FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 74
  • Inona no Dikan’ilay Marika hoe 666?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Dikan’ilay Marika hoe 666?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Fantatra Ilay Bibidia sy Ilay Marika eo Aminy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • 666—Tsy Ankamantatra Fotsiny
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Miady Amin’ny Biby Masiaka Roa
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
  • Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 74
Bibidia manana loha fito sy tandroka folo ary mitondra an’ilay marika, na anarana, hoe 666.

Inona no Dikan’ilay Marika hoe 666?

Valiny ara-baiboly

Asehon’ny boky farany ao amin’ny Baiboly fa marika na anarana iantsoana an’ilay bibidia manana loha fito sy tandroka folo, izay niakatra avy any an-dranomasina, ilay hoe 666. (Apokalypsy 13:1, 17, 18) Io bibidia io no famantarana ny fitondrana ara-politika eran-tany, izay manana fahefana amin’ny “foko sy vahoaka sy olona samy hafa fiteny ary firenena rehetra.” (Apokalypsy 13:7) Hita avy amin’ilay anarana hoe 666 fa tsy mahomby eo anatrehan’Andriamanitra ny fitondrana ara-politika. Nahoana?

Tsy anarana apetapetaka fotsiny. Misy dikany daholo ny anarana omen’Andriamanitra. Novany hoe Abrahama, izay midika hoe “Rain’ny Maro”, ohatra, ny anaran’i Abrama, izay midika hoe “Rain’ny Fisandratana.” (Genesisy 17:5, fanamarihana ambany pejy) Nampanantena an’i Abrahama mantsy Andriamanitra fa ho lasa “rain’ny firenena maro” izy. Nataony hoe 666 koa ny anaran’ilay bibidia noho ny toetra mampiavaka azy io.

Midika hoe misy tsininy ny isa enina. Matetika no misy heviny an’ohatra ny isa ao amin’ny Baiboly. Ny isa fito, ohatra, midika hoe feno na lavorary. Fito latsaka iray ny enina, ka entina ilazana zavatra tsy feno na misy tsininy eo imason’Andriamanitra. Misy ifandraisany amin’ny fahavalon’Andriamanitra koa ny isa enina.​—1 Tantara 20:6; Daniela 3:1.

Midika ho fanamafisana ilay izy averina intelo. Matetika ny Baiboly no mamerina hevitra intelo, rehefa tiany hohamafisina ilay izy. (Apokalypsy 4:8; 8:13) Tian’Andriamanitra hoantitranterina amin’ilay anarana hoe 666 àry fa tena tsy mahomby ny fitondran’olombelona. Tsy mahavita mampisy fiadanana sy filaminana maharitra izy ireo, fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no mahavita an’izany.

Ny marik’ilay bibidia

Milaza ny Baiboly fa nandray “ny mariky ny bibidia” ny olona, satria nanaraka azy sady “nitolagaga taminy” ary nivavaka taminy mihitsy aza. (Apokalypsy 13:3, 4; 16:2) Manao an’izany izy ireo rehefa manindrahindra ny fireneny, ny sainam-pireneny, na ny tafi-panjakany. Milaza ilay boky hoe The Encyclopedia of Religion fa “lasa anisan’ny karazana fivavahana tena mahazo laka izao ny fanindrahindram-pirenena.”a

Voalaza fa misy an’io marika io eo amin’ny tanana havanan’ny olona iray na ny handriny. Inona no dikan’izany? (Apokalypsy 13:16) Nilaza tamin’ny firenen’Israely Andriamanitra hoe: “Afatory ho famantarana eo amin’ny tananareo [ny teniko], ary ataovy fehiloha eo amin’ny handrinareo.” (Deoteronomia 11:18) Tsy ara-bakiteny akory izany, fa midika hoe ny tenin’Andriamanitra no tokony hibaiko azy ireo amin’izay rehetra ataony sy eritreretiny. Tsy soratana ara-bakiteny koa ilay marika hoe 666. Tsy atao toy ny tombokavatsa izy io. Azo lazaina hoe mitondra azy io ny olona, rehefa miantehitra amin’ny fitondrana ara-politika, ka toy ny hoe izy io no mibaiko ny fiainany. Manohitra an’Andriamanitra ny olona mitondra ny mariky ny bibidia.—Apokalypsy 14:9, 10; 19:19-21.

a Jereo koa ny boky Nationalism in a Global Era, pejy 134, sy ny boky Nationalism and the Mind: Essays on Modern Culture, pejy 94.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara