FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb14 p. 148-149
  • Tsy Naninona Anay ny Mpikomy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy Naninona Anay ny Mpikomy
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Olon’ny Tilikambo Fiambenana
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Misy Mpikomy ve ao An-trano?
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Tapa-kevitra ny Hanompo An’i Jehovah Aho
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
  • Tehim-pahefana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2014
yb14 p. 148-149

SIERRA LEONE SY GUINÉE

Tsy Naninona Anay ny Mpikomy

Andrew Baun

  • TERAKA 1961

  • BATISA 1988

  • TANTARANY Mpisava lalana tany Pendembu, any amin’ny faritra atsinanan’i Sierra Leone, rehefa nipoaka ny ady tamin’ny 1991.

NIDITRA tao an-tanànanay ny mpikomy, indray tolakandro, ary nanao tifi-danitra nandritra ny adiny roa teo ho eo. Ny sasany aza mbola tanora tsy nahazaka basy akory. Naloto be ry zareo, nisarita-bolo, ary hoatran’ny mamon-drongony.

Nanomboka ny fandripahana ny ampitso. Nisy olona novonoina, na notapahina ny tongony na ny tanany. Novetavetaina ny vehivavy. Nikorontana ny tanàna. Niafina tao aminay ny Rahalahy Amara Babawo sy ny fianakaviany ary ny olona liana efatra. Nihorohoro daholo izahay.

Tonga ny lehiben’ny mpikomy ary nilaza fa tsy maintsy mandeha miofana ho miaramila izahay ny ampitson’io. Efa tapa-kevitra izahay fa tsy handray anjara amin’ny ady, nefa mety hovonoin’izy ireo izahay raha tsy manaiky. Nivavaka imbetsaka àry izahay nandritra ny alina. Nifoha maraina izahay, nanao teny vakina, ary niandry an’ireo mpikomy ho avy. Tsy tonga mihitsy anefa ry zareo.

“Hay ianareo manao teny vakina! Vavolombelon’i Jehovah izany ianareo”

Nibodo ny tranonay ny lehiben’ny mpikomy iray hafa sy ny miaramilany efatra tatỳ aoriana. Navelan’izy ireo nijanona tao anefa izahay. Nivory tsy tapaka tao an-trano àry izahay ary nanao teny vakina isan’andro. Hoy ny miaramila sasany: “Hay ianareo manao teny vakina! Vavolombelon’i Jehovah izany ianareo.” Nanaja anay izy ireo na dia tsy liana tamin’ny Baiboly aza.

Tonga ny tena lehiben-dry zareo, indray andro, mba hisafo an’ireo miaramila nitoby tao an-tranonay. Nitoraka salut an’ny Rahalahy Babawo izy, ary nibetroka an’ireo miaramilany hoe: “Lehibeko sy lehibenareo io lehilahy io. Raha maninomaninona izy sy ny namany, na kely fotsiny aza, dia hahita raharaha ialahy isany. Azo?” “Eny sefo!”, hoy ireo miaramila. Nanome taratasy anay izy avy eo. Nisy baiko tao amin’izy io hoe tsy tokony haninona anay ny mpikomy rehetra satria olona tia fihavanana izahay.

Nanomboka niady ireo mpikomy, volana maromaro tatỳ aoriana, ka nitsoaka tany Liberia izahay. Nisy mpikomy nandrahona anay koa tany. Nilazanay ry zareo hoe: “Vavolombelon’i Jehovah izahay.” Dia hoy ny miaramila iray: “Inona àry no lazain’ny Jaona 3:16?” Notononinay ilay andininy, dia navelany handeha izahay.

Nihaona tamin’ny lehiben’ny mpikomy hafa izahay tatỳ aoriana, ary nasainy niaraka taminy izaho sy ny Rahalahy Babawo. Natahotra be izahay. Nolazainy fa efa nianatra Baiboly, hono, izy talohan’ny ady. Nomeny vola izahay, ary nomenay taratasy izy mba hoentiny any amin’ireo rahalahy tao amin’ny fiangonana teo akaiky teo. Tsy ela dia nisy rahalahy roa tonga niaraka tamin’ny fanampiana ary nitondra anay tany amin’ny toerana azo antoka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara