FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 19
  • Fa Maninona Aho no Lasa Mampijaly Tena?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fa Maninona Aho no Lasa Mampijaly Tena?
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no ataon’ny tanora mampijaly tena?
  • Inona ny antony?
  • Ahoana no hialana amin’ilay izy?
  • Nahoana Aho no Mandratra Tena?
    Mifohaza!—2006
  • Nahoana no Nialako Ilay Asa Be Karama?
    Mifohaza!—2010
  • Ahoana no Ataoko mba Tsy Handratrako Tena Intsony?
    Mifohaza!—2006
  • Ampio ny Zanakao Raha Mampijaly ny Tenany
    Mifohaza!—2013
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 19

MANONTANY NY TANORA HOE...

Fa Maninona Aho no Lasa Mampijaly Tena?

  • Inona no ataon’ny tanora mampijaly tena?

  • Inona ny antony?

  • Ahoana no hialana amin’ilay izy?

  • Tanora telo nanontaniana

  • Saintsaino izao

  • Ilay diariko: Misy ny andinin-teny tiako

Inona no ataon’ny tanora mampijaly tena?

Rehefa mampijaly tena ny ankizy dia fanahy iniany kapohina ny vatany, na ataony mangana, na koa dorany. Misy koa mandidy ny tenany amin’ny zava-maranitra, ka io no tena horesahina ato. Natao ho an’ny tanora rehetra mampijaly tena koa anefa ity lahatsoratra ity.

Marina sa Diso:

  1. Ny ankizivavy ihany no manao an’izany.

  2. Izay tanora mandidy ny tenany, dia tsy mankatò an’ilay lalàn’Andriamanitra ao amin’ny Levitikosy 19:28 hoe: “Aza didididiana ny vatanareo.”

Valiny:

  1. Diso. Misy koa ankizilahy mandidididy ny vatany, na dia ny ankizivavy aza no tena betsaka manao an’ilay izy.

  2. Diso. Fombafomban’ny mpanompo sampy no resahin’ny Levitikosy 19:28, fa tsy ilay hoe olona mampijaly tena tsotra fotsiny. Hitantsika avy amin’io andininy io ihany anefa fa tia antsika ny Mpamorona, ka malahelo izy raha mampijaly tena isika.—1 Korintianina 6:12; 2 Korintianina 7:1; 1 Jaona 4:8.

Inona ny antony?

Araka ny hevitrao, iza amin’ireto no marina?

Mandidididy ny tenany ny olona satria...

  1. kivy be izy, ka izany no hitany hoe mba mampitonitony azy.

  2. te hamono tena izy.

Valiny: A. Tsy hoe te hamono tena ny ankamaroan’ireny olona ireny, fa tiany fotsiny raha mba afaka ny alahelony.

Izao no nolazain’ny ankizy sasany efa nandidy ny tenany:

Celia: “Mahatsiaro ho maivamaivana aho rehefa avy manao an’ilay izy.”

Tamara: “Hoatran’ny hoe fanafody mba mampitonitony ahy ilay izy. Aleoko tsinona ny vatako no mijaly toy izay ny foko.”

Carrie: “Rehefa ny vatako no mijaly, dia mba hoatran’ny tsy marary loatra ny foko. Mankaleo be ange ilay kivy e.”

Jerrine: “Rehefa mampijaly ny tenako aho, dia mba hadinodinoko ny olana mahazo ahy. Dia hoatran’ny mba tsy miady saina be amin’ilay izy aho.”

Ahoana no hialana amin’ilay izy?

Tena manampy ny mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra. Hoy ny 1 Petera 5:7: “Apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”

Soso-kevitra: Teny kely fotsiny aloha lazaina amin’ny voalohany, ohatra hoe: “Jehovah ô, izaho mba ampio!” Rehefa mandeha ny fotoana, dia ho mora kokoa aminao ny hiresaka an’izay rehetra ao am-ponao amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”—2 Korintianina 1:3, 4.

Tsy hoe atao handaminana saina fotsiny akory ny vavaka, fa tena resaka ataonao amin’ilay Rainao any an-danitra. Ary mampanantena mihitsy izy hoe: ‘Hanampy anao aho. Hihazona anao mafy amin’ny tanako ankavanana aho, dia ny tanako feno fahamarinana.’—Isaia 41:10.

Maro koa no nahatsapa fa tena nanampy azy ny niresaka tamin’ny rainy na ny reniny na olon-dehibe hafa azony itokisana. Andao hojerentsika ny tenin’ny tanora anankitelo nanao an’izany.

Tanora telo nanontaniana

  • Diana, 21 taona

  • Kathy, 15 taona

  • Lorena, 17 taona

Firy taona ianao no nanomboka nandidididy ny vatanao?

Lorena: Tamin’izaho 14 taona.

Diana: Tamin’izaho 18 taona. Indraindray aho isan’andro no manao an’ilay izy sady amin’izay maharitra herinandro na tapa-bolana. Misy fotoana anefa aho tsy manao mihitsy ao anatin’ny volana. Dia miovaova hoatr’izany foana e!

Kathy: Tamin’izaho 14 taona. Fa na amin’izao aza aho mbola manao ihany indraindray.

Fa maninona ianao no te hampijaly tena?

Kathy: Satria tsy tiako maizina ny tenako. Hoatran’ny hoe tsisy dikany izany mihitsy aho, dia nieritreritra aho hoe iza koa no mba te hinamana amin’olona hoatr’ahy.

Diana: Indraindray aho malahelo be eo, dia avy eo mahatsiaro mihitsy hoe tsy afa-manoatra, dia lasa kivy aho. Vao mainka aho kivy be, dia farany tsy zakako intsony. Hoatran’ny hoe misy biby masiaka te handrongatra izany ao anatiko ao, ka tsy maintsy didididiako ny tenako mba hivoaka ilay izy.

Lorena: Hoatran’ny olona tsisy ilana azy ny fiheverako an’ahy. Leo be aho mieritreritra an’izany, dia izay no mahatonga ahy hampijaly tena. Indraindray hoatran’ny hoe tsara ho an’ahy mihitsy ny mijaly.

Dia tena mba maivamaivana ve ianao avy eo?

Diana: Ie. Hoatran’ny hoe nisy entana mavesatra be nentiko, dia niala ilay izy avy eo.

Kathy: Rehefa avy mitomany ianao izao, dia mba afakafaka ny alahelonao. Dia mitovy amin’izay koa no tsapako rehefa avy didiako ny tenako.

Lorena: Eritrereto hoe io misy baolina ngeza be, ka raha tsindronina kely io dia mihena tsikelikely ny rivotra ao anatiny. Dia hoatr’izany koa no tsapako. Mihafaka tsikelikely ny alaheloko rehefa didiako ny vatako.

Tsy sahy nitantara an’izay nataonao ve ianao?

Lorena: Ie. Natahotra aho sao dia eritreretin’ny olona hoe hafahafa, sady mba tsy tiako hoe misy mahafantatra ny fiainako.

Diana: Mody niseho hoe mafy be aho satria izany daholo no tenenin’ny olona. Tsy sahy nitaraina tamin’iza na iza àry aho, satria hoatran’ireny dia efa hoe resy be amin’ny fiainana ireny.

Kathy: Tsy tiako ho hitan’ny olona hoe tsy mandeha tsara ny fiainako, satria raha fantany izany dia vao mainka aho ho kivy be. Sady izaho koa nihevitra hoe inona koa moa izay izaho, tsara ho ahy mihitsy ny mijaly.

Ka inona no nahatonga anao tsy hanao intsony?

Lorena: Notantaraiko an’ny mamanay ilay izy. Nanantona dokotera koa aho, dia mba lasa tsy mora kivy be intsony. Nisy fotoana aloha aho mbola nandidy ny vatako ihany, kanefa niezaka nianatra Baiboly foana aho sady nazoto nitory. Marina fa mbola mahatsiaro ho tsy misy dikany ihany aho indraindray, nefa miady mafy aho mba hanadino an’izany.

Kathy: Nisy namako izay, zokiko folo taona. Tonga dia fantany hoe manana olana aho, ka notantaraiko taminy ihany ilay izy. Gaga aho fa kay izy koa efa nandidy ny tenany taloha. Lasa tsy menatra an’azy intsony aho rehefa naheno an’izany. Nankany amin’ny dokotera koa aho, dia nohazavainy tsara tamiko sy tamin’ny dadanay sy mamanay hoe inona no tena mahazo ahy.

Diana: Tany amin’ny mpivady namako izay aho indray alina. Fantatr’ilay lehilahy anefa hoe miady saina aho ka nanontaniany moramora hoe inona ny olana. Nosakambinin’ilay vadiny aho avy eo sady norotsirotsiny, hoatran’ny nataon’ny mamanay tamin’izaho mbola kely. Tonga aho dia nitomany, dia nirotsaka koa ny ranomasony. Tsy mora tamiko aloha ny nitantara tamin-dry zareo hoe nandidy ny tenako aho, nefa soa ihany ilay izy fa nolazaiko.

Nanampy anao ve ny Baiboly?

Diana: Rehefa namaky Baiboly aho dia tsapako hoe tsy ho vitako irery ny hiady amin’ilay izy, fa mila an’i Jehovah aho hanampy ahy.—Ohabolana 3:5, 6.

Kathy: Tena mampahery ahy ny mamaky Baiboly satria fantatro mihitsy hoe avy amin’Andriamanitra ny zavatra voalaza ao.—2 Timoty 3:16.

Lorena: Rehefa mamaky Baiboly aho, dia mahita andinin-teny tena hoatran’ny hoe natao ho ahy mihitsy. Soratako amin’ny karine kely ireny, dia mba saintsainiko indray rehefa ilaiko.—1 Timoty 4:15.

Inona ny andinin-teny tena nanampy anao?

Diana: Ny Ohabolana 18:1 miresaka hoe: “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” Indraindray aho tsy tena mahazo aina rehefa miaraka amin’olona maromaro. Io andinin-teny io anefa no nahitako hoe ho ratsy be ny vokany, raha ohatra aho ka lasa mitokantokana.

Kathy: Ny Matio 10:29, 31 no andinin-teny tiako indrindra. Milaza i Jesosy ao fa hitan’i Jehovah foana na fody iray aza no maty. Dia avy eo izy miteny hoe: “Aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo.” Mbola mampahery ahy foana izany hatramin’izao. Tsapako mihitsy hoe mba misy dikany amin’i Jehovah aho.

Lorena: Tiako be ilay teny ao amin’ny Isaia 41:9, 10 hoe: ‘Tsy manary anao aho. Aza matahotra fa momba anao aho. Hanatanjaka anao aho.’ Rehefa mieritreritra aho hoe hataon’i Jehovah matanjaka be, dia ny ao an-tsaiko hoe hataony hoatran’ny tanàna voahodidina tamboho vato be aho, ka tsy misy atahorako. Mampahery ahy io andinin-teny io, satria manome toky ahy hoe tia ahy Jehovah sady eo foana izy hanampy ahy.

Saintsaino izao:

  • Raha mba te hitady fanampiana ianao, iza no azonao iresahana?

  • Rehefa mivavaka ianao, inona no tianao holazaina amin’i Jehovah momba ny olana mahazo anao?

  • Inona ny zavatra roa mba azonao atao (nefa tsy mampijaly tena), rehefa miady saina na kivy ianao?

Ilay diariko: Misy ny andinin-teny tiako

Soso-kevitra: Manaova diary ka soraty ao izay andinin-teny manome toky anao hoe tena tia anao i Jehovah. Soraty ao koa izay andininy manampy anao hifantoka amin’ny toetra tsaranao, fa tsy ho kivy amin’izay tsy mety vitanao. Hazavao kely ao hoe nahoana no mampahery anao ilay andininy. Ireto, ohatra, misy andinin-teny tena nanampy an’i Diana sy Kathy ary Lorena:

  • Romanina 8:38, 39

    “Hitako amin’io hoe tena tia ahy i Jehovah, na dia rehefa hoe tsy mahita mangirana mihitsy aza aho.”​—Diana.

  • Salamo 73:23

    “Manome toky ahy ny andinin-teny hoatran’io hoe hay izaho tsy miady irery, satria toy ny hoe eo akaikiko eo mihitsy i Jehovah manampy ahy.”​—Kathy.

  • 1 Petera 5:10

    “Marina fa mety hijaly ‘vetivety’ aloha isika, satria tsy voatery hoe eo no ho eo dia hisy ny vahaolana. Afaka manatanjaka antsika anefa i Jehovah, ka na inona na inona mitranga dia ho zakantsika foana.”—Lorena.

Andinin-teny hafa mampahery

  • Salamo 34:18

  • Salamo 54:4

  • Salamo 55:22

  • Isaia 57:15

  • Matio 11:28, 29

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara