FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 171
  • Hoatran’ny Ahoana ny Paozin’ny Devoly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hoatran’ny Ahoana ny Paozin’ny Devoly?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Hoatran’ny ahoana ny Devoly, raha ny Baiboly no jerena?
  • Tohero i Satana, dia Handositra Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 171

Hoatran’ny Ahoana ny Paozin’ny Devoly?

Valiny ara-baiboly

Fanahy ny Devoly, izany hoe tsy manana vatana hita maso.—Efesianina 6:11, 12.

Sary fanaon’ny olona momba ny Devoly: Hoatran’ny bibiolona mitovitovy amin’ny osy, misy tandroka sy rambo, ary mitazona fitrebika.

Be dia be ny mpanao sary efa nanao sarin’ny Devoly. Sarina bibiolona mitovitovy amin’ny osy no ataony, dia misy tandroka sy rambo ilay izy, ary mitazona fitrebika. Misy milaza hoe mpanao sary tamin’ny arivo taona mahery lasa no nanao an’ireny sary ireny. Avy tamin’ny angano nalaza tamin’izany, hono, no nahitan’izy ireo hevitra hanaovana an’ilay sary.

  • Hoatran’ny ahoana ny Devoly, raha ny Baiboly no jerena?

  • Andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny Devoly

Hoatran’ny ahoana ny Devoly, raha ny Baiboly no jerena?

Mampiasa sarin-teny be dia be ny Baiboly rehefa miresaka momba ny Devoly. Tsy ny paoziny anefa no asehon’ireny sarin-teny ireny fa ny toetrany. Ireto misy ohatra:

  • Anjelin’ny mazava. Mody manome zavatra tsara izy, amin’izay ny olona manaraka ny fampianarany, fa tsy manaraka ny fampianaran’Andriamanitra.—2 Korintianina 11:14.

  • Liona mierona. Tsy mifaditrovana mihitsy izy manafika ny mpanompon’Andriamanitra.—1 Petera 5:8.

  • Dragona lehibe. Matanjaka izy sady mampahatahotra ary mandravarava.—Apokalypsy 12:9.

Andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny Devoly

  • 2 Korintianina 11:14: ‘Miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava i Satana.’

    Ny hevitr’izany: Mody miseho ho tsara izy, amin’izay voafitaka ny olona dia lasa tsy manaraka ny fampianaran’Andriamanitra, fa manaraka ny fampianarany.

  • Efesianina 6:11: “Tafio daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.”

    Ny hevitr’izany: Mampiasa tetika isan-karazany ny Devoly mba hahatonga ny olona tsy hankatò an’Andriamanitra.

  • Jakoba 4:7: “Maneke an’Andriamanitra, fa tohero kosa ny Devoly, dia handositra anareo izy.”

    Ny hevitr’izany: Afaka mandresy an’i Satana ny olona iray raha tsy mankatò azy fa mankatò an’Andriamanitra.

  • 1 Petera 5:8: “Ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.”

    Ny hevitr’izany: Halan’ny Devoly ny olona mankatò an’Andriamanitra, ary tiany hosimbana ny fifandraisan’izy ireo aminy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara