FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 56
  • Afaka Mifehy ny Olombelona ve ny Devoly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mifehy ny Olombelona ve ny Devoly?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Iza moa ny Devoly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Misy ve izany hoe fanahy ratsy?
    Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay
  • Tohero i Satana, dia Handositra Izy!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Tena Mino ve Ianao fa Misy ny Devoly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 56

Afaka Mifehy ny Olombelona ve ny Devoly?

Valiny ara-baiboly

Tena mifehy ny olombelona ny Devoly sy ny demonia. Izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe: ‘Eo ambany fahefan’ilay ratsy izao tontolo izao manontolo.’ (1 Jaona 5:19) Ireto ny fomba sasany ifehezan’ny Devoly ny olombelona:

  • Mamitaka. Milaza ny Baiboly fa tokony ‘hanohitra ny teti-dratsin’ny Devoly’ ny Kristianina. (Efesianina 6:11) Maro ny teti-dratsin’ny Devoly. Ataony, ohatra, izay hinoan’ny olona fa mpanompon’Andriamanitra ireo olona ampiasainy.—2 Korintianina 11:13-15.

  • Asan’ny maizina. Mamitaka ny olona ny Devoly amin’ny alalan’ny mpanandro sy mpisikidy ary mpanontany amin’ny maty. (Deoteronomia 18:10-12) Lasa mora fehezin’ny Devoly ny olona rehefa mampiasa zava-mahadomelina, na manao hipnotisma, na manaraka fomba fisaintsainana manafoana ny saina.—Lioka 11:24-26.

  • Fivavahan-diso. Mamitaka ny olona ny fivavahana mampianatra zavatra diso, ka mitarika azy ireo tsy hankatò an’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:20) Antsoin’ny Baiboly hoe “fampianaran’ny demonia” ireny fampianaran-diso ireny.—1 Timoty 4:1.

  • Miditra ao amin’ny olona. Resahin’ny Baiboly fa misy fanahy ratsy miditra ao amin’ny olona ary mifehy azy. Lasa jamba na moana ilay olona indraindray, na lasa mandratra tena.—Matio 12:22; Marka 5:2-5.

Inona no atao raha tsy te hofehezin’ny Devoly?

Tsy voatery hatahotra hofehezin’ny Devoly foana isika, satria lazain’ny Baiboly fa afaka manohitra azy isika. Ireto avy no tokony hatao:

  • Fantaro ny teti-dratsin’ny Devoly.—2 Korintianina 2:11.

  • Mianara Baiboly ary ampiharo izay nianaranao. Raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao, dia ho voaro ka tsy ho voafehin’ny Devoly.—Efesianina 6:11-18.

  • Poteho na dory ny zavatra rehetra misy ifandraisany amin’ny demonia. (Asan’ny Apostoly 19:19) Anisan’izany ny hira, boky, gazetiboky, sary, na video mampirisika ny olona hifandray amin’ny fanahy ratsy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara