FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 35
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Krismasy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Krismasy?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ny niandohan’ny fombafomba fanao rehefa Krismasy
  • Ny Noely — fety iray mampidi-doza ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Ny noely — Nahoana izy io no malaza aoka izany any Japana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny Krismasy — Nahoana no Ankalazaina na dia any Atsinanana Aza?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Natao ho An’​ny Kristianina ve ny Krismasy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 35

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Krismasy?

Valiny ara-baiboly

Tsy milaza ny andro nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly, ary tsy asainy ankalazaina izy io. Hoy ny Rakipahalalana (anglisy), navoakan’i McClintock sy Strong: ‘Tsy nandidy ny hankalazana ny Krismasy Andriamanitra, ary tsy hita ao amin’ny Testamenta Vaovao izy io.’

Avy tamin’ny fombafomba fanaon’ny mpanompo sampy fahiny ny Krismasy, raha ny tantarany no jerena. Milaza ny Baiboly fa mampahatezitra an’Andriamanitra isika raha manao zavatra tsy tiany rehefa manompo azy.—Eksodosy 32:5-7.

Ny niandohan’ny fombafomba fanao rehefa Krismasy

  1. Fankalazana ny andro nahaterahan’i Jesosy: Hoy Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy): ‘Tsy nankalaza ny nahaterahan’i Jesosy ny Kristianina fahiny. Nihevitra mantsy izy ireo fa fanaon’ny mpanompo sampy ny mankalaza ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana.’

  2. Ny 25 Desambra: Tsy misy porofo hoe tamin’io i Jesosy no teraka. Ny mpitondra fivavahana no nifidy an’io daty io mba hifanitsy amin’ilay fety fanaon’ny mpanompo sampy tamin’ny fiverenan’ny masoandro tamin’ny ririnina.

  3. Fanolorana fanomezana, fiaraha-mikorana, fety: Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina: ‘Ny fety romanina antsoina hoe Satiornaly, natao teo antenatenan’ny volana Desambra, no modely nakana ny fombafomba amin’ny fiaraha-mikorana amin’ny Krismasy. Avy tamin’io fety io, ohatra, no niavian’ilay fety manetriketrika sy ny fanolorana fanomezana ary ny fandrehetana labozia.’ Milaza koa Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy), fa “najanona ny asa sy ny varotra” nandritra ny Satiornaly.

  4. Jiro mamirapiratra: Milaza Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy), fa nampihaingo ny tranony tamin’ny “jiro sy hazo maitso ravina” ny Eoropeanina, mba hankalazana ny fiverenan’ny masoandro tamin’ny ririnina, sady handroahana fanahy ratsy.

  5. Hazo krismasy: Hoy Ny Rakipahalalana Britannica: “Fanaon’ny mpanompo sampy tany Eoropa ny nivavaka tamin’ny hazo ary tsy nialany izany na dia efa lasa Kristianina aza izy ireo.” Anisan’ny fivavahana amin’ny hazo sady mbola fahita hatramin’izao ilay hoe “mametraka hazo krismasy eo am-baravarana na ao an-trano, mandritra ny fety amin’ny fisasahan’ny ririnina.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara