FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • yb17 p. 130-131
  • Fa Taiza Foana Ianareo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fa Taiza Foana Ianareo?
  • Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
  • Mitovitovy Aminy
  • Sendra Olona Malefaka ny Mpitondra Fivavahana Romotra
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Niova Ilay Mpampianatra
    Mifohaza!—2009
  • Zava-tsarobidy Tsy Hita Hatry ny Ela
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Ny Masoko Mihitsy no Nahita Izay Lazain’ny Baiboly!
    Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
Hijery Hafa
Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 2017
yb17 p. 130-131

GÉORGIE

Fa Taiza Foana Ianareo?

Artur Gerekhelia

  • TERAKA 1956

  • BATISA 1991

  • TANTARANY Nafoiny ny tranony sy ilay asany be karama, valo volana monja taorian’ny batisany, mba hahafahany hanitatra faritany.

Artur Gerekhelia

NANONTANY ahy ny anti-panahy, taoriana kelin’ny batisako, raha afaka nanitatra faritany aho. Nanatrika fivoriana ho an’ireo vonona hanitatra faritany aho ny 4 Mey 1992. Nifindra tany Batoumi, any amin’ny faritr’i Adjarie, izaho sy ilay namako ny ampitson’iny.

Natahotahotra aho rehefa nitory voalohany tany Batoumi. Nieritreritra aho hoe: ‘Ahoana izao no tsara hanombohan-dresaka?’ Tsy nampoiziko anefa fa niteny hoatr’izao ilay vehivavy nitoriako voalohany: “Fa taiza foana ianareo?” Tena te hahalala momba ny Vavolombelona izy, ka ny ampitson’iny ihany dia nanomboka nianatra Baiboly.

Nahazo ny adiresin’ny olona liana izahay, talohan’ny nandehananay tany Batoumi. Mbola tsy hainay tsara ilay tanàna, ka nanontany olona teny an-dalana izahay. Tsy afaka nanampy anefa ny ankamaroany, satria vao novana ny anaran’ireo lalana. Na izany aza dia nandray tsara ry zareo rehefa nitoriana. Tsy ela dia olona 10 ka hatramin’ny 15 no niara-nampianarinay, ary maro tamin’ny fampianaranay no hoatr’izany.

Olona 40 mahery no nivory tsy tapaka, efa-bolana monja tatỳ aoriana. Lasa saina izahay hoe: ‘Iza no hikarakara an’ireo?’ Tamin’izay indrindra anefa no nifindra tany Batoumi ny olona rehetra tao amin’ilay fiangonanay taloha. Nandositra an’ilay ady nifanaovan’ny tafik’i Géorgie sy ny mpikomy tany Abkhazie mantsy izy ireo. Tao anatin’ny iray andro monja, dia niforona ny fiangonana iray nisy anti-panahy sy mpisava lalana za-draharaha!

Olona maromaro miaraka ampianarina Baiboly
    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara