FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 49
  • Nahoana no Nisy Niova ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Nisy Niova ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Mba Andramo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Tena Kristianina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Mihamazava ny Lalantsika
    Mihirà Amin’ny Fo ho An’i Jehovah
  • Mihamazava ny Lalantsika
    Mihirà ho An’i Jehovah
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 49
Vavolombelon’i Jehovah mamaky Baiboly

Nahoana no Nisy Niova ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Mifototra amin’ny Baiboly foana ny zavatra inoanay. Nahitsinay àry ny zavatra inoanay sasany, arakaraka ny nahazoanay tsara kokoa ny hevitry ny Soratra Masina.a

Mifanaraka amin’ity toro lalana ao amin’ny Ohabolana 4:18 ity izany: “Ny lalan’ny marina kosa dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” Rehefa mihamazava ny andro, dia lasa hita mazava kokoa ny manodidina. Hoatran’izany koa fa ataon’Andriamanitra mazava tsikelikely ny fahamarinana, ary ataony amin’ny fotoana hitany fa mety izany. (1 Petera 1:10-12) Ataony mihamazava haingana kokoa ny fahamarinana mandritra ny “fotoanan’ny farany”, araka ny efa nolazain’ny Baiboly.—Daniela 12:4.

Tsy mahagaga anay na mampikorontan-tsaina anay ireny fanazavana vaovao ireny. Efa mba diso hevitra koa mantsy ny mpanompon’Andriamanitra fahiny, ka tsy maintsy nanitsy an’ilay hevi-diso.

  • Nieritreritra, ohatra, i Mosesy hoe tokony hanafaka ny firenen’Israely izy, nefa 40 taona taorian’izay izy vao nampiasain’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 7:23-25, 30, 35.

  • Tsy azon’ireo apostoly ilay faminaniana momba ny fahafatesan’ny Mesia sy ny fitsanganany amin’ny maty.—Isaia 53:8-12; Matio 16:21-23.

  • Nisy diso hevitra ny Kristianina voalohany, ka nilaza hoe efa tonga “ny andron’i Jehovah.”—2 Tesalonianina 2:1, 2.

Nahitsin’Andriamanitra ireny hevi-diso ireny tatỳ aoriana, ary manantena izahay fa mbola hanao hoatr’izany koa izy ankehitriny.—Jakoba 1:5.

a Tsy afeninay akory ny fanitsiana ny fahazoanay ny hevitry ny Soratra Masina. Avoakanay kosa ilay izy mba ho fantatry ny rehetra. Jereo, ohatra, ny hoe “Nohazavaina Ireo Zavatra Inoana” ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah ato amin’ny Internet.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara