FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 72
  • Mbola Zava-dehibe ve ny Marina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mbola Zava-dehibe ve ny Marina?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mba misy ihany ve ny atao hoe marina?
  • Ahoana no ahitanao ny marina?
  • Avy aiza ny lainga?
  • Nahoana no be dia be ny lainga?
  • Nahoana no zava-dehibe ny marina?
  • Nahoana aho no tian’Andriamanitra hahafantatra ny marina?
  • Hofoanan’Andriamanitra ve ny lainga indray andro any?
  • Manahafa An’ilay Andriamanitry ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Nahoana no Mitady ny Fahamarinana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Manararaota ny fahafahana hahafantatra ny fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 72
Mpanao politika iray mamory sy manentana vahoaka.

Mbola Zava-dehibe ve ny Marina?

Mahatsapa ve ianao hoe lasa sarotra ny manavaka hoe inona ny marina dia inona no diso? Hoatran’ny maharesy lahatra ny olona kokoa ny fihetseham-pony sy izay heveriny hoe marina, fa tsy ny zavatra tena marina sy ny zava-misy. Eran-tany, dia be dia be ny olona amin’izao no mino hoe tsy misy izany tena marina izany.

Tsy vao izao no nisy olona nieritreritra hoatr’izany. Efa ho 2 000 taona lasa izay, dia nanontany an’i Jesosy i Pontio Pilato Governora romanina hoe: “Fa inona ny marina?” (Jaona 18:38) Tsy niandry valiny anefa i Pilato satria tsy nino hoe misy ny marina. Na izany aza, dia tena zava-dehibe ilay fanontaniany. Tsy hain’ny olona intsony izay tena marina amin’izao, nefa misy valiny mety hahafa-po anao ao amin’ny Baiboly sady mety hanampy anao hahafantatra hoe inona ny marina ary inona no tsy marina.

Mba misy ihany ve ny atao hoe marina?

Ie. Mampiasa an’ilay teny hoe “marina” ny Baiboly mba hilazana zavatra mifanaraka amin’ny zava-misy sy amin’ny zavatra araka ny tokony ho izy. Resahin’ny Baiboly hoe avy amin’i Jehovaha Andriamanitra ny tena marina, satria antsoina hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” izy. (Salamo 31:5) Ao amin’ny Baiboly no misy ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Ampitahain’ny Baiboly amin’ny hazavana izy io, satria afaka mitarika antsika amin’izao fotoana tsy ahitana intsony ny marina izao.​—Salamo 43:3; Jaona 17:17.

Ahoana no ahitanao ny marina?

Tsy tian’Andriamanitra hanaiky an-jambany ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika. Ampirisihiny kosa isika hampiasa tsara ny saintsika ka handinika tsara ny voalazan’ny Baiboly, fa tsy hanaiky hobaikoin’ny fihetseham-po fotsiny. (Romanina 12:1) Tiany isika raha mampiasa ny ‘saintsika manontolo’, amin’izay isika hahafantatra azy sy ho tia azy. Asainy hanamarina isika hoe marina ve ny zavatra ianarantsika ao amin’ny Baiboly.​—Matio 22:37, 38; Asan’ny Apostoly 17:11.

Avy aiza ny lainga?

Milaza ny Baiboly hoe i Satana Devoly, ilay fahavalon’Andriamanitra, no voalohany nandainga. Antsoin’ny Baiboly hoe “rain’ny lainga” izy. (Jaona 8:44) Nilaza lainga momba an’Andriamanitra izy rehefa niresaka tamin’ny olombelona voalohany. (Genesisy 3:1-6, 13, 17-19; 5:5) Mbola mampiely lainga momba an’Andriamanitra sy manafina ny marina momba azy foana i Satana hatramin’izao.​—Apokalypsy 12:9.

Nahoana no be dia be ny lainga?

Resahin’ny Baiboly hoe “andro farany” izao andro iainantsika izao. Vao mainka mamitaka an’izao tontolo izao i Satana amin’izao. Matetika ny olona no mandainga mba hamitahana sy hanararaotana ny hafa. (2 Timoty 3:1, 13) Mampianatra lainga koa ny ankamaroan’ny fivavahana ankehitriny. Araka ny efa nolazain’ny Baiboly momba ny androntsika, dia “[mitady] mpampianatra, araka izay tiany, [ny olona] mba handrenesany zavatra mahafinaritra ny sofiny.” Mifidy ny “tsy hihaino ny fahamarinana intsony” izy ireo.​—2 Timoty 4:3, 4.

Mpitondra fivavahana iray mitazona Baiboly sady miresaka amin’ny olona mitehatehaka.

Nahoana no zava-dehibe ny marina?

Tena ilaina izy io mba hahatonga ny olona hifampatoky. Raha tsy mifampatoky mantsy ny olona dia tsy ho afaka ny ho mpinamana, ary ho simba ny fiaraha-monina. Milaza ny Baiboly hoe tian’Andriamanitra hiorina amin’ny fahamarinana ny fanompoana azy. Izao no voalazan’ny Jaona 4:24: “Izay mivavaka [amin’Andriamanitra] tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” Rehefa mianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika, dia lasa fantatsika hoe inona avy ny lainga ampianarin’ny fivavahana momba an’Andriamanitra. Lasa tsy mino an’ireny lainga ireny intsony koa isika. Manazava momba an’izany ilay andian-dahatsoratra hoe “Inona avy Ireo Lainga Momba An’Andriamanitra?”

Nahoana aho no tian’Andriamanitra hahafantatra ny marina?

Tian’Andriamanitra hiaina mandrakizay ianao. Mila mianatra ny marina momba azy anefa ianao vao hahazo fiainana mandrakizay. (1 Timoty 2:4) Hifandray akaiky amin’Andriamanitra ianao raha mianatra momba an’izay heveriny hoe mety sy tsy mety, ary manao zavatra mifanaraka amin’izany. (Salamo 15:1, 2) Nirahin’Andriamanitra tetỳ an-tany i Jesosy mba hampianatra ny olona ny marina. Tian’Andriamanitra raha mihaino ny fampianaran’i Jesosy isika.​—Matio 17:5; Jaona 18:37.

Hofoanan’Andriamanitra ve ny lainga indray andro any?

Ie. Tena tsy tian’Andriamanitra ny olona mandainga mba hanambakana ny hafa. Nampanantena izy hoe haringany izay rehetra tia mandainga. (Salamo 5:6) Hotanterahiny koa amin’izay fotoana izay ilay fampanantenany hoe: “Haharitra mandrakizay ny molotra milaza ny marina.”​—Ohabolana 12:19.

Andinin-teny ao amin’ny Baiboly miresaka momba ny marina sy ny lainga

Jaona 8:44: “Mpandainga [ny Devoly] sady rain’ny lainga.”

Inona no dikan’izany? I Satana Devoly no voalohany nandainga, ary avy aminy daholo ny lainga rehetra.

Ohabolana 12:22: “Maharikoriko an’i Jehovah ny molotra mandainga.”

Inona no dikan’izany? Halan’Andriamanitra ny lainga dia tokony hankahala an’izany koa ny olona tia azy.

Jaona 4:24: “Izay mivavaka [amin’Andriamanitra] tsy maintsy mivavaka araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”

Inona no dikan’izany? Tian’Andriamanitra isika raha manompo azy araka ny fahamarinana voalazan’ny Baiboly momba azy.

Jaona 8:32: “Ny marina hanafaka anareo.”

Inona no dikan’izany? Manafaka antsika amin’ny finoanoam-poana, ny lainga ampianarin’ny fivavahana, ny tsy fahalalana, ary ny zavatra maro hafa ny fahamarinana nampianarin’i Jesosy. Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Nahoana no ‘Manafaka Antsika ny Marina’?”

1 Timoty 2:4:“Sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.”

Inona no dikan’izany? Tian’Andriamanitra hianatra ny marina momba azy isika mba ho voavonjy.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara