MIAMBENA FOANA!
Tokony ho Hoatran’ny Ahoana ny Kristianina? Inona no Lazain’ny Baiboly?
Be dia be izao ny olona mirehareha hoe Kristianina nefa ny zavatra ataony mampijaly ny olon-kafa. Misy, ohatra, tia tena, tsy manao ny marina, ratsy fanahy, ary mamitaka ny vadiny. Izany no mahatonga ny olona sasany ho lasa saina hoe: ‘Hoatran’ny ahoana marina izany hoe Kristianina?’
Ny tena Kristianina
Mora amin’ny olona ny milaza hoe Kristianina izy. Tsy ampy anefa izany. Asehon’ny Baiboly hoe mpianatr’i Jesosy Kristy ny atao hoe Kristianina. (Asan’ny Apostoly 11:26) I Jesosy mihitsy no niteny hoe: “Raha manaraka ny teniko foana ianareo, dia tena mpianatro tokoa.” (Jaona 8:31) Marina hoe tsy misy olona mahavita mankatò an-tsakany sy an-davany ny tenin’i Jesosy. Manao an’izay azony atao anefa ny Kristianina mba hanarahana ny fampianaran’i Jesosy, ary asehon’izy ireo amin’ny fiainany isan’andro izany. Diniho ireto ohatra ireto:
Be fitiavana ny Kristianina fa tsy tia tena
Izay nolazain’i Jesosy: “Izao no didy vaovao omeko anareo: Mifankatiava ianareo, ka hoatran’ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”—Jaona 13:34, 35.
Izay nataon’i Jesosy: Tsy tia tena i Jesosy fa tia ny karazan’olona rehetra na mahantra ilay olona na manankarena, na avy aiza na avy aiza. Nositraniny ny marary, nomeny sakafo ny noana, ary nahafoy ny ainy ho an’ny olona mihitsy aza izy.—Matio 14:14-21; 20:28.
Izay ataon’ny Kristianina: Be fitiavana ny Kristianina ka malala-tanana sy tsy manavakavaka ary vonona hamela heloka. Manampy an’izay mila ampiana ry zareo ary vonona hamoy zavatra ho an’ny hafa.—1 Jaona 3:16.
Manao ny marina ny Kristianina
Izay nolazain’i Jesosy: “Izaho no ... fahamarinana.”—Jaona 14:6.
Izay nataon’i Jesosy: Nanao ny marina foana i Jesosy na tamin’ny teniny na tamin’ny nataony. Tsy hoe nofitapitahiny ny olona rehefa tiany hanao zavatra iray na tiany hino zavatra iray. Fantatry ny olona hoe milaza ny marina foana izy na dia mety hampidi-kizo azy aza izany.—Matio 22:16; 26:63-67.
Izay ataon’ny Kristianina: Tsy mandainga ny Kristianina. Mandoa hetra ry zareo, tsy mangalatra, ary manaja tsara ny asany. (Romanina 13:5-7; Efesianina 4:28) Tsy mamitaka olona koa ry zareo, tsy mifraody, ary tsy mandainga rehefa mameno taratasy fangatahana asa, na taratasy hafa.—Hebreo 13:18.
Tsara fanahy ny Kristianina
Izay nolazain’i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mitondra enta-mavesatra, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.”—Matio 11:28-30.
Izay nataon’i Jesosy: Mora hatonina sy tsara fanahy i Jesosy. Noraisiny tsara ny ankizy, nampahereziny ny kivy, ary nohajainy ny olona.—Marka 10:13-15; Lioka 9:11.
Izay ataon’ny Kristianina: Tsara fanahy sy mahalala fomba ny Kristianina rehefa miresaka amin’olona fa tsy masiaka na mahay vava. (Efesianina 4:29, 31, 32) Be fiahiana ry zareo sady mitady fomba hanampiana ny hafa.—Galatianina 6:10.
Tsy mamitaka ny vadiny ny Kristianina
Izay nolazain’i Jesosy: “Aoka ... izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—Marka 10:9.
Izay nataon’i Jesosy: Na dia tsy nanambady aza i Jesosy dia nampirisika ny olona mba tsy hivadika amin’ny vadiny. (Matio 19:9) Nampitandrina ny mpivady koa izy mba tsy hanao zavatra mety hampisaraka an-dry zareo.—Matio 5:28.
Izay ataon’ny Kristianina: Tsy manao zavatra mety hahatonga ny tokantranony ho tsy mendri-kaja ny Kristianina. (Hebreo 13:4) Mifankatia sy mifanaja ny mpivady.—Efesianina 5:28, 33.