FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwyp lahatsoratra 34
  • Mety ve ny Maka Tahaka Olona Amin’ny Tele? Fizarana 1: Ho An’ny Ankizivavy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety ve ny Maka Tahaka Olona Amin’ny Tele? Fizarana 1: Ho An’ny Ankizivavy
  • Manontany ny Tanora
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hoatran’ny ahoana matetika ny ankizivavy amin’ny tele?
  • Tsara ho fantatra
  • Inona no azonao atao?
  • Mety ve ny Maka Tahaka Olona Amin’ny Tele? Fizarana 2: Ho An’ny Ankizilahy
    Manontany ny Tanora
  • Ny Ankizy sy ny Tambazotran-tserasera: Fizarana 2: Ampianaro ny Zanakao mba ho Voaro Rehefa Mampiasa Tambazotran-tserasera
    Ho An’ny Fianakaviana
  • Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?
    Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Voalohany
  • Ahoana Raha Tsy Avelan’i Dada sy Neny Mampiasa Tambazotran-tserasera Aho?
    Manontany ny Tanora
Hijery Hafa
Manontany ny Tanora
ijwyp lahatsoratra 34
Ankizivavy mangala-pijery any amin’ny ankizivavy hafa manao makiazy eo anoloan’ny fitaratra

MANONTANY NY TANORA

Mety ve ny Maka Tahaka Olona Amin’ny Tele? Fizarana 1: Ho An’ny Ankizivavy

  • Hoatran’ny ahoana matetika ny ankizivavy amin’ny tele?

  • Tsara ho fantatra

  • Inona no azonao atao?

  • Ny hevitry ny tanora toa anao

Hoatran’ny ahoana matetika ny ankizivavy amin’ny tele?

Vakio ireto, ary valio ny fanontaniana erỳ ambany:

Tsanganana 1

Tsanganana 2

Tsy matotra

Mahay mandray andraikitra

Mpikomy

Mpankatò

Ratsy fitondran-tena

Hendry

Tsy misaina

Marani-tsaina

Mpifosafosa

Mahafehy vava

Mpamitapitaka

Tsy mpandainga

  1. Hoatran’ny ahoana matetika ny ankizivavy amin’ny filma sy tele ary gazetiboky, raha io tabilao io no jerena?

  2. Iza amin’ireo no tianao hahafantarana anao?

Azo antoka fa avy tao amin’ilay tsanganana 1 ny valin-teninao tamin’ilay fanontaniana voalohany, fa avy tao amin’ilay tsanganana 2 kosa ny valin-teninao tamin’ilay fanontaniana faharoa. Midika izany fa tsy tena te haka tahaka ny ankizivavy fahita matetika amin’ny tele sy gazetiboky ianao, ary tsy ianao irery no toy izany. Nahoana?

“Hita matetika amin’ny filma hoe mpikomy sady ratsy toetra ny ankamaroan’ny ankizivavy. Dia lasa hoatran’ny hoe izahay ankizivavy rehetra no tsy azo atokisana, dia kizitim-belona, dia tsy miraharaha afa-tsy ny paozinay.”​—Erin.

“Aseho amin’ny filma sy tele hoe te hojeren’ny olona foana ny ankizivavy, sady mieritreritra be momba ny paoziny, ny akanjony, ny lazany, dia sain-dehilahy be koa.”​—Natalie.

“Mahalana ianao vao mahita filma misy hoe ankizivavy ‘mahafinaritra’ ka tsy misotro toaka, tsy manao firaisana amin’ny ankizilahy, ary tsy mikomy amin’ny dada sy mamany. Raha tsy manao an’ireo indray ilay ankizivavy, dia na izy aseho hoe masina be na aseho hoe hendry loatra.”​—Maria.

Mieritrereta hoe: ‘Maka tahaka olona amin’ny tele ve aho rehefa miakanjo na manao zavatra na miteny, sa manana ny maha izy ahy?’

Tsara ho fantatra

  • Tanora maro no mieritreritra hoe manana ny maha izy azy, nefa ny olona hitany amin’ny tele sy gazetiboky fotsiny no alainy tahaka. Hoy i Karen: “Hoatr’izany mihitsy zandrinay vavy. Mody hoe tsy miraharaha afa-tsy akanjo sy ankizilahy izy. Izaho anefa mahita hoe mahay be izy sady be dia be ny zavatra mahaliana azy. Mody tsy mahay fotsiny izy satria raha tsy izany, hono, izy tsy hoatran’ny ‘ankizivavy rehetra.’ Izy amin’io mbola vao 12 taona!”

    Hoy ny Baiboly: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity.”—Romanina 12:2.

  • Tsy ireny aseho amin’ny tele sy filma ireny no tena toetra tian’ny ankizivavy hananana. Hoy ny ankizivavy iray 15 taona, atao hoe Alexis: “Aseho amin’ny tele na gazetiboky hoe mieritreritra be loatra momba ny tenany ny ankizivavy, dia maditra, dia mora manao zavatra adaladala. Misaina tsara ihany anefa ny fahitako ny ankamaroanay. Mba manana zavatra hafa hoeritreretina ihany izahay, fa tsy dia hoe variana mieritreritra ankizilahy bôgôsy foana akory!”

    Hoy ny Baiboly: “Ny olona matotra ... manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy, satria nampiasaina.”—Hebreo 5:14.

  • Manao izay hahazoany vola fotsiny ny mpamokatra filma sy ny mpivarotra, fa tsy mitady izay hahasoa ny ankizivavy. Fantatry ny orinasa lehibe fa hahazoany tombony be ny ankizy, ka mbola kely izy ireny, dia efa ataony izay hisarihana azy. Manao an’izany daholo na ny mpandraharaha eo amin’ny resaka lamaody, na teknolojia, na fialam-boly, na ny mpamokatra boky sy gazetiboky. Hoy ilay boky hoe 12 Going on 29: “Ataon’ny mpanao dokam-barotra izay hahatonga ny ankizy hieritreritra hoe tsy hisy mpitia izy raha tsy manana an’izay akanjo, firavaka, makiazy, ary fitaovana elektronika nivoaka farany. Mahita dokam-barotra manaitaitra ny filan’ny nofo foana ny ankizy, na dia mbola tsy mahay an’izany resaka izany akory aza.”

    Hoy ny Baiboly: “Ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.”—1 Jaona 2:16.

Ankizivavy very hevitra satria be loatra ny dokam-barotra momba ny makiazy sy ny fitaovana elektronika ary ny lamaody

Mieritrereta hoe: Iza no tena mahazo tombony raha tsy manaiky ianao raha tsy mahazo an’izay akanjo na kitapo na zavatra hafa misy marika malaza? Iza no tena mahazo tombony raha te ho tian’ny namanao ianao, ka tsy manaiky mihitsy raha tsy manana ny telefaonina nivoaka farany? Izay hahasoa anao sa izay hahasoa azy no tena tadiavin’ny mpamokatra filma sy ny mpivarotra?

Inona no azonao atao?

  • Aza maika haka tahaka an’izay aseho amin’ny tele. Mihamahay mandinika ianao rehefa mihalehibe, fa tsy mifantoka fotsiny amin’izay hitan’ny masonao. Eritrereto tsara àry hoe inona no ho vokany raha maka tahaka fotsiny an’izay hitanao amin’ny tele sy gazetiboky ianao. Hoy i Alana, 14 taona: “Ankizivavy be makiazy fa zara raha miakanjo no hitanao matetika amin’ny tele. Dia be dia be ny ankizivavy tsy tonga saina hoe tsy lasa mahafatifaty akory izy raha manao hoatr’izany, fa vao mainka aza heverin’ny olona hoe tena te hojerena mafy.”

  • Eritrereto hoe hoatran’ny ahoana no tianao hahafantarana anao, dia izay no ataovy tanjona. Diniho, ohatra, ireo toetra tsara hitantsika terỳ am-piandohan’ity lahatsoratra ity, izany hoe ireo toetra tianao hahafantarana anao. Maninona raha miezaka hanana an’ireo toetra ireo? Na maninona raha hatsaraina izay toetra tsara efa anananao? Mampirisika antsika ny Baiboly mba ‘hitafy ny toetra vaovao, izay havaozina tsikelikely amin’ny alalan’ny fahalalana marina tsara, eny, havaozina araka ny endrik’Ilay namorona azy’, fa tsy araka izay tian’ny mpanao dokam-barotra.—Kolosianina 3:10.

  • Mitadiava olona tsara toetra azo tahafina. Mety ho azonao atao modely, ohatra, ny mamanao na ny nenitoanao, na olon-kafa ao amin’ny fianakavianareo. Mety hisy vehivavy matotra azo tahafina koa amin’ny namanao na ny olom-pantatrao. Manana tombony ny Vavolombelon’i Jehovah satria maro ny vehivavy toy izany eo anivon’ny fiangonan’izy ireo.—Titosy 2:3-5.

Soso-kevitra: Vakio ny boky Tahafo ny Finoan’izy Ireo, fa misy tantarana vehivavy ao amin’ny Baiboly. Azonao tahafina, ohatra, i Rota, Hana, Abigaila, Estera, Maria, ary Marta. Ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka ny boky Tahafo ny Finoan’izy Ireo. Azo jerena ato amin’ny www.pr2711.com/mg koa io boky io.

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Hadassa

“Manana ny maha izy azy ny tena vehivavy, ary tsy mahamenatra azy mihitsy izany. Fantany hoe manana ny hajany izy.”—Hadassa.

Marissa

“Manaja tena ny ankizivavy matotra. Tsy miezaka hisongadina izy rehefa tafaraka amin’olona maromaro. Ary na lasa misongadina aza izy, dia tsy mirehareha.”​—Marissa.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara