan’ny Mpianatra ny Baiboly izy io, ary tonga hanao lahateny eran’i Panama. Nafana fo sy nahay nandaha-teny i Coward, ary nirohotra hihaino azy ny olona. Notaominy hiaraka aminy hitory tany Trinité i William, satria hitany hoe rahalahy be zotom-po.

Nitety an’i Antilles i William nandritra ny folo taona nanaraka, mba hanatanjaka antoko-mpitory sady nanao mpisava lalana. Nanambady an’i Antonia, anabavy nanam-pinoana, izy tamin’ny 1920. Nankany amin’ny Nosy Montserrat sy Sous-le-vent izy mivady, roa andro taorian’ny mariaziny, sady nitondra ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, izay fitambarana sary mihetsika sy tsy mihetsika, misy fizarana efatra. Nitory tany amin’ny nosy Barbade sy Dominique ary Grenady koa izy ireo. Faly erỳ izy ireo nandany ny volan-tanteliny tamin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Nanoratra tany amin’i Joseph Rutherford, izay niandraikitra ny asa tamin’izany, i William, roa taona taorian’izay. Hoy izy: “Afaka nitory sy nanao mpianatra tany amin’ny ankamaroan’ireo nosy atỳ Karaiba aho, noho ny fanampian’i Jehovah. Mbola hiverina hitory any indray ve aho?” Namaly ny Rahalahy Rutherford, andro vitsivitsy taorian’izay. Hoy izy: “Mandehana mankany Sierra Leone, any Afrika Andrefana, ary ento ny vady aman-janakao.”

Tsy tian’ny Rahalahy Brown mihitsy ny niasa tao amin’ny birao, nandritra ireo 27 taona nanompoan’izy mianakavy tany Afrika Andrefana. Naleony nandeha nitory. Nasongadiny foana hoe zava-dehibe izay lazain’ny Baiboly, hany ka nantsoin’ny olona hoe Brown “Baiboly” izy.

Niverina tany Jamaika niaraka tamin’ny vadiny i William Brown, tamin’ny 1950, tamin’izy 71 taona. Mpisava lalana i William mandra-pahavitany ny fanompoany teto an-tany, tamin’ny 1967. Tena tiany io asa io. Tsapany hoe io no anisan’ny tombontsoa lehibe indrindra ananan’ny olona.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara