FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 49
  • Aiza ny Devoly no Mipetraka?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aiza ny Devoly no Mipetraka?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Ilay fahavalon’ny fiainana mandrakizay
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Satana
    Mifohaza!—2013
  • Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Mpanapaka eo Amin’ny Tontolo Ara-panahy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 49

Aiza ny Devoly no Mipetraka?

Valiny ara-baiboly

Anjely ny Devoly ka mipetraka any amin’ny faritra tsy hita maso. Tsy any amin’ny afobe anefa io toerana misy azy io, ka hoe mampijaly ny ratsy fanahy izy, araka ny hita eo amin’ny sary.

‘Ady tany an-danitra’

Afaka nivezivezy araka izay tiany tany an-danitra i Satana Devoly taloha, sady afaka nankeo anatrehan’Andriamanitra sy ny anjely tsy nivadika. (Joba 1:6) Nilaza mialoha anefa ny Baiboly fa hisy ady any an-danitra, ka horoahina i Satana ary hazera etỳ an-tany. (Apokalypsy 12:7-9) Efa nitranga io ady io, raha jerena ny zava-mitranga eran-tany sy ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara. Tsy afa-miala etỳ amin’ny manodidina ny tany intsony izao ny Devoly.

Midika ve izany fa monina ao amin’ny toerana iray eto an-tany izy? Ahoana, ohatra, ilay lazain’ny Apokalypsy 2:13 hoe tao amin’ny tanànan’i Pergamosy no ‘nisy ny seza fiandrianan’i Satana’, ary tao no ‘nonenan’i Satana’? Te hilaza ny Baiboly eo fa nanjaka tao ny fivavahana tamin’i Satana. Milaza ny Baiboly fa ny Devoly no mitondra “ny fanjakana rehetra manerana ny tany onenana.” (Lioka 4:5, 6) Midika izany fa tsy mipetraka ao amin’ny toerana iray eto an-tany izy, fa etỳ amin’ny manodidina ny tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara