FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 21
  • Nahoana Ianareo no Tsy Manaiky Hampidiran-dra?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Ianareo no Tsy Manaiky Hampidiran-dra?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevi-diso ananan’ny olona
  • Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manaiky hampidiran-dra?
  • Niova hevitra ny mpitsabo
  • Mihabe Mpangataka ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
    Mifohaza!—2000
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Video Vitan’ny Mpitsabo ny Tsy Mampiasa Ra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Manova ny Fomba Fijeriny ny Dokotera Raha ny Amin’ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
    Mifohaza!—1998
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 21

Nahoana Ianareo no Tsy Manaiky Hampidiran-dra?

Hevi-diso ananan’ny olona

Hevi-diso: Tsy mino ny Vavolombelon’i Jehovah hoe afaka manasitrana ny fanafody na ny dokotera.

Ny marina: Te hahazo ny fitsaboana tsara indrindra izahay sy ny fianakavianay. Manatona dokotera izahay rehefa marary. Dokotera mahay mitsabo sy manao fandidiana tsy ampiasana ra no tadiavinay. Faly izahay fa mandroso be izao ny fitsaboana, ka tsy ny Vavolombelon’i Jehovah irery intsony no mandray soa amin’ny fitsaboana tsy ampiasana ra fa ny olon-kafa koa. Afaka misoroka ny voka-dratsin’ny fampidiran-dra izao ny marary any amin’ny firenena maro. Mety hitondra otrikaretina mantsy ny ra. Mety tsy hiasa tsara intsony koa ny hery fanefitra, ary mety hisy fahadisoana ataon’ny mpitsabo eo amin’ny resaka sokajin-dra na ny toy izany.

Hevi-diso: Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa mila manana finoana fotsiny ny marary dia ho sitrana ny aretiny.

Ny marina: Tsy manao fanasitranana amin’ny alalan’ny finoana izahay.

Hevi-diso: Lafo be ny fitsaboana tsy ampiasana ra.

Ny marina: Mora kokoa ny fitsaboana tsy ampiasana ra.

Hevi-diso: Maro ny Vavolombelon’i Jehovah maty isan-taona, satria tsy nanaiky hampidiran-dra. Ankizy ny sasany amin’izy ireo.

Ny marina: Tsy mitombina mihitsy izany. Maro ny dokotera mpandidy efa zatra tsy mampiasa ra rehefa manao fandidiana sarotra, ohatra hoe mandidy fo, taolan-damosina, ary mamindra taova.a Tafavoaka tsara toy ny olona ampidiran-dra, na sitrana haingana kokoa aza, ireo marary tsy ampidiran-dra, anisan’izany ny ankizy. Tsy misy afaka manizingizina hoe ho faty ny olona iray rehefa tsy manaiky hampidiran-dra, na ho velona izy rehefa manaiky an’izany.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no tsy manaiky hampidiran-dra?

Antony ara-pivavahana no mahatonga azy ireo tsy hanaiky hampidiran-dra, fa tsy antony ara-pitsaboana. Na ny Testamenta Taloha na ny Testamenta Vaovao dia samy milaza fa tokony hofadina ny ra. (Genesisy 9:4; Levitikosy 17:10; Deoteronomia 12:23; Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Aina koa ny ra amin’Andriamanitra. (Levitikosy 17:14) Tsy manaiky hampidiran-dra àry izahay, satria te hankatò an’Andriamanitra sady manaiky fa izy no Mpanome aina.

Niova hevitra ny mpitsabo

Efa vitan’ny mpitsabo àry izao ny manao fandidiana sarotra nefa tsy mampiasa ra

Taloha ny mpitsabo nihevitra hoe mety hidiran-doza na toy ny hoe mamono tena mihitsy aza, ny olona tsy manaiky hampidiran-dra fa mitady fitsaboana hafa. Niova anefa izy ireo, tato ho ato. Izao, ohatra, no voalazan’ny gazety iray momba ny fitsaboana, tamin’ny 2004: “Maro amin’ireo teknika nampiasaina hitsaboana ny Vavolombelon’i Jehovah no hanjary ho fitsaboana mahazatra, amin’ireo taona ho avy.” Milaza koa ny lahatsoratra iray tao amin’ny gazetiboky Fo sy Havokavoka ary Fikorianan’ny Ra (anglisy), tamin’ny 2010, fa “tsy rehefa mandidy VJ [na Vavolombelon’i Jehovah] ihany ny dokotera no ‘tsy hampiasa ra’ fa tokony ho izany foana no ho fahazarany rehefa mandidy.”

Dokotera an’arivony izao eran-tany no tsy mampiditra ra rehefa manao fandidiana sarotra. Misy teknika ampiasainy mba ho kely ny ra very. Efa ampiasaina any amin’ny tany mahantra ireny fitsaboana solon’ny fampidiran-dra ireny, ary na ny olona tsy Vavolombelon’i Jehovah aza mitaky azy ireny.

a Iangavio ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampiseho aminao an’ilay video hoe Solon’ny Fampidiran-dra: Fanadihadiana Samihafa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara