FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 43
  • Afaka Mivady ve ny Olona Samy Hafa Volon-koditra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mivady ve ny Olona Samy Hafa Volon-koditra?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Mitovy ny razamben’ny olona rehetra na samy hafa volon-koditra aza izy ireo
  • Miara-midinika ny olona malina
  • Fototra iray tsara dia tsara ho an’ny fanambadianao
    Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra
  • Firazanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ahoana ny Amin’ny Fireharehana Ara-pirazanana?
    Mifohaza!—1998
  • Fanavakavaham-bolon-koditra
    Mifohaza!—2014
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 43

Afaka Mivady ve ny Olona Samy Hafa Volon-koditra?

Valiny ara-baiboly

Tsy mandrara ny fanambadian’ny olona samy hafa volon-koditra Andriamanitra, satria aminy dia mitovy daholo ny olon-drehetra. Milaza ny Baiboly fa “tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra”, izany hoe mitovy daholo ny fomba itondrany ny olona na inona na inona firenena niaviany.—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

Ireto koa misy toro lalana hafa:

Mitovy ny razamben’ny olona rehetra na samy hafa volon-koditra aza izy ireo

Ny olombelona rehetra dia samy taranak’i Adama, ilay lehilahy voalohany, sy Eva vadiny, izay antsoin’ny Baiboly hoe “renin’ny olombelona rehetra.” (Genesisy 3:20) Hoy ny Baiboly, momba an’Andriamanitra: “Avy tamin’ny olona anankiray no nanaovany ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Asan’ny Apostoly 17:26) Fianakaviana iray ihany àry ny olombelona rehetra, na inona na inona volon-kodiny. Inona anefa no azonao atao raha manjaka ny fanavakavahana any amin’ny tany misy anao?

Miara-midinika ny olona malina

Hitantsika teo fa tsy mandrara ny fanambadian’ny olona samy hafa volon-koditra Andriamanitra. Tsy ny olon-drehetra anefa no manaiky an’izany. (Isaia 55:8, 9) Raha te hanambady olona tsy mitovy volon-koditra aminao àry ianao, dia tsara raha miara-midinika an’ireto fanontaniana ireto ianao sy ilay olona kasainao ho vady:

  • Ahoana no hiatrehanareo ny olana mety hitranga eo amin’ny fiaraha-monina na eo anivon’ny fianakavianareo?

  • Ahoana no hanampianareo ny zanakareo hiatrika ny fanavakavahana?

Ho sambatra ny tokantranonareo, raha miara-midinika mialoha an’izany ianareo.—Ohabolana 13:10; 21:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara