FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 108
  • Tena Ratsy ve Ilay hoe Be Mpitia ao Amin’ny Internet?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Ratsy ve Ilay hoe Be Mpitia ao Amin’ny Internet?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona avy no mety ho voka-dratsiny?
  • Hoatran’ny hoe be mpitia nefa tsy izay akory
  • Tena zava-dehibe ve ilay hoe be mpanaraka sy mahazo “j’aime” be dia be?
  • Tsara ve ny Mitady Namana ao Amin’ny Internet?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Ratsy ve ny hoe Be Mpitia?
    Mifohaza!—2012
  • Internet: Ampitandremo ny Zanakao
    Mifohaza!—2014
  • Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Tranonkala Fifaneraserana?—Fizarana 2
    Mifohaza!—2011
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 108
Tovovavy mitsiky sady mijery ny telefaoniny satria nahazo j’aime 85.

MANONTANY NY TANORA

Tena Ratsy ve Ilay hoe Be Mpitia ao Amin’ny Internet?

Hoy ny tovovavy iray atao hoe Elaine: “Be mpitia be mihitsy ny mpiara-mianatra amiko, rehefa ao amin’ny tambazotran-tserasera! An-jatony ny mpanaraka ny zavatra avoakan-dry zareo ao. Tsoriko aloha hoe mialona kely aho e!”

Efa nahatsapa hoatr’izany koa ve ianao? Mety hoe lasa te hiezaka mafy hoatran’ny olon-kafa mihitsy aza ianao mba ho be mpitia ao amin’ny tambazotran-tserasera. Natao hanampiana anao tsy ho tratran’izany ity lahatsoratra ity.

  • Inona avy no mety ho voka-dratsiny?

  • Hoatran’ny hoe be mpitia nefa tsy izay akory

  • Tena zava-dehibe ve ilay hoe be mpanaraka sy mahazo “j’aime” be dia be?

  • Tandremo sao lasa mody manetry tena nefa hay mirehareha

Inona avy no mety ho voka-dratsiny?

Milaza ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 22:1 hoe: “Aleo laza tsara toy izay harem-be.” Hita avy amin’io hoe tsy ratsy mihitsy raha hoe mba te ho tsara laza ianao, na hoe te ho tian’ny olona.

Indraindray anefa ianao te ho tian’ny olona be mihitsy dia lasa tsy manaiky raha tsy malaza be. Mety hisy vokany ratsy anefa izany. Izao no nolazain’i Onya, 16 taona:

“Mahavita manao zavatra adaladala mihitsy ny olona mba hahatonga azy halaza. Tao am-pianaranay izao nisy nitsambikina avy teny amin’ny varavarankelin’ny rihana faharoa.”

Misy tanora sasany tokoa maka video an’izay zavatra mampidi-doza ataony, dia alefany ao amin’ny Internet ilay izy avy eo mba hahatonga azy halaza. Nisy ankizy maromaro, ohatra, nanao an’izany. Nihinana savony fanasana lamba mifono anaty plastika ry zareo. Zavatra tsy tokony hatao mihitsy izany fa mety hahafaty, nefa izay mihitsy no nataon-dry zareo, satria ry zareo te halaza.

Izao no lazain’ny Baiboly: “Aza manao na inona na inona noho ny . . . fireharehana.”—Filipianina 2:3.

Eritrereto izao:

  • Tena zava-dehibe aminao ve ilay hoe be mpitia ao amin’ny Internet?

  • Tsy mampaninona anao ve na marary aza ianao na maty mihitsy aza satria fotsiny hoe mba tianao hijery anao sy ho tia anao ny olona?

    Hevitry ny tanora toa anao

    Leianna.

    “Misy vokany ratsy be ilay hoe te ho tian’olona. Misy mahavita manao ny tsy fanao mihitsy, na dia ao amin’ny tambazotran-tserasera aza, mba ho lasa be mpitia. Misy, ohatra, manova ny fomba firesany na fiakanjony na fanaony. Raha efa fantatrao anefa hoe ratsy ilay zavatra, nefa ataonao ihany mba hahatonga anao ho be mpitia, dia mety hanenina be ianao avy eo.”—Leianna.

Hoatran’ny hoe be mpitia nefa tsy izay akory

Tsy voatery hoe manao zavatra mampidi-doza foana anefa ny olona te halaza. Izao, ohatra, no nolazain’i Erica, 22 taona:

“Misy olona mamoaka sary vaovao foana ao amin’ny tambazotran-tserasera. Miara-maka sary amin’olona samihafa izy, dia hoatran’ny hoe manana namana be dia be mihitsy sady miaraka amin’ny namany foana. Dia lasa hoatran’ny hoe be mpitia be izy.”

Tantarain’i Cara, 15 taona hoe misy mahavita mandainga mihitsy mba hahatonga ny olona hieritreritra hoe be mpitia izy.

“Efa nahita olona nanamboamboatra ny sary avoakany aho. Eo amin’ilay sary izy hoatran’ny hoe namonjy fety nefa izy kay tao an-trano ihany.”

Efa nanao an’izany i Matthew, 22 taona:

“Namoaka sary tao amin’ny tambazotran-tserasera aho, dia nataoko hoe tany amin’ny Tendrombohitra Everest ilay izy, nefa izaho mbola tsy tany Azia mihitsy!”

Izao no lazain’ny Baiboly: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’—Hebreo 13:18.

Eritrereto izao:

  • Raha mampiasa tambazotran-tserasera ianao, efa nandainga ve ianao tao mba hahatonga anao ho be mpitia kokoa?

  • Ny sary sy ny fanamarihana ataonao ao ve mampiseho ny tena maha izy anao sy ny fitsipika arahinao?

    Hevitry ny tanora toa anao

    Hannah.

    “Misy olona vonona hanao ny tsy fanao mba hahazoana ‘j’aime’ be dia be. Fa tianao ve raha ohatra ianao be mpitia satria malaza hoe mpiteny ratsy sy mpanao akanjo tsy maotina na tia mampideradera fananana? Sa aleonao malaza hoe tsara toetra sy tena tia manampy olona? Mahafinaritra ilay hoe be mpitia ianao, fa aleo mba antony tsara no mahatonga ny olona ho tia anao.”—Hannah.

Tena zava-dehibe ve ilay hoe be mpanaraka sy mahazo “j’aime” be dia be?

Maro ny olona mieritreritra hoe raha te ho be mpitia izy ao amin’ny tambazotran-tserasera, dia tokony ho be mpanaraka sady tokony hahazo “j’aime” be dia be. Izany mihitsy no noeritreretin’i Matthew, ilay noresahina terỳ aloha. Hoy izy:

“Indraindray aho manontany olona hoe: ‘Firy ny mpanaraka anao ao amin’ny tambazotran-tserasera?’ Na hoe: ‘Firy ny “j’aime” betsaka indrindra efa azonao?’ Lasa mpanaraka an’izay zavatra avoakan’olona koa aho, hatramin’ny olona tsy fantatro aza, satria nanantena aho hoe mba ho lasa mpanaraka ny an’ahy koa izy, dia mba hihabetsaka ny isan’ny olona mpanaraka an’ahy. Te ho lasa olo-malaza aho, dia vao mainka aho te halaza be rehefa nampiasa tambazotran-tserasera.”

Sary natambatra: 1. Tovovavy mijery ny isan’ny j’aime azony ao amin’ny tambazotran-tserasera dia mitsiky. 2. Io tovovavy io ihany mihinana vatomamy sy sokolà be dia be. 3. Mitazona ny kibony izy sady hoatran’ny diso fanantenana.

Mitovy amin’ny olona mihinana haninkanina ny olona faly hoe be mpitia ao amin’ny Internet: Mahafinaritra ilay izy amin’ny voalohany, fa tsy tena mahasoa

I Maria indray 25 taona. Hitany hoe tena zava-dehibe amin’ny olona sasany ny isan’ny mpanaraka azy sy ny “j’aime” azony, satria raha vao vitsy kely ireo, dia mieritreritra izy hoe olona tsy misy ilana azy izy. Hoy i Maria:

“Misy ankizivavy tonga dia mieritreritra hoe ratsy tarehy be raha vao vitsy kely ny isan’ny olona manao ‘j’aime’ ny sariny. Tsy marina izany, fa be dia be anefa ny olona mieritreritra hoatr’izany. Hoatran’ny hoe izy ihany no mampijaly ny tenany.”

Izao no lazain’ny Baiboly: “Aoka isika tsy hirehareha ka hampisy fifaninanana sy fifampialonana.”—Galatianina 5:26.

Eritrereto izao:

  • Hitanao ve hoe mampirisika anao hampitaha ny tenanao amin’ny hafa ny tambazotran-tserasera?

  • Ny hoe be mpanaraka ao amin’ny tambazotran-tserasera ve no zava-dehibe kokoa aminao noho ny hoe miezaka hanana namana tena tia anao?

    Hevitry ny tanora toa anao

    Joshua.

    “Raha te ho be mpitia ao amin’ny Internet ianao, dia tsy maintsy ataonao izay hahatonga ny olona ao ho tia anao. Izay mitovy aminy anefa matetika no tian’ny olona. Dia lasa hiady saina be foana ianao hoe: ‘Ahoana no fijerin’ny olona an’ahy? Dia inona no hataoko mba ho tian-dry zareo foana aho?’ Tsy maninona ilay hoe te ho tian’ny olona, fa tsy mety raha lasa eritreretinao be ilay izy, satria lasa izay indray no ho masaka ao an-dohanao.”—Joshua.

Tandremo sao lasa mody manetry tena nefa hay mirehareha

Ianao ve efa nahita olona mody mitaraina nefa te hirehareha amin’ny zavatra vitany na ananany izy, raha ny marina?

  • “Lasa mangataka hateriko daholo ny olona nefa te hitaingina an’ilay aotomobiliko vaovao fotsiny!”

  • “Leo be aho fa miteny daholo ny olona hoe lasa tsara kely, hono, aho fa nihena.”

Mody mitaraina izy amin’izay mba hoatran’ny hoe manetry tena, nefa izy te hirehareha raha ny marina.

Tandremo: Ratsy ny mirehareha na manambony tena hoatr’izany satria matetika no tonga dia azon’ny olona hoe te hirehareha ianao, raha ny marina. Aleon’ny olona kokoa aza ianao mandoka tena mivantana toy izay mody manetry tena hoatr’izany satria mihatsaravelatsihy izany.

Rehefa hamela hafatra na hametraka sary ao amin’ny tambazotran-tserasera ianao amin’ny manaraka, dia tandremo sao mody manetry tena. Araho ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Aoka ny vahiny no hidera anao fa tsy ny vavanao.”—Ohabolana 27:2.

Famerenana: Misy vokany ratsy ilay hoe miezaka mafy ho be mpitia ao amin’ny Internet. Inona no hanampy anao tsy ho tratran’izany?

  • Ataovy azo antoka hoe tena mampiseho ny maha izy anao sy ny fitsipika arahinao ny zavatra alefanao ao amin’ny Internet.

  • Aza mandainga na mihatsaravelatsihy rehefa mametraka sary na manao fanamarihana ao.

  • Aza dia miasa saina be loatra amin’ny isan’ny mpanaraka anao sy ny “j’aime” azonao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara