FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 5
  • Azo Fantarina ve hoe Iza Marina no Nanoratra ny Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Azo Fantarina ve hoe Iza Marina no Nanoratra ny Baiboly?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Inona Marina ny Baiboly?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Iza no Nampanoratra ny Baiboly?
    Mifohaza!—2007
  • Soratra Hebreo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Soratra Grika Kristianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 5
Olona telo mpanoratra Baiboly

Azo Fantarina ve hoe Iza Marina no Nanoratra ny Baiboly?

Valiny ara-baiboly

Olona maro no nilazana hoe tsy tena azo antoka hoe iza no nanoratra ny Baiboly. Matetika anefa ny Baiboly no milaza an’izay nanoratra azy. Mitovitovy amin’izao ny fanombohan’ny boky sasany: “Ny tenin’i Nehemia”, “ny fahitana azon’i Isaia”, ary “ny tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Joela.”—Nehemia 1:1; Isaia 1:1; Joela 1:1.

Milaza ny ankamaroan’ireo mpanoratra Baiboly fa nanoratra tamin’ny anaran’i Jehovah, ilay hany tena Andriamanitra, izy ireo ka notarihiny. In-300 mahery ireo mpaminany ao amin’ny Soratra Hebreo no nilaza hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah.” (Amosa 1:3; Mika 2:3; Nahoma 1:12) Nahazo hafatra avy amin’Andriamanitra, tamin’ny alalan’ny anjely ny mpanoratra hafa.—Zakaria 1:7, 9.

Lehilahy 40 teo ho eo no nanoratra ny Baiboly, nandritra ny 1600 taona. Nanoratra boky mihoatra ny iray ny sasany taminy. Toy ny fitambaram-boky kely misy boky 66 ny Baiboly. Boky 39 no ao amin’ny Soratra Hebreo, izay antsoin’ny olona maro hoe Testamenta Taloha, ary 27 no ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, antsoina matetika hoe Testamenta Vaovao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara