FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 41
  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fampidiran-dra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fampidiran-dra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ho fanehoana fiheverana an’Andriamanitra dia aoka isika hanaja ny aina sy ny ra
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ra
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Ny Aina sy ny Ra — Mihevitra Azy Ireo ho Masina ve Ianao?
    Tafaray ao Amin’ny Fanompoam-pivavahana Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 41

Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fampidiran-dra?

Valiny ara-baiboly

Milaza ny Baiboly fa tokony hifady ny ra isika. Tsy tokony hihinana ra àry isika, ary tsy tokony hanaiky hampidirana ra manontolo na ny taharo fototry ny ra. Diniho ireto andinin-teny ireto:

  • Genesisy 9:4. Navelan’Andriamanitra hihinana henam-biby i Noa sy ny fianakaviany taorian’ny Safodrano, saingy tsy navelany hihinana ny ra. Hoy izy: “Izao ihany no tsy azonareo hanina: Ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.” Tokony hankatò an’izany ny olombelona rehetra satria taranak’i Noa daholo.

  • Levitikosy 17:14. “Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona izany na nofon’inona, satria ny rany no ain’ny karaza-nofo rehetra, ka haringana izay mihinan-dra.” Mihevitra Andriamanitra fa ao amin’ny ra ny aina ary izy no tompon’ny aina. Marina fa ny firenen’Israely no nomen’Andriamanitra an’io lalàna io. Hita avy amin’izy io anefa fa tena tsy tian’Andriamanitra hihinan-dra ny olona.

  • Asan’ny Apostoly 15:20. ‘Fadio ny ra.’ Mitovy amin’ny lalàna nomen’Andriamanitra an’i Noa ihany ny lalàna nomeny ny Kristianina. Asehon’ny tantara fa tsy nety nihinan-dra ny Kristianina fahiny, eny fa na dia nilaina tamin’ny fitsaboana aza izany.

Nahoana Andriamanitra no mandidy antsika hifady ra?

Be dia be ny aretina ho voasoroka raha tsy hampidiran-dra isika. Ny tena antony lehibe indrindra anefa dia hoe masina amin’Andriamanitra ny aina, izay ao amin’ny ra.—Levitikosy 17:11; Kolosianina 1:20.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara