FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 125
  • Manatanteraka Faminanian’ny Baiboly ny Korontana Ara-politika Amin’izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manatanteraka Faminanian’ny Baiboly ny Korontana Ara-politika Amin’izao
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Korontana ara-politika hitranga “any am-parany”
  • Tanteraka amin’izao andro izao ny faminanian’i Daniela
  • Ahoana no hahatanteraka ny faminanian’i Daniela amin’ny hoavy?
  • Mahasoa antsika ilay faminanian’i Daniela
  • Goavana ara-paminaniana iray: hilaza inona ny fianjerany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny Nisandratan’ny Sariolona Goavam-be Iray sy ny Nianjerany
    Diniho ny Faminanian’i Daniela
  • Mianara avy Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Efa Mitondra Ilay Fanjakana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 125
Tranom-panjakana maromaro ary misy sainam-pirenena amerikanina sy britanika ao aoriana. Misy olona be dia be mitokona eo alohan’ilay tranom-panjakana ary mitresatresaka ny tany itsahin-dry zareo.

Manatanteraka Faminanian’ny Baiboly ny Korontana Ara-politika Amin’izao

Tsy mifanara-kevitra mihitsy izao ny olona amin’ny resaka politika. Tsy mitovy hevitra ry zareo rehefa misy lalàna mahakasika ny fiainany andavanandro, dia samy masiaka sy mafana fo rehefa maneho ny heviny. Ny mpanao lalàna sy ny manam-pahefana hafa koa moa tsy mitovy hevitra, ary tsy misy vonona handefitra. Lasa misy korontana ara-politika àry, dia tsy afaka manao na inona na inona ny fanjakana.

Mahaliana anefa ny korontana ara-politika any Etazonia sy Grande-Bretagne (antsoina koa hoe Royaume-Uni). Fa ahoana? Satria efa nolazain’ny Baiboly mialoha hoe samy hisy korontana ao amin’ireo firenena roa ireo, ary amin’izay mihitsy ny Fanjakana iray aorin’Andriamanitra any an-danitra no hanova tanteraka ny fiainana eto an-tany.

Korontana ara-politika hitranga “any am-parany”

Miresaka faminaniana iray mampientanentana ny Baiboly, ao amin’ny bokin’i Daniela. Ampahafantarin’Andriamanitra ao “ny zavatra hitranga any am-parany”, izany hoe amin’izao androntsika izao.​—Daniela 2:28.

Inona io faminanian’ny Baiboly io? Nofy nampahitan’Andriamanitra ny mpanjakan’i Babylona ilay izy. Nahita sarivongana ngezabe vita amin’ny metaly samihafa ilay mpanjaka, tao amin’ilay nofy. Nohazavain’i Daniela mpaminany, avy eo, hoe manondro firenena matanjaka hifandimby ny metaly samihafa amin’ilay sarivongana, manomboka any amin’ny lohany ka hatrany amin’ny tongony.a Hisy vato hamely an’ilay sarivongana, amin’ny farany, dia ho potika tanteraka ilay sarivongana. Manondro Fanjakana, na fitondrana iray naorin’Andriamanitra, ilay vato.​—Daniela 2:36-45.

Ny Fanjakan’Andriamanitra no hisolo ny fanjakan’olombelona rehetra, araka io faminaniana io. Io Fanjakana io ihany ilay nasain’i Jesosy nangatahin’ny mpianany tamin’ny vavaka, tamin’izy niteny hoe: “Ho tonga anie ny Fanjakanao!”​—Matio 6:10.

Fa aiza ho aiza amin’io faminaniana io no miresaka korontana ara-politika? Mariho hoe “nisy ampahany vy sady nisy ampahany tanimanga” ny tongotr’ilay sarivongana. (Daniela 2:33) Tsy metaly mafy hoatran’ny ampahany hafa amin’ilay sarivongana izany. Midika izany hoe hisy firenena matanjaka iray tsy hitovy amin’ny hafa. Jereo ange ilay faminanian’i Daniela e:

“Araka ilay hitanao, dia tanimanga novolavolain’ny mpanefy ny ampahany tamin’ny tongotr’ilay sarivongana sy ny rantsantongony, fa vy kosa ny ampahany. Dia ho voazarazara toy izany koa ilay fanjakana, nefa ho mafy toy ny vy ny ampahany aminy satria vy nifangaro tanimanga mbola lena no hitanao. Nisy ampahany vy ny rantsantongony, sady nisy ampahany tanimanga. Hisy ampahany amin’ilay fanjakana àry hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy. Araka ilay hitanao, dia tanimanga mbola lena no nifangaro tamin’ny vy. Mitovy amin’izany koa fa hisy ampahany amin’ilay fanjakana hifangaro amin’ny vahoaka. Tsy hitambatra amin’ny iray mihitsy anefa ny iray, sahala amin’ny vy tsy mety mitambatra amin’ny tanimanga.”​—Daniela 2:41-43.

Hisy korontana ara-politika ao amin’ilay firenena matanjaka mifanitsy amin’ny tongotr’ilay sarivongana, araka ilay faminaniana. Ny vahoakany ihany no hahatonga azy halemy.

Tanteraka amin’izao andro izao ny faminanian’i Daniela

I Etazonia sy Grande-Bretagne, izay firenena matanjaka indrindra amin’izao, no mifanitsy amin’ny tongotr’ilay sarivongana. Inona no manaporofo an’izany rehefa jerena ny zava-mitranga amin’izao?

Tsy maintsy hoe malemy ny tongotr’ilay sarivongana, noho ilay izy ‘misy ampahany vy sady misy ampahany tanimanga.’ (Daniela 2:42) Samy mihamalemy izao na i Etazonia na i Grande-Bretagne satria mizarazara ny vahoakany. Samy ahitana antokon’olona samihafa tsy mifanaraka, ohatra, ao amin’ireo firenena ireo. Mampiasa herisetra ny olona rehefa mitaky ny zony. Matetika koa ny manam-pahefana fidin’ny vahoaka no tsy mety mitovy hevitra amin’ny raharaha samihafa. Tsy afaka manatanteraka ny fikasany àry ireo firenena roa ireo indraindray satria mizarazara be ny vahoakany.

Miara-miasa akaiky i Etazonia sy Grande-Bretagne

Nifanampy i Etazonia sy Grande-Bretagne tamin’ny Ady Lehibe I, dia nihanifandray akaiky foana ry zareo taorian’izay. Miara-miasa foana mantsy ry zareo na amin’ny resaka politika, na fandriampahalemana, na vola.

  • “I Royaume Uni no mpiara-miasa akaiky indrindra amin’i Etazonia.”​—Minisiteran’ny Raharaham-bahiny any Etazonia.

  • “Manana fifandraisana manokana izahay dia tena zava-dehibe izany. ... Mbola tsy akaiky hoatran’ny amin’izao mihitsy izahay.”​—Keir Starmer, Praiminisitr’i Royaume Uni.

  • “Miray saina foana izahay, izany hoe i Royaume Uni sy Etazonia, isaky ny misy raharaha lehibe eo amin’izao tontolo izao.”​—Antony Blinken, Sekreteram-panjakana Amerikanina.

Misy mpitokona be dia be manodidina ny tongotr’ilay sarivongana ngezabe ao amin’ny faminanian’i Daniela. Mitresatresaka ny tany itsahin-dry zareo.

Efa noresahin’ny Daniela toko 2 mialoha hoe hanao ahoana ny Fanjakana Anglisy-Amerikanina

Hojerentsika misimisy kokoa izao ny dikan’ny tsipiriany sasany amin’ny faminanian’i Daniela, sy ny fahatanterahany amin’izao:

Faminaniana: “Ho voazarazara ... ilay fanjakana, nefa ho mafy toy ny vy ny ampahany aminy.”​—Daniela 2:41.

Dikany: Marina hoe mizarazara amin’ny resaka politika ny vahoakan’i Etazonia sy Grande-Bretagne. Manana tafika matanjaka be anefa ry zareo. Afaka manao zavatra misy vokany maneran-tany àry ry zareo rehefa mampiasa ny heriny hoatran’ny vy.

Fahatanterahany

Raha atambatra ny vola lanin’i Etazonia sy Royaume Uni tamin’ny tafika, tamin’ny 2023, dia mbola betsaka raha oharina amin’ny vola lanin’ny firenena 12 mitambatra izay tena nandany vola be tamin’ny tafika koa.​—Stockholm International Peace Research Institute.

“Ny fiaraha-miasan’ny tafik’i Royaume Uni sy Etazonia no matanjaka indrindra sy mampiasa ny teknolojia farany indrindra eran-tany. ... Miara-miasa izahay, miara-mijoro, ary miara-miady.”​—Strategic Command, Minisiteran’ny Fiarovana any Royaume Uni, Aprily 2024.

Faminaniana: “Nisy ampahany vy ny rantsantongony, sady nisy ampahany tanimanga. Hisy ampahany amin’ilay fanjakana àry hatanjaka, fa hisy ampahany kosa halemy.”​—Daniela 2:42.

Dikany: Na dia matanjaka be aza ny tafik’i Etazonia sy Grande-Bretagne dia voafetra ihany ny zava-bitany, noho ny rafitra ara-demokratika ao amin’ny taniny. Sarotra amin’ireo fanjakana ireo mantsy ny hanatanteraka ny tetikasany raha vao tsy ny ankamaroan’ny vahoaka no manaiky an’ilay izy.

Fahatanterahany

“Milaza ny manam-pahaizana sasany momba ny politika hoe mizarazara loatra ny fanjakana amerikanina, dia izay no mahatonga an’ilay hoe sarotra amin’i Etazonia ny hanatanteraka ny zavatra lazainy fa hataony amin’ny firenen-kafa, ohatra hoe amin’ny resaka fandriampahalemana na varotra.”​—“The Wall Street Journal.”

“Lasa misy korontana ara-politika be dia be tsy fahita hatramin’izay any Grande-Bretagne izao. Variana amin’ireny ny mpanao politika dia lasa tsy voakarakara ny zavatra ilain’ny vahoaka.”​—Institute for Government.

Faminaniana: “Hifangaro amin’ny sarambabem-bahoaka [ilay fanjakana]. Tsy hitambatra amin’ny iray mihitsy anefa ny iray.”​—Daniela 2:43, fanamarihana ambany pejy.

Dikany: Afaka maneho hevitra mahakasika ny fitondrana ny olon-tsotra. Vokatr’izany anefa dia tsy tena afa-po tanteraka ny manam-pahefana sy ny mpifidy.

Fahatanterahany

“Tsy tian’ny Amerikanina mihitsy amin’izao ny resaka politika sy ny mpanao politika.”​—Pew Research Center.

“Raha jerena ny zava-misy tato anatin’ny 50 taona dia amin’izao ny Britanika no tena tsy matoky ny fitondrana sy ny mpanao politika indrindra.”​—“National Centre for Social Research.”

Ahoana no hahatanteraka ny faminanian’i Daniela amin’ny hoavy?

Ny Anglisy-Amerikanina no firenena matanjaka indrindra eran-tany rehefa hisolo ny fanjakan’olombelona rehetra ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny faminanian’i Daniela.​—Daniela 2:44.

Misy faminaniana mifandray amin’io koa ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Voalaza ao hoe hangonina ny “mpanjakan’ny tany manontolo” mba hiady amin’i Jehovahb Andriamanitra amin’ny ady Aramagedona, izany hoe ilay “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 16:14, 16; 19:19-21) Horavan’i Jehovah amin’io ady io ny fanjakan’olombelona rehetra. Ataony tsy misy miangana intsony koa, amin’izay, ny firenena matanjaka rehetra mifanitsy amin’ilay sarivongana tao amin’ny faminanian’i Daniela.

Raha mila fanazavana fanampiny dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Atao hoe Ady Aramagedona?”

Mahasoa antsika ilay faminanian’i Daniela

Efa nilaza mialoha ny Baiboly hoe hisy korontana ara-politika any Etazonia sy Grande-Bretagne dia izany tokoa no mitranga amin’izao. Hiova ny fahitanao ny zava-mitranga amin’izao rehefa fantatrao izany.

  • Ho azonao hoe fa maninona no tsy tian’i Jesosy hanao politika ny mpanara-dia azy. (Jaona 17:16) Vao mainka ho azonao koa hoe nahoana i Jesosy, ilay nofidin’Andriamanitra ho mpitondra ny Fanjakany, no nilaza hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.”​—Jaona 18:36.

  • Hatoky ianao hoe kely sisa dia hanao zavatra ny Fanjakan’Andriamanitra, ary ho tanteraka ny fitahiana rehetra nampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olombelona.​—Apokalypsy 21:3, 4.

  • Tsy hampahatahotra anao ny hoavy sady tsy hanahy ianao hoe mety ho potika ny tany satria miady ny firenena samihafa.​—Salamo 37:11, 29.

Asehon’ny faminanian’i Daniela hoe ny Anglisy-Amerikanina, izay mifanitsy amin’ny tongotr’ilay sarivongana, no firenena matanjaka farany hitondra ny olombelona. Ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra aorian’izay. Fanjakana tonga lafatra avy any an-danitra io Fanjakana io.

Jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? raha tianao ho fantatra izay hataon’io Fanjakana io ho an’ny olombelona.

Iza avy ny firenena matanjaka noresahin’ny faminanian’i Daniela?

Manondro firenena matanjaka dimy nisy vokany be tamin’ny vahoakan’Andriamanitra ilay sarivongana ao amin’ny Daniela toko 2. Ireto avy izany:

Ilay sarivongana ngezabe resahin’ny faminanian’i Daniela.
  • Ny Fanjakana Babylonianina, izay mifanitsy amin’ilay loha volamena.​—Daniela 2:32, 36-38.

  • Ny Fanjakana Medianina-Persianina, izay mifanitsy amin’ilay tratra sy sandry volafotsy.​—Daniela 2:32, 39.

  • Ny Fanjakana Grika, izay mifanitsy amin’ilay kibo sy fe varahina.​—Daniela 2:32, 39.

  • Ny Fanjakana Romanina, izay mifanitsy amin’ilay ranjo vy.​—Daniela 2:33, 40.

  • Ny Fanjakana Anglisy-Amerikanina, izay mifanitsy amin’ilay tongotra vy mifangaro tanimanga.​—Daniela 2:33, 41-43.

a Jereo ilay efajoro hoe “Iza avy ny Firenena Matanjaka Noresahin’ny Faminanian’i Daniela?”

b Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara