FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 33
  • Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Aretina Mitaiza—Miara-misalahy ny Mpianakavy
    Mifohaza!—2000
  • Fomba Iatrehan’ny Mpianakavy ny Aretina Mitaiza
    Mifohaza!—2000
  • Fa Maninona àry Aho no Marary Be toy Izao?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
  • Rehefa ao Anatin’ny Aretina Mafy Ianao
    Mifohaza!—2001
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 33

Afaka Manampy Ahy ve ny Baiboly Raha Manana Aretina Mitaiza Aho?

Valiny ara-baiboly

Eny. Mikarakara an’izay mpanompony marary Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “I Jehovah no hanohana azy eo amin’ny fandriana aharariany.” (Salamo 41:3) Misy zavatra telo afaka manampy anao ireto raha manana aretina mitaiza ianao:

  1. Mangataha hery amin’Andriamanitra. Hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” ianao amin’izay, ka hahavita hiaritra sy tsy hanahy be loatra.—Filipianina 4:6, 7.

  2. Miezaha ho falifaly foana. Hoy ny Baiboly: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana, fa ny fahakiviana kosa mahamaina taolana.” (Ohabolana 17:22) Miezaha ho tia vazivazy. Tsy halahelo be loatra ianao raha manao izany sady ho salama tsara koa.

  3. Manàna fanantenana. Raha manana fanantenana ianao, dia ho falifaly foana na dia manana aretina mitaiza aza. (Romanina 12:12) Milaza ny Baiboly fa amin’ny hoavy dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’” (Isaia 33:24) Hositranin’Andriamanitra ny aretina mitaiza, izay tsy vitan’ny dokotera ankehitriny ny manasitrana azy. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa tsy hihantitra toy ny amin’izao intsony ny olona amin’izany fa hihatanora indray. Hoy ny Joba 33:25: “Aoka ny nofony ho tsara noho ny an’ny tanora, ary aoka hiverina aminy indray ny heriny tamin’ny fahatanorany.”

Fanamarihana: Miaiky izahay Vavolombelon’i Jehovah hoe manampy Andriamanitra. Mitsabo tena any amin’ny dokotera koa izahay raha manana aretina mitaiza. (Marka 2:17) Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana anefa izahay, fa ilay marary ihany no hanapa-kevitra ny amin’izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara