FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwex lahatsoratra 30
  • Sarobidy Tamin-dry Zareo ny Taratasy Nosoratany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sarobidy Tamin-dry Zareo ny Taratasy Nosoratany
  • Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Nofafan’Andriamanitra ny Ranomasony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ny Fomba Hanoratana Taratasy
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Ahoana no Hataoko fa Leo Mandeha Mianatra Aho?
    Manontany ny Tanora
  • Tena Nahavariana Azy ny Vokany
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwex lahatsoratra 30
Lehilahy iray mijoro eo akaikin’ny boaty fasiana taratasiny. Misy taratasy sora-tanana ho azy eny an-tanany.

Sarobidy Tamin-dry Zareo ny Taratasy Nosoratany

Vavolombelon’i Jehovah mipetraka any Etazonia i Brooke. Nitory an-taratasy izy rehefa niparitaka ny valanaretina COVID-19. Be dia be mihitsy ny taratasy nosoratany isan-kerinandro. Kivy anefa izy, afaka herintaona sy tapany, satria olona iray ihany no mba namaly ny taratasiny sady nosoratan’ilay olona tao hoe aza manoratra any aminy intsony. Lasa nisalasala i Brooke hoe mba manampy olona ihany ve ny taratasiny.

Misy Vavolombelona atao hoe Kim miasa ao amin’ny banky iray, dia nitantara tamin’i Brooke izy hoe nisy mpanjifa niteny taminy hoe naharay taratasy sora-tanana avy tamina Vavolombelon’i Jehovah, hono, izy. Fantatr’i Kim tatỳ aoriana hoe hay i Brooke no nanoratra an’ilay taratasy! Niverina tany amin’ny banky ilay lehilahy, herinandro tatỳ aoriana. Nanontany an’i Kim izy raha afaka manatrika ny fivoriantsika natao tamin’ny alalan’ny vidéoconférence.

Misy Vavolombelon’i Jehovah atao hoe David koa nitantara tamin’i Brooke, taoriana kelin’izay, hoe nisy mpiara-miasa aminy, hono, nahazo taratasy avy tany amin’i Brooke. Variana be ilay olona satria sora-tanana ilay taratasy. Hoy izy: “Mampiseho ilay izy hoe tena miahy an’ilay olona anoratany ilay mpanoratra. Tokony mba be dia be kokoa ny olona tena miahy ny hafa hoatr’izany.” Nanararaotra nitory tamin’ilay mpiara-miasa aminy i David, dia nanome zavatra hovakiny. Faly ilay lehilahy nandray an’ilay izy.

Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy voatery ho fantatr’izy ireo foana rehefa maniry ny voa afafiny eny amin’ny fanompoana. (Mpitoriteny 11:5, 6) Nanampy an’i Brooke hahita anefa iny zavatra niainany iny hoe sarobidy ny anjara biriky entiny amin’ny fanompoana kristianina ataony.​—1 Korintianina 3:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara