FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 15
  • Inona no Hanampy Ahy Tsy Hiady Saina Raha Irery Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Hanampy Ahy Tsy Hiady Saina Raha Irery Aho?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miezaha hifandray kokoa amin’Andriamanitra
  • Mamakia andininy mampahery avy ao amin’ny Baiboly
  • Fantaro hoe nahoana no misy zava-dratsy mitranga
  • Miezaha mba tsy hanahy be loatra
  • Miezaha hifandray amin’ny hafa
  • Manaova fanatanjahan-tena
  • Mpinamana Foana eo Amin’ny Tontolo Iray Tsy Manam-pitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Apetraho Amin’i Jehovah Daholo Izay Mampanahy Anao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Afaka Mifaly Amin’ny Fisakaizana Maharitra Ianao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Fidio Tsara ny Namanao
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 15
Vehivavy mitazantazana eo am-baravarankely.

Inona no Hanampy Ahy Tsy Hiady Saina Raha Irery Aho?

Mahatsiaro ho irery ve ianao? Mety ho hoatran’ny tsapan’ny mpanao salamo iray no tsapanao. Hoy izy: “Toy ny vorona manirery eny an-tampon-trano [aho].” (Salamo 102:7) Afaka manampy anao hiatrika an’izany ny Baiboly.

  • Miezaha hifandray kokoa amin’Andriamanitra

  • Mamakia andininy mampahery avy ao amin’ny Baiboly

  • Fantaro hoe nahoana no misy zava-dratsy mitranga

  • Miezaha mba tsy hanahy be loatra

  • Miezaha hifandray amin’ny hafa

  • Manaova fanatanjahan-tena

Miezaha hifandray kokoa amin’Andriamanitra

Na dia irery aza ianao dia afaka ny ho falifaly, raha miaiky hoe mila mahafantatra an’Andriamanitra sady miezaka hahafantatra azy. (Matio 5:3, 6) Hanampy anao amin’izany ireto:

  • Baiboly marina tsara sy mora azo, azonao vakina ao amin’ny Internet

  • Video fohy manazava an’izay ampianarin’ny Baiboly

  • “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly”: Mamaly mivantana an’ireo fanontaniana fametraky ny olona

  • “Tahafo ny Finoany”: Manampy anao haka sary an-tsaina ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana voaresaka ao amin’ny Baiboly

  • “Nisy Namorona Ve?”: Asehon’io andian-dahatsoratra io fa tsara tarehy sady be pitsiny ny zavaboary

Mamakia andininy mampahery avy ao amin’ny Baiboly

Betsaka ny olona nahazo fampiononana rehefa namaky an’ireo andininy etsy ambany ireo. Isaky ny avy mamaky ny iray amin’ireo ianao dia hararaoty hivavahana sy hisaintsainana ny fotoana maha irery anao, fa aza maika hamaky azy rehetra ireo indray mandeha.—Marka 1:35.

  • Salamo 23:1-6

  • Salamo 34:1-22

  • Salamo 46:1-11

  • Salamo 63:6-8

  • Salamo 91:1-6

  • Matio 6:25-34

  • 2 Korintianina 1:3, 4

  • Filipianina 4:6, 7

  • 1 Petera 5:6, 7

Fantaro hoe nahoana no misy zava-dratsy mitranga

Ho mora kokoa aminao ny hizaka ny zavatra mampiady saina anao, raha takatrao hoe nahoana no misy zava-dratsy mitranga ary inona no hataon’Andriamanitra mba hanafoanana azy ireny.—Isaia 65:17.

  • Nahoana isika no avelan’Andriamanitra hijaly?

  • Inona no lazain’ny Baiboly momba ny aretina sy ny fahasalamana?

  • Inona avy ny famantarana ny andro farany?

  • Iza ireo mpitaingin-tsoavaly efatra resahin’ny Apokalypsy?

  • Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?

Miezaha mba tsy hanahy be loatra

Mety hiady saina ianao rehefa irery. Afaka manampy anao tsy hiady saina sy ‘tsy hanahy intsony’ ny lahatsoratra momba ny foto-kevitra eto ambany.—Matio 6:25.

  • Fomba iatrehana adin-tsaina

  • Fomba ananana toe-tsaina tsara foana

  • Fanahiana momba ny loza

  • Fanahiana momba ny vola

  • Fanahian’ny tanora

Miezaha hifandray amin’ny hafa

Milamin-tsaina sy tony ianao rehefa mana-namana. Vao mainka ianao mila namana rehefa sarotra ny mihaona amin’olona. Inona àry no azonao atao raha tsy maintsy mijanona ao an-trano ianao? Hahazo namana vaovao ianao sady hifandray amin’ny namanao foana raha miantso an-telefaonina na miresaka amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Hanampy anao ho “tena namana” sy hahita “tena namana” ny lahatsoratra eto ambany.—Ohabolana 17:17.

  • Te hahazo namana tsara ve ianao?

  • Nahoana ianao no tokony hinamana amin’ny olona isan-karazany?

  • Inona no azonao atao raha tsapanao hoe tsy mba mana-namana ianao?

  • Hahazo namana ianao raha tia manome

  • Hahazo namana ianao raha mahay mankasitraka

Manaova fanatanjahan-tena

Milaza ny Baiboly hoe ‘mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Hanampy anao hisaina tsara kokoa sy ho faly kokoa izany, indrindra raha irery ianao. Na dia tsy maintsy mijanona ao an-trano aza ianao dia afaka mihetsiketsika foana.

  • Mampiasà vatana

  • Miezaha ho salama sy hatanja-tsaina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara